Famakafakana Ny Tantara Mitohy Samy Mitondra ny Lohateny hoe “Tanindrazana” eo amin'ny Filma Amerikana sy ny Filma Rosiana

Andian-tantaramitohy vaovao amin'ny fahitalavitra ao Rosia “Rodina” (ankavia) sy sarimihetsika malaza an'i Amerika “Homeland” (ankavanana). Sary avy amin'ny TJournal.ru.
Fandikana amin'ny teny Anglisy manontolo ilay lahatsoratra nosoratan'i Vadim Elistratov nivoaka tamin'ny teny Rosiana tao ammin'ny habaka TJournal tamin'ny 17 Martsa 2015 ity manaraka ity.
Navoaka voalohany tamin'ny 16 Martsa tao amin'ny tambajotran'ny fahitalavi-pirenena Rossiya-1 ny andian-tantaramitohy vaovao amin'ny fahitalavitra Rosiana Rodina (Tanindrazana). Notontosain'i Pavel Lugin ary mifototra tamin'ny sarimihetsika Israeliana “Babo an'ady” ity tantaramitohy vaovao ity ary fototry ny tantara an-tsehatra amerikana malaza Homeland [tanindrazana] ihany koa.
Nijery ny fizarana voalohany i Vadim Elistratov avy ao amin'ny TJ ary manazava ny antony maha-sarotra ialàna ny tsy fahombiazan'ny fanamboarana ny tantara hifanaraka amin'ny zavamisy rosiana, saingy hita fa matahotra ho mivaona be loatra amin'ny ôriginaly ireo mpamorona ny tantara, ary nisy fiantraikany tamin'ny tantara mitohy Rosiana izany.
‘Tanindrazana’ mifampitana amin'ny ‘Tanindrazana’ nosoratan'i Vadim Elistratov
Naneho hevitra amim-pankahalana amin'ny fampifanarahana amin'ny tontolo Rosiana ireo Rosiana mpankafy ny Homeland, izay lasa anisan'ny tantara goavana an-tsehatra amin'ny fahitalavitra, saingy nanome fanantenana ny fandrenesana fa nanatevin-daharana ny tetikasa tsy hiteraka fahafaham-baraka farafaharatsiny ny tale Pavel Lugin [Taxi Blues, The Island, Tsar] sy ireo mpilalao maventy tahaka an'i Vladimir Mashkov [Tycoon, Mission: Impossible – Ghost Protocol] ary i Vladimir Vdovichenkov [Leviathan].
Satria efa nivoaka ny fizarana voalohany, fantatsika fa tsy nandamoka ny seho. Saingy somary mandiso lalana ireo mpamorona raha nilaza ny ôrizinaly Israeliana, Prisoners of War (babo an ‘ady), ho loharanon-kevitra ry zareo: ny fizarana voalohany amin'ny Rodina amin'ny ankapobeny dia famerenana isan-tokony ny hita tamin'ilay sarimihetsika Amerikana, ary vitsy dia vitsy ny ifandraisany amin'ny tantaramitohy Israeliana (izay novidian'ny Rossiya-1 amin'ny fomba ara-dalàna ny zo).
Mitantara momba ireo gadra Israeliana roa nody tany an-tanindrazana taorian'ny 17 taona nababon'ny Syriana azy ireo, sy ny fotoan-tsarotra hizàrana indray amin'ny fiainana andavanandro ny Prisoners of War. Ny sarimihetsika amerikana namadika ny fototry ny tantara ho lasa tantaram-pitsikilovana mampitaintaina: miaramila tokana, Nicholas Brody ihany no velona tamin'ny fambaboan'ny fahavalo, ka nahasarika avy hatrany ny fifantohan'ilay mpitsikilon'ny CIA Carrie Mathison izany. Izy irery no miahiahy ilay “mahery fo an'ady” ho mpitsikilon'ny firenena anankiroa mety mifandrafy, voahodin-dohan'ireo mpaka an-keriny mpampihorohoro ary naverina tany Amerika mba hanatanteraka fanafihana ao Etazonia.
Nanahaka isa-minitra amin'ny antsipirihany an'i Homeland ny Rodina, na dia tsy manaitaitra loatra noho ilay horonantsary Amerikana aza ny fampifanarahana amin'ny tontolo rosiana nataon'i Lugin, izay nalefa tamin'ny fantsona Premium. Najanon'ny Rosiana mpanoratra ny seho ireo sehatra ahitana firaisana ara-nofo izay iankinan'ny ain-dehiben'ny [zotran-tantara] saingy misy ireo fanehoana maromaro azo marihana. Ohatra, ny mpilalao Ramatoa Brody ao amin'ny Rodina tamin'ny zananivavy miezaka manoroka tovolahy iray, fa tsy tamin'ny fifohany rongony marijuana miaraka amin'ny namany iray.

“Homeland” (ambony) sy “Rodina” (ambany. TJournal.ru.

