Zambia: Nanome Baiko Hisambotra Ireo Vehivavy Manao Fitafiana Tsy Mendrika Ny Mpitsara

Nanome baiko ny polisy hisambotra ireo vehivavy manao fitafiana tsy mendrika (mitanjaka) ny mpitsara vehivavy ao amin'ny fitsarana ambony ao Zambia.

Matetika voatebaka imasom-bahoaka  ireo vehivavy ao Zambia ary indraindray voaboridana raha hita fa tsy mendrika ny fitafian'izy ireo, lohahevitra izay efa nosoratan’ny mpanoratra ity lahatsoratra ity tamin'ny bilaoginy nihoatra ny dimy taona lasa izay.

Ezaka hampihenana ny olana ny fanomezana izany baiko izany, saingy nisy ireo Zambiana sasany nanameloka ny mpitsara ho manome tsiny ankolaka ireo vehivavy amni'ny hetraketraka mahazo azy ireo.

Notaterina voalohany tao amin'ny pejy Facebookn'ny onjam-peo  Flava FM 87.7 ny fanambaran'ny Fitsarana, Rhoyda Kaoma, mpitsara tompon'andraikitra ao amin'ny Fitsarana ambony Kitwe, ary nieli-patrana haingana avy hatrany avy eo:

[…] Namporisika ireo polisy manampahefana hisambotra izay rehetra mitafy tsy mendrika ilay mpitsara ao amin'ny Fitsarana Faratampony Royda Kaoma mba hisorohana ny tranga herisetra mihatra amin'ny Vehivavy (GBV).
Mpitsara ao amin'ny Fitsarana Ambony Kitwe ihany koa Ramatoa Mpitsara Kaoma, manoloana ny ahiahy nisy teo amin'iray tamin'ireo vahoaka mikasika izay ho ataon'ny polisy amin'ireo fitafiana tsy mendrika eny an-koditr'ireo tovovavy sy vehivavy, nilaza izy fa tokony handray ny andraikiny ny polisy ary misambotra ireo izay hita fa tokony hosamborina.

Taorian'ny antso nataon'ny mpitsara Royda Kaoma, ny fanontaniana mipetraka dia:
Tokony hisambotra ireo vehivavy izay hita fa tsy mendrika ve ny polisy? […]

 

Justice Rhoyda Kaoma

Ramatoa Mpitsara Rhoyda Kaoma, ankavanana, sary tao amin'ny pejy Faceboon'i James Mwape, nahazoan-dalana ny sary.

Mafana ny fihetseham-po taorian'ny fanambaran'ilay mpitsara. Scott Davies naneho hevitra tao amin'ny tatitry ny onjam-peo tao amin'ny pejy Facebookny:

Hadalana tanteraka ny fanomezan-tsiny ireo vehivavy noho ireo lehilahy manao ny ataony!
Diso tanteraka ity fitsarana ity.

Afoben'ity ihany koa ity mpitsara ity.
Maninona raha arovana ny vehivavy manoloana ny fahadalàn'ny lehilahy sy ireo adala hafa izay mihevitra fa mpitsara izy ireo ary mpitsara sy mpampiboridana vehivavy.

Tahaka ny fanolanana rehefa misafosafo izy ireo ary miezaka sy mikasika ireo vehivavy.

Mpaneho hevitra hafa, Kingsley King Kaluba, niampanga ilay mpitsara ho vendrana:

Ny fampiharana ny lalàna, manazava izay lalàna manjavozavo ihany no andraikitry ny mpitsara fa tsy ny fanomezam-baiko ny polisy. Vendrana ity mpitsara ity. Lazaiko mihitsy fa nahazo ity toerana ity izy tamin'ny alalan'ny..katwishi mwe (Tsy manan-kevitra aho).

Saingy ny hafa tahaka an'i Gerald Sandundu kosa nanohana ny fanambaran'ilay mpitsara:

Raha efa nisy tranga teo aloha, ary nanaiky ny mpitsara avy eo ary nampihatra ny lalàna Zambiana, marina ny an'ilay mpitsara…amin'izay mba voaaro isika amin'ireo Ramatoa mila hitanjaka imasom-bahoaka mihitsy […] marina ny anao ramatoampitsara

Nitatitra tao amin'ny lahatsoratra amin'ny Facebook i James Mwape fa nandritra ny fiaraha-misakafon'ny Ligim-behivavy Katolika no nanambaran’i Kaoma mpitsara fa:

Tokony handray fepetra ireo polisy manampahefana manoloana ireo fitafiana tsy mendrika ary araka ny lalàna manan-kery, tokony tsy hisy ray aman-dreny hiaro ny zanany satria tahaka ny raharaha famonoan'olona tsy nahy sy ny vono olona ihany izany, rehefa  fandikan-dalàna dia fandikan-dalàna

Tokony handray fepetra ny polisy ary misambotra ireo izay mandika lalàna, tokony handray ohatra iray mihitsy aza izy ireo

Tamin'ny fanehoana hevitra tao amin'ny lahatsoratr'i Mwape i Caroline Nenguke Phiri no nitsikera ilay mpitsara ho manome tsiny ny fitafiam-behivavy fa tsy ny fitondratenan'ireo lehilahy:

Tena torolalana sy ezaka diso lalana! Tsy ny fanoroana ireo vehivavy ny amin'ny fomba fitafy no atao fa ny milaza amin'ireo lehilahy mba hitsahatra tsy hanolana azy ireo intsony!! Isika indray ve no hizaka ny fahotan'ireo lehilahy izay tsy mahafehy tena?? Tena ao tsara ve ianao??

Mbola nitohy ny adihevitra tao amin'ny Twitter, nanontany i Muleya Mwananyanda Muleya Mwananyand (@MuleyaM) hoe nahoana no mihemotra (manohitra ny fandrosoana) ny fomba fahazoana ny hevitry ny lalàna hamoahana didim-pitsarana zambiana

@MuleyaM: @senzian #GBV te hanitsy lalana ahy ianao? mpitsara iza? tranga inona? nahoana no mihemotra ny fomba fahazoana ny hevitry ny lalàna entina hamoahana didim-pitsarana Zed [Zambia]?

Nilaza ny sioka iray fa tsy mahafantatra izany fanambaran'ilay mpitsara izany ny fikambanam-behivavy ao amin'ny fitsarana:

@Manyanyato: Tsy mahafantatra ny fanambarana nataon'ilay mpitsara Roydahkaoma mikasika ny fitafiam-behivavy sy ny  #GBV ny fikambanana “Vehivavin'ny Lalàna sy ny Fandrosoana”

Na dia izany aza, hahagaga ihany raha tsy hihetsika hamaly ny fanapaha-kevitr'ilay mpitsara ny hetsiky ny vehivavy Zambiana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.