Tapaka fa amin'ny Alarobia faha-24 Jolay 2013 no hotanterahina ny fifidianana Filohampirenena any Madagasikara. Nisokatra ny Alatsinainy 8 Aprily hoan'ireo kandidà kosa ny fanaterana ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidiana. Araka ny tatitra nataon'i JR ao amin'ny vohikala aoraha.com, ireo kandidà efa nirotsaka sahady dia:
Tsy niandry ela fa kandidà telo avy hatrany no nirohotra nanatitra ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidiana amin’ny fifidianana Filohampirenena tetsy amin’ny birao misy ilay Vaomiera manokana misahana ny raharaham-pifidianana tetsy Ambohidahy, omaly [ndlr. Alatsinainy 8 Aprily] […] Praiminisitra lefitra misahana ny Fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo […] ny filohan’ny antoko Mts, Roland Ratsiraka […] ny mpitarika ny antoko Psdum, Lahiniriko Jean.
Narahin’ireo kandidà hafa avy hatrany:
Anio maraina no hanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana amin’ny fifidianana Filohampirenena etsy amin’ny lapan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana etsy Ambohidahy Dr. Jean Louis Robinson […] Omaly [ndlr. Alakamisy 11 Aprily] ihany koa no nanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana ny minisitry ny Raharahambahiny am-perinasa, Pierrot Rajaonarivelo
Isan'ireo izay nanambara ny faniriany ho kandidà Filohampirenena koa ry Edgard Razafindravahy, Vahombey, Dr Kolo Roger, Patrick Raharimanana ary Sylvain Rabetsaroana. Andrasana tsy ho ela ireo kandidà atolotr'ireo antoko politika hafa.
Vaovao farany: na dia tsy ampy enim-bolana aza no niverenany any an-tanindrazana [isan'ireo fepetra ilaina nofenoan'ireo kandidà] dia Rtoa Lalao Ravalomanana, vadin’andriamatoa Marc Ravalomanana, filohampirenena teo aloha no kandidà notendren'ny antoko politika TIM [Tiako I Madagasikara] [fr]:
c’est Lalao Ravalomanana, la femme de l’ex-chef d’Etat qui a été choisie [ndlr. par la mouvance Ravalomanana] comme candidate à la présidentielle. […] Marc Ravalomanana a décidé de ne pas rentrer à Madagascar