Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Kongo (RDC): Volokano Ahiana Hipoaka

(Marihana fa tamin'ny 6 Febroary 2009 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nitatitra ny onjampeo Kongoley iray tao an-toerana fa nihetsiketsika be ny volkano Nyamulagira akaikin'i Goma, famantarana fa mety antomotra ny fipoahan'izany. Nizara tao amin'ny bilaoginy (8 Febroary 2009) ny fanazavan'ny olona iray mpifanolo-bodirindrina taminy amin'ny antony mety mahatonga ny fipoahan'ny volkano ilay bilaogera Cedric Kalonji.

Bien que la ville de Goma ne soit pas directement menacée, tout le monde s’y prépare. Face aux éruptions volcaniques et aux dégâts qu’elles entraînent, chacun a sa théorie. La plus folle, c’est celle d’un de mes voisins, un vieillard qui a vécu plusieurs éruptions. « Les ancêtres sont mécontents, il faut trouver un moyen de les calmer », affirme-t-il. Le vieux va jusqu’à qualifier de “maudit” le quartier Office, le plus touché lors de l’éruption du Nyarangongo du 17 janvier 2002. « Ce quartier a été totalement rasé et englouti par la lave à cause de la prostitution, des vols, escroqueries, et autres dépravations de mœurs qui y avaient élu domicile. Cela ne plaisait plus aux ancêtres, d’où la décision de le nettoyer », soutient-il.
Suivant le raisonnement de ce vieux voisin, je me pose une question : si ces ancêtres existent réellement et s’ils peuvent punir ceux qui se comportent mal , pourquoi n’interviennent-il pas afin d’alléger un tant soit peu la souffrance de cette population ?

Niomana ihany ny rehetra na dia tsy voakasika mivantana aza ny tanànan'i Goma. Manoloana ny fipoahan'ny volkano sy ny fahasimbana mety ho aterany dia samy nanana ny heviny ny tsirairay. Ny tena nahavariana dia ny hevitry ny lehilahy lehibe iray mpifanolo-bodirindrina tamiko, izay efa nahita sy niaina fipoahana volkano maro. “Tsy faly ireo razambe, tsy maintsy tadiavina ny fomba hampitoniana azy ireo”, hoy izy.  Niantso ho “voaozona” ilay faritra tena voakasika tamin'ny fipoahan'ny Nyarangongo tamin'ny 17 Janoary 2002 ilay lahy antitra. ” Rava tanteraka sy rotidrotiky ny ranoka volkano ity faritra ity noho ny fivarotan-tena, ny halatra, ny fangalarana ary ny fanimbana ny fomba ara-moraly hafa. Tsy nahafaly ireo razambe izany, ka izany no nahatonga ny fanapahan-kevitra tamin'ny fanadiovana izany, ” hoy izy.
Rehefa nisaintsaina ity hevitr'ilay lahy antitra mpifanolobodirindrina tamiko ity aho dia nanontany tena hoe: raha tena misy tokoa ireo razambe ireo ary raha tena afaka manasazy ireo izay manao ratsy izy ireo nahoana izy ireo no tsy mirotsaka an-tsehatra mba hanamaivanana ny sasany amin'ny fijalian'izao mponina izao ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.