Netizen report : Lohataonan'ireo Lalàna Manohitra Ny Heloka Bevava Atao Amin'ny Aterineto

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2015)

Graphic by 7iber (CC BY-NC-ND 2.0)

Sary fanaingoana an'ny 7iber (CC BY-NC-ND 2.0)

Ny tatitry ny Netizen avy amin'ny Global Voices Advox dia manolotra topimaso iraisam-pirenena mikasika ireo fanamby, fandresena ary firehana vao mipongatra momba ny zo amin'ny aterineto sy ny fahalalahana nomerika erantany.

Mitosaka be erantany tamin'ny volana Aprily 2015 ireo lalàna vaovao mikasika ny heloka bevava atao amin'ny aterineto. Ireo lalàna vaovao izay kononkononin'i Ejipta, Pakistana ary Tanzania dia maniry ny hiady amin'ireo fandikandalàna maro atao ety anaty aterineto. Na izany aza, mampiditra loza mitatao maro izany, raha tsy hoe tena betsaka mihitsy aza, ho an'ny zo fototra ananan'ireo mpampiasa aterineto.

Ao Pakistana, ho avy tsy ho ela ny fandinihana ao amin'ny Antenimieram-Pirenena ilay volavolan-dalàna mikasika ny Fisorohana ireo Heloka Elektronika . Raha lany  ilay lalàna dia hanitatra amin'ny fomba tena manan-danja ny famaritana ny atao hoe fandikandalàna anaty tranonkala. Hanameloka an'ireo tsikera politika sy ireo endrika hafa fanehoankevitra amin'ny tambajotra izy, hanome alalàna an'ireo tomponandraikitra ihany koa hanakana ny fanapariaham-baovao rehetra (anisan'izany ny vohikala aterineto) raha misy fiantraikany “amin'ireo tombontsoa ara-pinoana, filaminana na fiarovana an'i Pakistana, ireo fifandraisany ara-diplomatika, ny filaminam-bahoaka, ny fahaizamiaina sy ireo fitondrantena  tsara”. Mametraka mason-tsivana vaovao ihany koa ity lalàna ity mikasika ny fanangonana an'ireo angondrakitra ho an'ireo mpamatsy tolotra anaty tambajotra no sady manome traikefa vaovao ho an'ireo masoivohon'ny governemanta mba hahazoana angondrakitra momba an'ireo mpampiasa sy hifanakalozana izany miaraka amin'ireo governemanta hafa, anatin'izany i Etazonia.”.

Ao anatin'ny lahatsoratra iray natokana ho an'ireo tsy fahombiazan'ilay tetikasa, ny gazetim-pirenena Express Tribune dia manasokajy ilay andinin-dalànaho toy ny “fandrahonana, saika ireo mpisehatra rehetra amin'ny aterineto mihitsy, fa tsy fiarovana azy ireo amin'ny heloka bevava atao amin'ny aterineto”. Namoaka fanambaràna iray maneho ny ahiahiny mikasika an'ireo andinin-dalàna natolotra ireo ny ONG toy ny Human Rights Watch, Article 19, Digital Rights Foundation Pakistan ary ny Bolo Hobi. Tonga hatramin'ny fanangonan-tsonia anaty tambajotra izany, mangataka ny tokony hanaovan'ny mpanao lalàna fitsapankevi-bahoaka, mialohan'ny hirosoana amin'ny fandatsaham-bato.

Ny governemanta Ejiptiana dia nanamafy volavolan-dalàna iray mikendry ny hametahana marika miafina amin'ireo fomba marobe fanao ho an'ny fanaraha-maso sy ny “fiarovana” ara-nomerika efa lasa fahazarana eo ambany fahefan'ny governemanta eo an-toerana. Araka ny lazain'ny tranonkalam-baovao Alarany, ilay lalàna dia afaka hitondra anao hatramin'ny figadràna mandrampahafaty raha maniratsira finoana sy manao heloka anaty serasera (teny arabo) natao mba hanakorontanana ny filaminambahoaka, na hampidi-doza ny fiarahamonina, na mety hitondra amin'ny hanohintohina ny firaisan'ny vahoaka sy ny filaminana sosialy. Miandry izay handaniana azy ilay tolodalàna.

