Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Febroary, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Mainty tamin'ny Febroary, 2018

Inona No Novakian'ireo Mpamaky Global Voices Hatramin'ny Herinandro Lasa ?

Tamin'ny herinandron'ny 5-11 Febroary 2018 nahasarika mpamaky ny Global Voices avy any amin'ny firenena 195 ireo tantara sy lahatsoratra nadika !

Afrika Atsimo: Ny Kianjan'I Nelson Mandela 

Mampiseho ny sarin'ny Kianjan'i Nelson Mandela sasany ao Johannesburg, Afrika Atsimo ny Mzansi Afrika, izay toa maneso fa hita ao amin'ny faritra ny "toeram-pivarotana lehibe indrindra sy ny toeram-pisakafoanana maro....

Nyota Ndogo, Mpihira Afrikana, Manana Klioban'ny Mpiondana an-Tserasera

Raha mahita ny lahatsoratra amin'izao fotoana izao ao amin'ny bilaoginy isika, hita fa mahafehy tsara ny fampiasana blaogy i Nyota. Indrisy anefa fa tsy azo lazaina ho toy izany ireo mpanakanto maro hafa any Afrika Atsinanana, satria tsy nahita bilaogy na mpanankanto hafa ny mpanoratra ity lahatsoratra ity.

Ireo Mpandresy Tamin'ny Loka Bilaogy Afrika Atsimo 2010

Nambara tamin'ny 25 Septambra 2010 tamin'ny lanonana fankalazana isan-taona tao amin'ny hotely One & Only, Cape Town ireo mpandresy tamin'ny Bilaogy Afrika Tatsimo Tsara Indrindra 2010.

Kongo (RDC): Volokano Ahiana Hipoaka

Nitatitra ny onjampeo Kongoley iray tao an-toerana fa nihetsiketsika be ny volkano Nyamulagira akaikin'i Goma, famantarana fa mety antomotra ny fipoahan'izany.

Zimbaboe: Voasakana Ny Bilaogiko!

Ny Zoma 20 Martsa 2009, voasakana ny bilaogy Zimbaboeana, Peace, love & happiness unto the whole world . Namoaka lahatsoratra fohy momba izany ny mpanoratra ny bilaogy, Eusebia,  ary nilaza hoe: "...Tsy manaiky ny ho voasivana aho na ampitahorina hangina satria fantatro ny zoko maha-olombelona manana fahalalaham-pitenenana ... "

Milaza Ny Filohan'i Ghana Fa Tsy Maintsy Miala Amin'ny ‘Toe-tsaina Tia Miankina’ Amin'ny Fanampian'ny Tandrefana i Afrika

Nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety natao tamin'ny Novambra 2017 niaraka tamin'ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron,  nanambara ny filoham-pirenena Ghaneana Nana Akuffo-Addo fa tsy maintsy miala amin'ny "toe-tsaina tia miankinan-doha" amin'ny fanampiana Tandrefana ny Afrikana ary hitady fahafahana ara-barotra mitovy.

Somalia: Mampiasa Tanora Keniana Hiady Ve Ny Governemanta?

Ity no famintinana voalohany tamin'ny bilaogy Somaliana ny taona 2009. Eny, nandritra ny herintaona mahery ny mpamorona ity lahatsoratra ity no niala tamin'ny bilaogy saingy niverina soamantsara izy.

Ilay Vehivavy Manankarena Indrindra Ao Afrika Voaroaka Tao Amin'ny Orinasa Nasionaly Mpamokatra Solika Tao Angolà

Fiantombohan'ny faran'ny fitondran'ny vondron'i Dos Santos ve ?

Mitombo Ny Ahiahian'ny Ogandey Mikasika Ny Valan'aretina Tazo Mahafaty

Nampitebiteby ny mponina ny fahafatesan'i Bridget Nalunkuuma, sivy taona tao an-tanàna afovoan'i Ogandà, Nakaseke fa mety voan'ny aretina avy amin'ny tazo misy fahaverezan-drà (fièvre hemoragique) Krimeana-Kongo izy. Milaza anefa ny governemanta fa mbola tsy misy ao amin'ny firenena ilay valan'aretina.