“Homeland” (ambony) sy “Rodina” (ambany). TJournal.ru.
Tsy hita ao amin'ny horonantsary naseho voalohany hoan'ny Rosiana ihany koa ny seho ahitana ilay mpilalao Carrie Mathison mampiakanjo ny tenany amin'ny fomba marevaka manaitaitra hivoaka ho any amin'ny toeram-pandihizana amin'ny alina, ary mikasa hatory miaraka amin'ny lehilahy voalohany hitany. Ao amin'ny andian-tantara mitohy Amerikana, nilaina ity seho ity hampisehoana fa tototry ny asany i Carrie ka mandeha ho azy fotsiny ny fifandraisany amin'ny lehilahy. Tsy mazava ny anton'ny nanesoran'ireo mpanoratra ny horonantsary Rosiana io sombiny io.

“Homeland” (ambony) sy “Rodina” (ambany). TJournal.ru.
Mampihena ny fampifanarahana ny zavamisy ao amin'ny Rodina ihany koa i Lugin tamin'ny alalan'ny fampanombohana ny tantara ho tamin'ny taona 1999. Mampiasa finday tsy tapaka ireo mpilalao fototra, mametraka fakantsary kely miafina ao amin'ny tranon'ireo ahiahiana ho mpampihorohoro, ary tsy raharahan-dry zareo amin'ny ankapobeny ny safidim-potoana ametrahana ny seho. Mazava ny antony nisafidianana ny 1999: mora kokoa avy eo ny maka sary an-tsaina ny fanafihana goavan'ny mpampihorohoro tao anivon'ny tany Rosiana, saingy miharihary fa tsy fialana bala amin'ny tsy fahamarinana ara-tantara maro ao anatin'ny seho izany fanalefahana izany.

“Homeland” (ambony) sy “Rodina” (ambany). TJournal.ru.

“Homeland” (ambony) sy “Rodina” (ambany). TJournal.ru.

“Homeland” (ambony) sy “Rodina” (ambany). TJournal.ru.
Na dia teo aza ny fanovana sasany, dia mazava fa natao tao anatin'ny tahotra fandrao hanimba zavatra efa mandeha tsara ireo mpanoratra ny Rodina, ary nanao ezaka goavana mihitsy aza ireo mpanorina Rosiana mba hiantohana fa mitovy amin'ireo namany ao amin'ny fampisehoan'ny Amerikana ireo mpilalao misongadina amin'ny fampifanarahana azy amin'ny tontolo rosiana. Amin'ny lafiny ilany, nety izany fomba izany: Vitan'i Lugin ny nampitovy firindra-figadona amin'ny nataon'ny tany Etazonia. Etsy ankilany anefa, toa tahaka ny noterena ho Rosiana tsy araka izay nilaina ilay sarimihetsika hatramin'izao ary toa miantso fotsiny ireo mpijery tsy tia mijery fahitalavitra Amerikana noho ny antony ara-potokevitra.
Avy amin'ny fomba fijery ara-teknika, dia latsaka ambany kokoa noho ny Homeland amin'ny endriny rehetra ny Rodina: eo amin'ny fanaovana ny sarimihetsika, ny mozika, ary ny lany tamin'ny famokarana
Saingy tsy dia nalaza loatra tamin'ny fanatontosana ny sarimihetsiny ny Homeland, fa [nalaza] tamin'ny fitantarana, ny fahaiza-mihetsika tsara (ary afaka matoky an'i Mashkov ianao), ary ny fahaizan'ny andian-tantara mitohy mamariparitra ny fiainan'ireo mpiasan'ny fitsikilovana amin'ny endrika fitondran-tena matroka. Manao izay tsy mampaazoazo aina matetika ireo mpijery ny mpamorona ny sarimihetsika, amin'ny fampisehoana azy ireo ny sary maherisetran'ireo mpiasan'ny fitsikilovana ary, indraindray, mandrisika ireo mba hiray fo amin'ireo mpampihorohoro sy ny fianakaviany. Ho manan-danja kokoa ny famoronan'i Lugin, raha afaka mamaha tsara ireo olana voatonona ireo izy, na dia tsy mbola nisy hatramin'izay amin'ny fotoana maha-be mpijery ny fahitalavitra Rosiana aza izany tranga izany.

“Homeland” (ambony) sy “Rodina” (ambany). TJournal.ru.
Hatramin'izao, antony tokana ihany no hijerena ny Rodina: dia ny hanamarika ireo fahasamihafana mahaliana eo amin'ny fomba fisainan'ny amerikana sy ny rosiana. Mibaribary ireo fahasamihafana lehibe. Ohatra, toy ny tena mampatahotra mihitsy ilay mpilalao an'i Nicholas Brody mitsangana eo anoloan'ny tranobe Capitol ao Etazonia, saingy raha ao amin'ny sehon'i Rodina, dia mijoro manatrika an'i Kremlin, toa lavitry ny hahavita fanimbana kosa ilay Rosiana.
Atombohy ny resaka
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 5 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...