Fifaninanana Voalohany Indrindra Mikasika ny Media Sosialy ao Ghana

Tonga ny valin'ny fifaninanana ho an'ny media sosialy sambany vao nisy tao Ghana.

Olona sy fikambanana 13 no nomena loka tamin'ny 23 marsa 2013 noho ny fampiasan'izy ireo miavaka ny media sosialy tamin'ny famoronana votoaty sy ny fampiroboroboana ny asany nandritra ny lanonana iray natokana ho amin'izany ao Ghana, izay natrehin'ny masoivohon'i Etazonia ao Ghana Gene A. Cretz. Ny fifaninanana dia nampiantranoan'ny Blogging Ghana, vondrona bilaogera sy mpisersera media sosialy manoratra momba an'i Ghana na miresaka momba ny fiainana Ghaneana.

 

blogCamp2013_OnlineBadge(Winner)

Namoaka ny anaran'ny mpandresy avy amin'ny sokajy nampilaharina tahaka izao ny Habaky ny Blogging Ghana:

  1. Bilaogim-barotra sy Fandraharahana tsara indrindra  –  eStock Analysis.
  2. Bilaogin-teknolojia tsara indrindra  – Techy-Africa.
  3. Bilaogim-pikambanana tsara indrindra  –  AccraDotAlt.
  4. Bilaogim-pampisehoana sy fialamboly tsara indrindra – AmeyawDebrah.com
  5. Bilaogim-pikatrohana tsara indrindra – Adventures from the Bedrooms of African Women
  6. Bilaogim-pampitan'olo-tsotra vaovao tsara indrindra – Circumspect
  7. Bilaogim-pomba fiaianana tsara indrindra – Ganyobinaa.com
  8. Bilaogim-pamoronana, literatiora, tantara fohy, poezia tsara indrindra – Ganyobinaa.com
  9. Bilaogin-tsaripika tsara indrindra – A window to Ghana and Africa – Nana Kofi Acquah
  10. Loka ho an'olona malaza tsara toerana indrindra eo amin'ny media sosialy – @mutomboDaPoet
  11. Votoaty tsara indrindra - Kodjo Deynoo Poetry
  12. Bilaogy tsara indrindra – Adventures from the Bedrooms of African Women
  13. Lokam-boninahitra ho an'ny fikatrohana ao amin'ny media sosialy tsara alaina tahaka – Ghana Decides

Araka ny nosoratan'ny habaky ny Blogging Ghana, ny fanendrena ny fifaninanana dia noraisina avy amin'olona 314 , izay manome totaly 1.128 ao anaty sokajy 13. Ny salan'isan'ny fanendrena dia eo amin'ny 87 isan-tsokajy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.