Lasa i Compoaré, Manadio Lalana sy Manahy Amin'izay Ataon'ny Tafika ny Fiaramonim-Pirenena Burkinabé

Saran Sereme, présidente du parti d'opposition CDP - via Manya Riche sur twitter

Saran Serémé Séré, filohan'ny antoko mpanohitra CDP – avy amin'i Manya Riche ao amin'ny twitter

Taorian'ny fandehanan'i Blaise Compaoré sy ny nandehanany sesitany tao Yamoussoukro, dia mbola najavozavo ny toe-draharaha amin'izay ho filohan'ny tetezamita mandra-pisian'ny fifidianana indray ao Burkina Faso.

Tao anatin'ny andro vitsivitsy monja dia maro ireo olona fana-daza no nanondro tena ho mitarika ny tetezamita : Ny Jeneraly Honoré Traoré nanondro tena ho filoha tamin'ny 30 oktobra nialoha ny nanakipilihan'i Lietnà-Kolonely Zida, lefitry ny lehiben'ny mpiambina ny filoha teo aloha. Efa novinavinaina ela ho mety azo raisina ho filoha ihany koa ny jenerany efa misotro ronono Kouamé Lougué. Nisy ihany koa ny kandidà fahaefatra avy amin'ny fiarahamonim-pirenena izay heverina ho nisongadina : Saran Sérémé Séré, filohan'ny antoko PCD sy iray amin'ireo nanomana ny fihetsiketsehana an-dalambe nantsoina hoe “revolisionan'ny solon-tsotro [spatules]” nanohitra ny fitondrana.

Tsy dia mankasitraka loatra amin'ny fandraifan'ny miaramila ny fahefana izao ny fiarahamonim-pirenena ao anatin'izao fotoana manjavozavo izao. Saran Sérémé Séré nanambara toy izao tao amin'ny pejiny Facebook :

Ne laissons pas prendre en otage notre révolution populaire. pourquoi des militaires, en l’occurrence le chef d’état major général des armées par ci et le chef d’état major adjoint de la sécurité présidentielle par là, se bagarreraient ils pour une présidence durant une période éphémère, transitoire et surtout pour la récupération d'une lutte menée par le digne peuple burkinabé?

Aza avela atao kendaroroka ny revolisionam-bahoakantsika. Nahoana no miaramila, hita amin'izany ny lehiben'ny etamazaoron'ny tafika etsy ankilany sy ny lefitry ny lehiben'ny etamazaoron'ny fiarovana ny filohampirenena etsy andaniny, no miady hahazoana ny fitantanana ho filoha ao anatin'ny fotoana miserana, tetezamita ary indrindra misintona ny bodofotsin'ny tolona nataon'ny vahoaka Burkinabé?

Niezaka ny hanao fanambarana tamin'ny radiom-pirenena ry Saran Sérémé sy ireo mpanohana azy hanambara ny fanapahan-keviny hitondra ny tetezamita saingy voatosiky ny mpitandro ny filaminana ry zareo :

Burkina Faso: Tifitra fampitandremana ao amin'ny Radio sy tele Borkinabe, fikoropahan'ny vondron'olona tao. Hanao fanambarana i Saran Sereme no nahatonga azy tao. Lahatsoratra…

Tsy nitolefika vetivety ny fifampihenjanana teo amin'ny fiarahamonim-pirenena sy ny tafika satria efa niantso sahady ny Burkinabés hanao fihetsiketsehana manohitra ny fandraisan'ny Lietnà-Kolonely Zida ny fahefana ny fiarahamonim-pirenena. Miezaka ny manome toky ny tanora ao Burkina izay angady nananana nandritra ny fihetsiketsehana nahatonga ny fianjeran'i Compaoré kosa i Zida. Mbola be fanahiana amin'izay fikasan'ny tafika ihany kosa anefa ny mpanohitra. Voalaza tokoa ao amin'ny Lalampanorenana burkinabé tokoa manko fa raha misy ny tranga tahaka izao dia ny filohan'ny Antenimieram-Pirenena no miantsoroka ny fitantanana vonjimaika raha misy ny “fahabangan'ny olona” eo amin'ny toeran'ilay fahefana. Salif Ouedraogo ao Ouagadougou nanamafy toy izao :

Nous sommes totalement contre la prise de pouvoir par les militaires. Nous réclamons un civil à la tête de l'État et demain nous allons nous regrouper place de la Révolution pour dire non au pouvoir militaire, même s'il faut que le peuple saigne davantage

Manohitra tanteraka ny fandraisan'ny miaramila ny fahefana izahay. Mitaky izahay ho sivily no eo amin'ny fitondrana ary rahampitso dia hivory eo amin'ny kianjan'ny revolisiona izahay hitsipahana ny fahefana miaramila, raha mbola tsy maintsy iharan'ny rà mandriaka bebe kokoa aza ny vahoaka

Nettoyage de la ville de Ouagadougou par les manifestants - avec la permission de Oeil d'Afrique

Fanadiovana ny tanàna tao Ouagadougou nataon'ny mpanao fihetsiketsehana – nahazoana alalana avy amin'i Oeil d'Afrique

Talohan'ny fifandonana farany teo alohan'ny radiom-pirenena izay niteraka fahafatesan'olona iray, dia nanome ohatra tamin'ny fanadiovana ny lalan'i Ouagadougou ny fiarahamonim-pirneena taorian'ny fihetsiketsehana nahazoana olona an-tapitrisany. Niantso n fitiavan-tanindrazan'ny olom-pirenena mba hampiverina ny fahadiovana sy ny filaminana ao an-drenivohitra ny vondron'olon-tsotra “Balai Citoyen”. Nisy tanora iray mpanao fihetsiketsehana nanazava ny mahazava-dehibe izao fihetsika izao :

Hier on a balayé un président et aujourd’hui, on balaie les rues. Il fallait casser aussi, pour montrer qu'on n'a peur de rien [..]. Mais après tout ce qu'on a fait, il fallait rendre la ville propre. Maintenant, les étrangers vont venir, c'est comme si de rien n'était.

Omaly isika namafa filoha iray ka anio isika mamafa ny lalana. Tsy maintsy natao ny namotika, ho fanehoana fa tsy matahotra na inona na inona [..]. Fa taorian'izay zavatra vita izay, dia tsy maintsy averina amin'ny fahadiovany ny tanàna. Ankehitriny, hoavy ny vahiny, dia mba ho tahaka ny hoe tsy nisy na inona na inona.

Mbola feno misitery tanteraka ny hoavy akaikin'i Burkina Faso. Fa efa nahafahana namarana ny fitondrana maharitra 27 taona nataon'ny filoha afrikana iray ny hetsika nataon'ny tanora burkinabé. Ny lahatsary eto ambany dia mamerina indray ny hetsika nataon'ny “balai citoyen” hisian'ny demaokrasia betsaka kokoa ao Burkina Faso :

Azo itokisana tanteraka fa hanaraka akaiky ny fivoaran'ny fihetsiketsehana ireo mpitondra afrikana mitady hanao fanitsiana mba hanitarana ny fe-potoana iasany (Repoblika demaokratikan'i Congo, Burundi, Congo Brazzaville, Bénin). Tsy misy intsony izany fahefana tazonina mandra-maty izany, anisan'ny voan'izany lesona izany i Compoaré.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.