Mandritra izany fotoana izany ao Tanzania, tamin'ny 1 Aprily 2015, nolanian'ny Parlemanta ny lalàna iray mitovy karazana amin'izany, izay hamadika ho zavatra tsy ara-dalàna ny famoahana vaovao “mamitaka sy diso” ary manome fahefana midadasika kokoa ho an'ny polisy hahafahany misava sy manao fanadihadiana. Helohin'ilay andinin-dalàna ihany koa ny fandefasana amin'ny alàlan'ny fitaovana elektronika ireo vaovao “tsy nahazo fankatoavana mialoha”. Lazain'ireo mpikatroka fa ankamehana no nandrafetan'ny parlemanta ilay andinin-dalàna, ary manome fahefana be loatra tsy misy fanarahamaso ho an'ireo manampahefana.

Nieren-doza tamina fanafihana mahery setra tao Tiorkia ireo blaogera Siriana

Mpikatroka ho an'ny zon'olombelona sady mandray anjara amin'ny Global Voices i Assad Hanna. Voatafika sy voatsatok'antsy in'efatra nisesy teo amin'ny kibony ity farany, tao an-tranony tao Istanbul tamin'ny 20 aprily lasa teo. Tamin'ny fitantarana teo amin'ny Facebook, manoratra izy fa “tsy miampanga na iza na iza aho saingy tsy afaka hino fa fifanandrifian-javatra iny satria io olona namono ahy io nandondòna tao am-baravarako, nanafika ahy ary tsy naka na inona inona tao an-tranoko. Efa niantefàna fandrahonana avy tamina vondrona samihafa aho”

Finoana an-jambany: sakanan'i Shina ireo avatar miteraka resabe ara-politika

Ireo solonanarana sy sary momba ny tena no farany tamin'ny lasibatr'ireo fepetra sinoa amin'ny resaka informatika. Helohin'ireo fepetra vaovao ireo ny fampiasàna avatar na maripanondroana niomerika “manitsakitsaka ny lalàna velona, miteraka loza mitatao ho an'ny fandriampahaleman'ny firenena na mamotika ny firaisankinan'ny foko”.  Andro vitsy talohan'ny hampanan-kery ilay fepetra vaovao, 60.000 mahery ireo mpampiasa tambajotra sosialy no nahita fa ‘nodiovina’ ny kaontin-dry zareo. 7.000 hafa no nanaraka taorian'izay. Na hafahafa toy inona aza ny fahitàna azy, nataon'ireo manampahefana lasibatra ny fomba fanaon'ireo mpampiasa tambajotra sosialy mampiasa ny maripanondroana azy ireo ety anaty tontolo niomerika sy ny sary momba azy mba hanaovana resaka politika. Tamin'ny fararano tamin'ny taona lasa, ohatra, marobe ireo sinoa mpampiasa aterineto no nanova ny sariny ho lasa sarinà elo, ho fanehoana firaisankina tamin'ireo hetsi-panoheran'ny mpandala demaokrasia tao Hong-Kong. Hatreto, hita fa toa mila miafina ireny elo ireny.

Resaka tsy fitanilàn'ny aterineto, averin'ny orinasa indiana iray amin'ny toerany ny Facebook.

Nialàn'ireo orinasa indiàna momba ny teknolojia ilay hetsika santatra internet.org an'ny Facebook.  Heverin'izy ireo fa misy loza mitatao ho an'ny fotokevitry ny tsy fitanilàn'ny aterineto ao anatin'izy io, satria voafetra ny fahafahana miditra aterineto ho an'ireo tranonkala sasantsasany. Milaza tena ho toy ny tetikasa iray mikatsaka ny hampihena ny fivakisana niomerika ny internet.org,  amin'ny alàlan'ny fanomezana aterineto ho an'ny ankamaroan'ny olona erantany, sy fahafahana mifandray. Kanefa, io fifandraisana resahan'ny Facebook io dia tsy ilay eritreretintsika, ny Facebook no mandoa ny saram-pifandraisana ,ho takalon'izay dia miaraka miasa amin'ireo orinasam-pifandraisandavitra izy mba hanolotra ho an'ireo mpampiasa aterineto andianà tranonkala mpanome tolotra fitadiavana asa, resaka fitsaboana, vaovao sy fanabeazana, ary tsy adino ny azy manokana, Facebook. Taorian'ny fandalovan'i  Mark Zuckerberg tao amin'ny Vovonamben'ireo Firenena ao Amerika, tsy maintsy niomana handray kiana tahaka izany ilay orinasa, avy amin'ireo mpikambana amin'ny vondrom-piarahamonina sivily ao Amerika Latina.

