Ankizivavy Okrainiana, 8 Taona, No Niharam-Doza Farany Tamin'ny Ady

Family and mourners carried the slain child, Polina, through the streets of Konstantinovka in a funeral procession before laying her to rest. March 18, 2015. YouTube screen capture. RuptlyTV.

Ireo fianakaviana sy mpisaona nilanja ny razan'ilay ankizivavy, Polina, namakivaky ireo arabe tao Konstantinovka, nitanjozotra talohan'ny hametrahana azy hiala sasatra am-pasandrazana. 18 Martsa 2015. Dikasary tamin'ny YouTube. RuptlyTV.

Ny Alatsinainy 16 Martsa, tao anatin'ny zava_doza, fiara mifono vy iray no nihanika nandeha tamin'ny sisin-dàlana tany amin'ny tanàna iray atsinanan'i Okraina, tao  Konstantinovka, nandona olona telo mpandeha an-tongotra. Ankizivavy kely iray antsoina hoe Polina no maty teo no ho eo, raha toa kosa ny nenitoany sy ny anadahikely iray nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana.

Ireo miaramila Okrainiana, mamo raha araka ny siosio, no tao anatin'ilay fiara mifono vy voarohirohy amin'ity zava-doza ity. Konstantinovka, iray amin'ireo foibe niaingan'ny fanoherana tao Donbass, dia eo ambany fifehezan'ny Repoblikam-Bahoakan'i Donetsk efa ho am-bolana maro talohan'ny nakàn'i Kyiv azy indray ny Jolay 2014.

Loza iray nitranga tao Konstantinovka androany. Ankizikely iray 8 taona no maty. Miatrika fitsaboana maika ny reniny [indrisy].

Tamin'ny fanehoankeviny mikasika ilay loza, nilaza i Andriy Lysenko mpitondra tenin'ny tafika Okrainiana :

Это дело находится на личном контроле Главного военного прокурора и президента Украины. Командование Вооруженных сил Украины выражает глубокие соболезнования пострадавшим гражданам и уверяет, что виновные в этой трагедии будут наказаны — как сами военнослужащие, так и их командиры.

Nandray an-tànana manokana ity raharaha ity ny Lehiben'ny Fampanoavana ao amin'ny Tafika sady Filohan'i Okraina. Naneho ny fiaraha-mioriny tamin'ny fianakaviana niharam-doza ny fitantanan'ny Tafika Mitam-piadiana ary nanome toky fa hanasazy ireo tomponandraikitra tamin'izao loza mahatsiravina izao—na ireo miaramila na ny mpibaiko azy ireo.

Kanefa, niaka-pofona sy tezitra ka nanapa-kevitra ny mponina ao Konstantinovka fa hampihatra ny endrika fitsaram-bahoaka azy ireo manokana.

Nisy olona maro nifamory teo amin'ny toerana nitrangan'ny loza ary avy eo teo ivelan'ilay sekoly nampiasaina ho toy ny toby famaharan'ny miaramila, nihiakiaka sy nanozona, nitoraka vato, niteny ratsy ary nandoro fiara, nandoro ny fidirana nankao amin'ilay tranobe.

Toy ny hoe reraky ny korontana, namoaka fampitandremana henjana ho an'ireo mpisakoroka i Anton Gerashchenko, Okrainiana mpanao lalàna no sady mpanolotsaina amin'ny fampiharana ny lalàna :

Если кто-то в Константиновке с оружием в руках выступит против законов украинской власти, используя данное ДТП для массовых столкновений, то сначала будет сделан один предупредительный выстрел, а потом будет стрельба на поражение. Если не будет времени предупредить — будет стрельба на поражение сразу же. Никому не позволено подрывать украинскую власть с оружием в руках на территории Украины. Все необходимые действия, подкрепления, приказы в Константиновку направлены, там ситуация будет нормализована и в дальнейшем будет оставаться такой же.

Raha misy na iza na iza eto Konstantinovka ka mandray fiadiana hankahatra ny lalàna sy ny filaminana ary ny manampahefana Okrainiana, amin'ny fampiasana ilay zava-nitranga ho fitaovana hanetsehana ny olona hikorontana, dia hisy tifitra iray ho fampitandremana, ary avy eo hitifitra hamono amin'izay ireo manampahefana. Raha tsy misy fotoana hanaovana tifitra fampitandremana dia hitifitra hamono avy hatrany ny manampahefana. Tsy misy na iray aza nomena alàlana handray fiadiana hanohitra ny governemanta Okrainiana. Nalefa ho any Konstantinovka avokoa ny hetsika rehetra ilaina, ny fanamafisana sy ny baiko rehetra, toerana izay heverina amin'ny laoniny ny filaminana ary hijanona ho toy ny andavanandro.

Nakarina tao amin'ny Youtube ny lahatsary (ahenoana ny feom-basy, voalaza fa avy amin'ny mpitandro filaminana nanao tifi-danitra ho fanaparitahana ny olona) ary nozaraina be tety anaty media sôsialy nony tonga ny alin'ny Alatsinainy. 

Araka ny efa nampoizina, vetivety dia nipoitra ny fanehoankevitra ara-politika mikasika ireo zava-niseho.

Solontena iray avy amin'ny mpampihatra lalàna Okrainiana no nangataka tamin'ireo mponina tsy ho ‘latsaka anaty fandriky ny fandranitana ataon'ireo mpampisara-bazana, izay mampiasa ny trangan-javatra rehetra hanozongozonana ireo tanàna manakaiky ny tsipika mena (vava-ady) ” raha toa kosa ka lohateny lehibe iray tao amin'ny RT no nihiaka ny hoe “Naharay “baiko hitifitra hamono” ny miaramila ao Okraina ao anaty korontana momba ilay fahavoazana nataon'ny miaramila & rodorodo nahafaty zaza 8 taona.”

 Tondroin'ireo tatitra fa niverina ny filaminana eny an'arabe ao Konstantinovka tamin'ny Talata, ary ny Minisitry ny Atitany ao amin'ny Donetsk, Vyacheslav Abroskin, nanoratra tao amin'ny Facebook fa miaramila roalahy no tomponandraikitra tamin'ilay loza ary efa natolotra ny mpampanoa lalàna ao amin'ny tafika.

Mandritra izany, ho an'i Polina dia nisy filaharana fisaonana natao tamin'ny Alarobia, raha mbola nisy indray koa iray hafa niharan-doza noho ilay fifandonana tany atsinanan'i Okraina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.