Voaheloka Ho Faty Ao Kafkastan

“Sarivongana Kafka, Prague” Sary avy amin'i Myrabella / Wikimedia Commons. Zon'ny mpamorona: CC BY-SA 3.0 tao amin'ny Wikimedia Commons.
Raha efa namaky ny “The Trial (Ny Fitsarana)” nosoratan'i Franz Kafka ianao, dia ho fantatrao ny dikan'ny voambolana hoe “Kafkaesque”.
Nosamborina tampoka ilay mpiasan'ny banky antsoina hoe Josef K, mpandray anjara voalohany amin'ny “Ny Fitsarana”, ary miaro ny tenany manoloana ireo fiampangana azy- izay tsy fantany akory. Tao anatin'izany, nahita ny fahasarotan'ny fanoherana ny fanjakam-birao mivady amin'ny tsi-refesi-mandidy (totalitarisma) i K.
Zato taona taorian'ny nanoratana “Ny Fitsarana”, miharihary fa nanafoana ireo karazana endrika tsi-refesi-mandidy sy fanjakam-birao ny olombelona. Tsy misy olona tsy manantsiny miakatra fitsarana intsony. Manjaka manerana izao tontolo izao ny rafitra mahombin'ny fitsarana. Vokatry ny fisaintsainako ity nofy ity, izay nananako taorian'ny famakiana ny tantara. Fahadisoan'ny zavamisy ihany izay mety ho kisendrasendram-pitoviana.
Tonga tao amin'ny efi-pitsarana izahay. Miditra ny efitrano ny mpitsara ary manambara ny fisokafan'ny fotoa-pitsarana ny mpiraki-draharaha. Mipetraka ny mpitsara ary manomboka mamaky ny taratasy: “Rehefa avy nandinika ny porofo nomen'ny mpitory sy ny voampanga, nahita izahay fa meloka tamin'ireo fiampangana azy ireo voampanga. Manameloka ireo voampanga 1, 2 sy faha-3 hovonoina ho faty izahay noho ny famonoana polisy manampahefana efa nomanina mialoha. Manameloka ireo voampanga laharana faha-4 hatramin'ny faha-11 higadra mandrapahafaty kosa izahay noho ny fandraisana anjara tamin'ny famonoana polisy manamboninahitra. Mangataka amin'ny Minisitry ny Atitany ihany koa izahay mba hanafoana ny maha-olom-pirenena ireo voampanga laharana voalohany hatramin'ny faha- 8 noho ny heloka fampihorohoroana. Misintona ny fitsarana”.
Arahan'ireo mpiambina mivoaka ny efi-pitsarana ireo voampanga. Nofatorana rojo vy ny tanan'izy ireo ary nentina tao anaty fiaram-pitaterana maizimaizina, misy varavarankely makarakara. A, (voampanga lah), mipetraka eo amin'ny sisin'ny sezan'olon-droa. Misy lehilahy iray mipetraka eo akaikin'ny varavarankely mifanila amin'ny sisin'ny fiara. Mandehandeha manerana ny fiara ny mpiambina iray, manisa ireo gadra. Rehefa nandalo teo amin'ny A ilay mpiambina, nanome tsiky kely izy. Nanamarika avy eo ilay lehilahy hafa eo amin'ny sisiny mifanila. Hoy izy tamin'ny A: “Tsy fantatro izay niampangana anao, saingy sambany aho nahita ny iray amin'izy ireo mitsiky. Ahoana ny tantaranao?
Mamaly amin'ny feo tokana i A: “Tsy nanao na inona na inona aho.”
Namaly ilay lehilahy iray hafa hoe: “Eny, mino anao aho.” i A namaly hoe: “Nahoana ianao no matoky lehilahy mifatotra rojo vy ny tanany? Ary azoko anontaniana ve ny anaranao?” Nihomehy ilay lehilahy iray ary nilaza hoe: “Samy mifatotra rojo vy ny tananIsika, tsy matoky na iza na iza ao anatin'ity fiara ity aho ka tsy mifatotra rojo vy ny tanany. H no anarako. ary fantatro fa tsy meloka ianao. “
“Inona no mahatonga anao matoky be tahaka izany?” hoy i A nanontany. “Satria tsy mampiseho mariky ny nenina ny fihetsikao,” hoy i H namaly. Nisento lalina i A ary nilaza hoe: “Mahatonga ahy toy ny nahavita izay nanamelohana ahy ve ny tsy fisian'ny nenina amiko?” Namaly tamin'ny feo manesoeso i H:” Tsy mampiseho nenina noho ny heloka bevava ireo meloka, fa mampiseho nenina noho ny fahatratrarana azy ireo. Ianao, eo amin'ny lafiny iray, mampiseho fa tsy misy nenina na: Muselmann ianao. ” Inona izany Muselmann? ” hoy i A nanontany.