Elefanta iray hanaraha-maso faobe ao La Haye

Tamin'ny herinandro lasa, tao La Haye, nivory nandritra ny Fihaonambe Irasampirenena momba ny Habaky ny Aterineto ireo solotenam-panjakana sy ny avy amin'ny sehatra tsy miankina. Na marobe aza ireo resaka naompana ho an'ny zo fanajàna ny fiainana manokana,  teny amin'ireo tranoheva sy nandritra ilay fihaonambe, zara raha hita tao anatin'ireo antontan-kevitra farany tamin'ilay fihaonana ny filazana ny fianjadian'ny fanarahamaso faobe amin'ny resaka zon'olombelona. Tsy misy fahagagàna ho an'ireo mpiaro ny zo niomerika tonga nanatrika. Maro tamin'izy ireo aza no nanangana elefanta goavambe iray nabontsina amin'ny rivotra teo akaikin'ny toerana nivoriana – fanehoana ara-bakiteny ilay elefanta ao anaty efitrano (hilazàna ilay fomba fiteny anglisy hoe  “Elephant in the room”,  olana iray henjana, fantatry ny rehetra ary niniana nesorina tsy natao tao anaty adihevitra)

Mijanona ho #theElephantInTheRoom ho an'ireo governemanta ny fanarahamaso faobe, mitovy ihany koa amin'ny #GCCS2015 pic.twitter.com/LqzuRPmhCN

Tsinjo i Londra, tsinjo i Frantsa. Saingy moa ve mba tsinjo ny ‘algôritima‘ ampiasain'ny Google?

Tsy mitsahatra mitaty sy manangona ireo fanakianan‘ny Fiombonambe Eoropeana ny Google, izay manenjika azy ho manararaotra ny toerany mibahana be ao anatin'ny fikarohana momba ny aterineto, indrindra fa amin'ny fanomezana tombon-dahiny ireo tolotra azy manokana ao anatin'ilay Google Shopping Service. Nandeha lavidavitra kokoa ny antenimieran-doholona frantsay amin'ny nifidianany ilay tolodalàna hahafahana manery ity gaibe amerikana ity hamoaka izay any ambadiky ny algôritima fanondroana ampiasainy. Kihondàlana iray mety hitondra mangarahara misimisy kokoa.

Tamin'ny taona 2014, “fangatahana ho Fiarovana Nasionaly” niisa 0 ka hatramin'ny 249 no voarain'ny Github, vohikala ifandrimbonana fanoratana soratra-miafina.

Tao anatin'ny tatitra voalohany nalefany momba ny fangaraharàna, nilaza ny Github fa naharay baiko 10 mitaky ny mombamomba ireo mpampiasa, ka kaonty 40 no voakasik'izany. 0 hatramin'ny 249 ihany koa ny Fangatahana ho Fiarovana Nasionaly voarain'ilay tranonkala, nahakasika kaonty 0 hatramin'ny 249.  Asehon'ireo isa somary manjavozavo ireo ny endriky ny fanajànny Github ilay didy mahatsikaiky momba ny tsy famborahana ny taratasim-pifandraisana mahakasika ny Fiarovana ny Governemanta, ary mampiseho fa ilay tranonkala ifandrimbonana dia naharay, raha kely indrindra, fangatahana iray momba izany avy any amin'ny governemanta amerikana, na didy avy amin'ny Fitsarana amerikàna fanarahamaso momba ny Fitsikilovana Ivelany.

Fikarohana Vaovao

Nandray anjara tamin'ity tatitra ity i Ellery Roberts Biddle, Weiping Li, Hae-in Lim, Sarah Myers West, ary Mong Palatino

Fandriho amin'ny alàlan'ny imailaka ny Tatitry ny Mpisera

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.