Ireo Mpandresy Tamin'ny Loka Bilaogy Afrika Atsimo 2010

(Marihana fa efa tamin'ny volana Septambra taona 2010 ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanomboka tamin'ny taona 2005 ny Loka Bilaogy Afrikana Tatsimo mba hampisehoana ny bilaogy tsara indrindra ao Afrika Atsimo izay nofidin'ny daholobe. Natao tanelanelan'ny 2 ka hatramin'ny 27 Aogositra 2010 ny fanendrena ho an'ny Loka Bilaogy Afrikana Tatsimo 2010. Ireo kandidà folo voalohany voatendry isaky ny sokajy no niditra tamin'ny dingana fifidianan'ny daholobe. Nalefa tany amin'ny mpitsara manapa-kevitra amin'izay mpandresy isan-tsokajy ny vokatra. Ny mpandresy amin'ny ankapobeny dia nofidin'ireo mpitsara tamin'ny fifantenana ireo mpandresy isan-tsokajy.

Nambara tamin'ny 25 Septambra 2010 tamin'ny lanonana fankalazana isan-taona tao amin'ny hotely One & Only, tao Le Cap ireo mpandresy. Lasan'i Watkyk ny lokan'ny Bilaogy Afrika Tatsimo Tsara Indrindra 2010. Amin'ny teny Afrikaans ny bilaogy.

Ireto ambany ireto ny mpandresin'ny Loka Blaogy Afrikana Tatsimo taona 2010 tamin'ny sokajy miisa 25:

Bilaogy madinika Ogilvy (Twitter) ny Taona: Mandy Watson
Bilaogy Media sy Haivarotra Ogily Tsara Indrindra: CherryFlava
Bilaogim-Pitsidihana Kulula Tsara Indrindra : Gateway South Africa
Bilaogy Maitso “Old Mutual” Tsara Indrindra: Sprig
Bilaogim-Panatanjahantena “Evox Advanced Nutrition” Tsara Indrindra : Paddle Sweep
Bilaogin'ny Sekolim-Pihariana UCT Tsara Indrindra: Memeburn
Bilaogim-Panaigoana “Havana Club Rum” Tsara indrindra: Indie Berries
Bilaogin-Damaody “Jameson Whisky” Tsara Indrindra: Kim Gray
The Olmeca Edicion Black, Bilaogy Tsara Indrindra momba ny Mozika: Don't Party
Bilaogim-Piainana Maharay Aman-dReny: Reluctant Mom
Bilaogy Manokana Tsara Indrindra: Indie Berries
Bilaogin'Orinasa Tsara indrindra: RLabs
Bilaogy Maha Be Adihevitra Indrindra: 2OceanVibe
Bilaogin-Teny Tompotany Tsara Indrindra : Watkykjy
Vondrom-Bilaogy Tsara Indrindra: RLabs
Blaogy Fandraketam-pep/Lahatsary Bilaogy Afrikana Tatsimo Tsara Indrindra: ZA News
Bilaogy Siansa sy ny Teknolojia Tsara Indrindra: She's the Geek
Bilaogy Sakafo sy Divay Tsara Indrindra: Simply Delicious
Bilaogy RE/MAX Vaovao Tsara Indrindra: Simply Delicious
Bilaogy Saripika Tsara indrindra: www.guywithcamera.co.za
Bilaogy Tsara Indrindra miresaka Politika: Wonkie
Bilaogy Afrikanina Tatsimo Ampitan-Dranomasina Tsara Indrindra: Pharside
Bilaogy Fialamboly “Exclus1ves” Tsara Indrindra : 2OceanVibe
Lahatsoratra Tsara indrindra ao amin'ny Bilaogy Afrikana Tatsimo): Marketing District 9: The Web – A brainwavez.org Film Feature
Bilaogy TV/Radio Tsara indrindra): The Big Breakfast Blog: East Coast Radio

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.