Tsy namaly ny fanontaniana i H: “Tantara lava be izany. Mety hanam-potoana hiresahana izany isika raha iray efitra any am-ponja. Sambany hiditra am-ponja ve ianao?” “Fanintelony aho izao” hoy i A
“Eny, sambany ho ahy izao,” hoy i H. “Lazaina fa meloka noho ny fitarihana fankahalana ny fitondrana aho.” Nanontany indray i A hoe: “Ary ahoana no nilazan'izy ireo fa nanao izany ianao?” Namaly i H hoe: “Milalao teny aho, mpanoratra tantara aho” Talanjona i A.” Inona no karazana tantara soratanao? Tantara ara-politika?” ” Tsia, nanoratra tantaram-pitiavana aho”, hoy i H, miaraka amin'ny tsiky teny amin'ny endriny. “Mitarika fankahalana ny ve tantaram-pitiavana? Ahoana no mampitombina an'izany” hoy i A.” Tantaram-pitiavana nitranga teo amin'ny olon-droa avy amin'ny vondrom-poko samihafa izany “, hoy i H.,” ary nitranga talohan'ny fahatongavan'ny fitondram-panjaka tokana izany. Hitan’ izy ireo fa raha niteny aho fa nahavita zavatra sarotra noho ny fitiavana ny olona tamin'ny mbola tsy nisian'ny fitondram-panjaka tokana, dia mety azo atao ny zavatra hafa rehetra. “
Niato kely i H. “Izany no tantarako,” hoy izy. “Afaka manontany anao ve aho ankehtriny hoe hoe inona no tsy maha-meloka anao?” “Famonoana polisy manampahefana”, hoy i A. “Miala tsiny aho mandre izany,” hoy i H. “Nandre aho fa androany ny fitsarana izany. ” “Aza manahy. Efa nihavana tamin'ny anjarako aho “, hoy i A.” Maninona a?! Tapa-kevitra hiala an-daharana ve ianao? “, Hoy i H tamin'ny bitsika miahiahy. Namaly tamim-pahatoniana i A hoe: “Tsy miala an-daharana aho. Nanaiky ny zavamisy fa nanao izay azoko natao aho fa tsy manan-tsafidy intsony.”
“Hanaiky tsy maintsy ho faty noho ny heloky ny olon-kafa ianao?! Lazao ahy azafady hoe ahoana no nilazana anao fa meloka? ” hoy i H.”Nanolotra fijoroana vavombelona nosoniavina aho fa tany am-piasana tamin'ny fotoana nitrangan'ny loza. Nanapa-kevitra tsy hiraharaha ny fisian'izany ny mpitsara. Hoy i A.
“Mazava ho azy fa tsy hiraharaha tokoa izy”, hoy i H. “Mora kokoa ny mahita olona meloka. Mamarana ny fanadihadiana izany. Ary tsy zava-dehibe ny fahitana izay meloka. Raha ny marina, tsy miraharaha ny olona ny fitsarana ara-poko: novonoina ny iray “amintsika”, ka tsy maintsy mizaka izany ny telo “amin'izy ireo”. Hifaly avy eo ny olona avy etsy ankilany. Na dia ny haino aman-jery aza hanadino hilaza izay zavatra momba anao. Hoesorina aminao izay rehetra mamaritra anao. Holazaina fa mpikambana ao amina vondrona ara-poko iray ianao. Hahazo valisoa ny mpitsara; hahazo fifanarahana vaovao mitentina an-tapitrasany ny rahalahiny sy ny rainy”
Nanontany i A: “Nahoana no tsy nanoratra momba izany ianao teo aloha?” Hoy i H namaly: “Tsy ara-dalàna izany. Sao ho voaheloka amin'ny fanaratsiana manampahefana ambony aho.”
“Tsy zava-dehibe izany ankehitriny”, hoy i A. “Manantena aho fa hoavy alohan'ny hanatanterahana ny didim-pitsarana ahy ny fiovana.” Tezitra i H: “Mihevitra ianao fa hitondra fiovana ireo izay nahavita nandatsaka ain'olona marina? Tsy hitanao ve ny fomba fampiasan'izy ireo ny teny toy ny hoe herim-po, voninahitra, faharetana, fitsipika sy ny hafa mba hanehoana fa ara-dalàna ny ataon'izy ireo, kanefa mamela lehilahy tsy manan-tsiny hovonoina noho ny helok'izy ireo? “Namaly tamim-pahatezerana ihany koa i A:” Ahoana no ahafantaranao fa tena nanao zavatra tsy mety izy ireo? “Satria namoaka didim-pitsarana nilaza izany, “hoy i H.. “Indray andro, nisy bilaogera iray tafaraka tamiko tato amin'ny efitra figadrana. Nolazainy tamiko fa nosamborina noho ny zavatra notakian'ny olona izy, dia ireo olona izay miaro ny famotsorana azy ireo ihany. Saingy tsy te hanadihady lalina izy ireo ary nanonona izay tompon'andraikitra. Na dia vondrona mahery fihetsika be aza tsy hamafa ny anaranao. “
Satria nijanona ny fiara ary nitsangana hiambina ireo gadra hivoaka ny mpiambina, dia nanao fangatahana farany tamin'i A i H. “Miangavy anao aho: Aza mandao. Aza avela hahatonga anao ho famenon'ny antontan'isa fotsiny izy ireo. Asehoy ny rehetra fa tahaka azy ireo ihany koa ianao, fa hitanao izay hitan'izy ireo, ary tsapanao ny fomba fahatsapan'izy ireo, fa raha maty ianao dia hamela reny ao anaty alahelo lehibe, tsy tsy zavatra natao hiadiam-barotra ara-politika ny fiainanao. “
Ity tantara ity, araka ny voalazako, dia noforonina ihany. Tsy misy firenena eto an-tany manasazy olona tsy manan-tsiny hovonoina ho faty. Ary tsy misy olona voasazy ho faty miandry fanavotana.
Lahatsoratra anaty sokajy Ny Tetezana - The Bridge, manasongadina soratra, eritreritra, fanehoankevitra ary fanadihadiana tsy nalaina tàhaka avy amin'ny fomba fijerin'ny tsirairay ao anatin'ny fikambanana Global Voices. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra anaty sokajy Ny Tetezana - The Bridge, manasongadina soratra, eritreritra, fanehoankevitra ary fanadihadiana tsy nalaina tàhaka avy amin'ny fomba fijerin'ny tsirairay ao anatin'ny fikambanana Global Voices. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...