Mpifaninana Mozambikana nahazo ny fifaninanana bodybuilding manerantany tao Hong Kong

Bruno Saraiva vence prémio de Hong Kong | foto cedida por Bruno (20.04.2019)

Bruno Saraiva nahazo ny loka tany Hong Kong | sary nomen'i Bruno (20.04.2019)

Nandresy tamin'ny fifaninanana bodybuilding iraisampirenena notanterahana tany Hong Kong, tamin'ny 17 Avrily lasa teo, ilay atleta mozambikana Bruno Saraiva.

Taorian'ny nandreseny ireo mpifaninana miisa dimy, nahazo ny laharana voalohany ity atleta ity teo amin'ny sokajy bodybuilding klasika, ny sokajy malaza sy manandanja indrindra amin'ity hetsika ity, izay mitady hoe iza no atleta mahay mampiseho indrindra ny habokonan'ny hozatra amin'ny paozy isankarazany.

Mbola nobatain'i Bruno ihany koa ny fandresena nifaninanan'ny tsara indrindra amin'ireo zana-tsokajy rehetra.

Nandray anjara tamin'ny sokajy miisa telo izy tamin'ny fifaninanana Bodybuilding tao Hong Kong: bika atletika lehilahy, bika manendrika indrindra ho an'ny lehilahy, maodelim-panatanjahatena lehilahy. Kasaina hotontosaina amin'ny 23 jona ho avy izao ny fifaninanana.

Ho valin'ny fangatahanay nalefa tamin'ny karajia Facebook tamin'ny fizotran'ny fifaninanana, nosoritan'i Saraiva fa io no fandraisany anjara fifaninanana voalohany nataony, ary voafetra ihany koa ny fotoana nananany nanaovany ny fanomanana:

Eu fui preparado pelo Castro Cazé em apenas poucos dias e lá fomos fazer as inscrições, e ele disse Bruno tu vais fazer a categoria que eu sempre quis que fizesses: a mais conhecida por Classic Physique e logo na minha primeira aparição ganhei na minha categoria e fui ganhar ainda o overall, como se fosse chamar todos os primeiros lugares da tua categoria.

Andro vitsivitsy monja no nanazaran'i Castro Cazé ahy dia avy eo izahay nandeha nisoratra anarana, ary niteny izy hoe hataonao ry Bruno ny sokajy izay tiako foana hatramin'izay mba hataonao: dia ilay iray fantatra indrindra hoe Bika Klasika ary vao naseho voalohany aho dia azoko ny sokay misy ahy ary azoko ihany koa ny sokajy itambaran'ny rehetra, araka izay iantsoana azy amin'ny filaharana voalohany rehetra amin'ny sokajy misy anao

Zohian'olona mihoatra ny 24 000 ao amin'ny kaontiny Instagram, maodely ho an'ny mpanabokonozatra ao Mozambika i Bruno, izay monina ao an-drenivohitra Maputo.

Araka ny filazan'ny Wikipedia rehefa manondro ny bodybuilding:

Bodybuilding is the use of progressive resistance exercise to control and develop one's musculature for aesthetic purposes. An individual who engages in this activity is referred to as a bodybuilder. In competitive bodybuilding, bodybuilders appear in lineups and perform specified poses (and later individual posing routines) for a panel of judges who rank the competitors based on criteria such as symmetry, muscularity, and conditioning.

Ny Bodybuilding dia ny fampiasam-batana fifaharana tsikelikely hifehezana sy hampivoatra ny habokonan-kozatry ny olona iray ho amin'ny tanjona estetika (maneva). Izay olona mirotsaka amin'izany kotrana izany dia tondroina ho bodybuilder. Amin'ny fifaninanana bodybuilding, milahatra [samy manatrika ny mpijery-mpitsara] ny bodybuilders ary samy manao paozy manokana (ary aty aoriana moa dia ny fanaovana paozy mahazatra zary tsianjery ataon'ny tsirairay) manoloana andiam-pitsara izay mandahatra ny mpifaninana araka ny mason-tsivana tahaka ny firindran'ny toe-batana, ny habokonan'hozatra, ary ny fahazakana.

Naneho ny hafaliany tamin'ny nahazoany loka tao Hong Kong i Saraiva tao amin'ny tsanganana Instagram:

Obrigado pela vitória senhor. É com muita alegria que tenho o prazer de anunciar e compartilhar com todos vocês a minha vitória na categoria Classic Physique e tendo vencido o overall na competição global clássica em Hong Kong.

Misaotra anao tamin'ny fandresena ry Tompo. Amin-kafaliana tokoa ny ilazako ny fahafinaretako aminareo sy mizara aminareo rehetra ny fandreseko tamin'ny sokajy Bika Klasika sy ny nahazoako ny laharana voalohany tamin'ny sokajy rehetra tamin'ny fifaninanana ankapobeny eto Hong Kong

Tamin'ny tsanganana hafa anefa i Bruno nampahatsiahy indray ny fahasarotana nianjady taminy talohan'ny nahatongavany tao Hong Kong:

Por favor meu amigo/a leia esta mensagem com muito carinho, porque essa é a mais pura realidade, não tenho vergonha de dizer e sei que muitos vão se emocionar: quando estava pra vir a Hong Kong pra competir andei em vários sítios batendo as portas pedindo apoio, falei com varios amigos que alguns eu tinha a certeza que pudessem ajudar, e as respostas de alguns eram:

1. Bruno tu não vas conseguir ou seja não tens chances de ganhar e nem de ficar entre os melhores;
2. Outros diziam que não me podiam ajudar porque seria deitar fora o dinheiro;
3. Outros ate disseram Bruno você deve fumar muita maconha.

Miangavy ry namana mba hamaky ity hafatra ity ao anatin'ny fahalalahan-tsaina, satria ity ny zavamisy madio, tsy menatra aho milaza azy ity ary fantatro fa ho maro no hamaly tafahoatra: raha ho any Hong Kong aho hifaninana dia nivezivezy tamin'ny toerana maro nandondòm-baravarana hitady fanohanana, niresaka tamin'ny namana maro aho izay nitokisako fa ho afa-nanampy, fa ny valiny azoko dia hoe:

1. Bruno tsy hanao an'io aho na tsy hanana herijika ny handesy ianao na hahazo ny famaranana ho anisan'ny tsara indrindra;
2. Ny hafa nilaza fa tsy afa-manampy ahy ry zareo satria ho fanariam-bola fotsiny izany;
3. Ny hafa aza moa dia nahateny mihitsy hoe Bruno ô nifoka rongony be loatra angamba ianao io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.