Malawi : Ny fifidianana miaraka amin’ny Aterineto

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nahitana fomba fampiasana vaovao ny Aterineto ny fampielezan-kevitra fifidianana filoham-pirenena sy ny fifidianana parlemantera tao Malawi, ary tsy mbola fahita mihitsy tamin’ny tantara politikan’i Malawi. Nampahafantatra ny tenany tamin’ny alalan’ny tranonkalan’ny Aterineto, sy ny tambajotra sosialy Facebook ary ny bilaogy ireo Antoko sy ireo kandida olon-tsotra mba hisarihana ny sain’ireo mpifidy.

Kandidà miisa fito no neken’ny Vaomiera misahana ny fifidianana ao Malawi, ary azo antoka fa noho ny ezaka amin’ny fampahafantarana ny tenany sy ny mba hisarihana ny mpifidy azy ireo, izay mampiasa Aterineto ny ankamaroany, no antony hisehoan’izy ireo an-tserasera. Raha miditra amin’ny sehatra nomerika ireo mpanao politika dia tsy manana ny tranonkalany manokana kosa ny Vaomiera misahana ny fifidianana ao Malawi, ka nitarika ireo bilaogera sasany hitsikera noho ny tsy fisian’ny tranonkala Aterineto ofisialy.

Ny Antoko Demokratika Liam-pandrosona (Democratic Progressive Party):

Manana tranonkala sy kaonty ao amin’ny tambajotra sosialy Facebook ny Antokon’ny kandida Dr Bingu wa Muthanika, ankoatra ny bilaogin’i Dr Mutharika manokana.

Ny Fiaraha-mitantana Avana Vaovao ( New Rainbow Coalition, NARC) :

Na dia nilaza tamin’ny antsafa tao amin’ny onjam-peo aza ny kandidà Loveness Gondwe fa manana tranonkala ny antokony dia ny porofo mifanohitra amin’izany no nisy. Na izany aza, hita tao amin’ny bilaogy Malawi Politics ny mombamomba azy.

Ny Mandatehezana Antoko Demaokratika Miray (United Democratic Front , UDF) :

Tsy manana tranonkala ny UDF izay tsy nanolotra kandidà tamin’ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity. Na izany aza, manana tranonkala misoratra amin’ny anarany manokana ny kandidà izay arahin'ny antoko dia ny Filoham-pirenenan’i Malawi teo aloha, Bakili Muluzi, izay hita amin'ny lokon’ny antoko ihany. Mahatonga ny tranonkala hahazo tsikera ny fisiany an-tserasera, tahaka ny ao amin’ny bilaogy Anti-Muluzi izay araka izany anarana izany dia hita mazava fa manohitra ny firotsahany ho fidiana ho filoham-pirenena.

Kandidà tsy miankina amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena

Manana tranonkala manokana i James Nyondo, izay olona vaovao eo amin’ny sehatra politika aoy Malawi.

Ny Antokon’ny Kongresy ao Malawi (Malawi Congress Party, MCP):

Nanapa-kevitra ihany koa ny antoko tranainy indrindra ao Malawi, fa hanangana tranonkala sady mbola mitazona ilay tranonkala ôrizinaly ihany koa.

Raha tsy manambara ireo fandresen-dahatra rehetra velarin'ny antoko mandritra ireo fivoriana fanaony ireo ny mivoaka amin’ny Aterineto amin’izao fotoana izao, dia toa mahazo mpitsidika maro ny tranonkala vaovao noho ny finiavan'ny olona tia hamantatra bebe kokoa momba ilay antoko izay milaza fa efa niova. Avoakan'ireo fanehoan-kevitra sasany ho mahafinaritra kokoa amin'ny itazanana azy noho ny tranonkala hafa ity tranonkala ity amin’izao fanentanana fifidianana izao.

Tsy mbola manana tranonkala amin’ny anarany manokana ireo Antoko hafa toy ny ‘’Antokon‘ny Fiovam-Bahoaka’’ (People Transformation Party (Petra) izay an’i Kamzu Chibambo sy ny Antoko Repoblikana an’i Stanley Masauli.

Nampiasa ny Aterineto mba handefasana ny fandaharanasan’izy ireo any amin’ny mpifidy ireo kandidà tanora amin’ny fifidianana solombavambahoaka, toa an’i Chikondi Nkhoma avy any Lilongwe. Hita ao amin’ny Facebook ihany koa ity kandidà tanora ity. Nanana tranonkala izay niasa ( amin’ny lokon’ny DPP) i Dr Cornelius Mwalwanda avy ao Karonga, saingy toa nikatona izany taorian’ny fahareseny tamin’ny fifidianana savaranonando.

Milaza ny olona sasany fa toy ny fitaovana amin’ny Aterineto entina hanatanterahana ny tombontsoan’ny antoko politika iray tsy misy firaharahiana ny hafany vavahadim-baovao toy ny Nyasa Times .

Na dia voafetra ho iray isan-jato aza ny tahan’ny fidirana amin’ny Aterineto ao Malawi dia toa mahaliana ireo mponina Malawita marobe ity fivoarana ity ao amin’ny firenena sy any am-pielezana satria afaka mamaky sy mamantatra bebe kokoa momba ny kandidany izy ireo manomboka izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.