Zimbaboe: Voasakana Ny Bilaogiko!

(Tamin'ny 30 Martsa 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny Zoma 20 Martsa 2009, voasakana ny bilaogy Zimbaboeana, Peace, love & happiness unto the whole world. Namoaka lahatsoratra fohy momba izany ny mpanoratra ny bilaogy, Eusebia, ary nilaza hoe: “Tsy fantatro ny antony nanakanana ny bilaogiko … Tsy manaiky ny ho voasivana aho na ampitahorina hangina satria fantatro ny zoko maha-olombelona manana fahalalaham-pitenenana … “

Fantatray taorian'ny nanontanianay azy momba ny vaovao bebe kokoa fa niezaka nanakana ny bilaoginy nandritra ny roa herinandro ilay “olona” izay noresahany .

Misy manakana ny bilaogiko , hoy ny lohatenin'ny lahatsorany mikasika izany:

Someone is blocking my blog and I am posting this article merely to show that person that I can go around the blocking and still be able to access my blog and actually post whatever I want on it.
I have no idea why my blog is being blocked and whatever the reason is it has made me even more determined to post more controversial or provocative articles. I refuse to be censored or cowered into silence by anyone because I know my human right of freedom of expression and am determined to exercise it to the full.

Misy olona manakana ny bilaogiko ary mamoaka ity lahatsoratra ity aho mba hanehoana amin'io olona io fa afaka miala amin'ny fanakanana ary mbola afaka miditra amin'ny bilaogiko sy mandefa izay tiako ao anatin'izany aho.
Tsy fantatro ny nahatonga ny fanakanana ny bilaogiko ary na inona na inona anton'izany dia vao mainka izany nandrisika ahy hamoaka lahatsoratra mampiady hevitra sy mihantsy kokoa. Tsy manaiky ny ho voasivana aho na ampitahorina hangina satria fantatro ny zoko maha-olombelona manana fahalalaham-pitenenana ary nanapa-kevitra ny hampihatra izany manontolo aho.

Nampanantena izy fa mbola hiverina miaraka amin'ny lahatsoratra mampiady hevitra kokoa:

WILL BE BACK ON MY BLOG WITH A CONTROVERSIAL ARTICLE ONCE I FINISH WRITING MY ASSIGNMENTS.

MBOLA HIVERINA ETO AMIN'NY BILAOGIKO AHO MIARAKA AMIN'NY  LAHATSORATRA MAMPIADY HEVITRA RAHA VAO VITAKO NY ASA HAFA .

Tamin'ny taona 2007,  namorona ny lisitra maintin'ny tranonkala miisa 41 ny governemanta Zimbaboeana, izay nahitana ny Global Voices. Tamin'io taona io ihany, no nandaniana ny volavolan-dalàna mikasika ny Fanakanana ny Fifandraisana.  Manome ny governemanta ny fahefana sy ny zo hanara-maso ny zotra paositra, finday ary aterineto any Zimbaboe ity lalàna ity.


** Afaka manao antso any amin'ny Global Voices Advocacy, tetikasan'ny Global Voices ireo bilaogera tratran'ny olan'ny sivana, ity tetikasa ity dia mikasa ny hanangana ny tambajotra iraisam-pirenena manohitra ny sivana ho an'ny bilaogera sy ny mpikatroka antserasera any amin'ny firenena an-dalam-pandrosoana ary natokana hiarovana ny fahalalaham-pitenenana sy ny fidirana malalaka amin'ny vaovao antserasera .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.