Tsy mahatoky intsony ny antoko BJP ao India ny mpanohana rehefa nampiatoana ny mpitondra teniny

 

Supporters of Bharatiya Janata Party cheer at an election rally of Narendra Modi in Amethi Lok Sabha constitunecy in Uttar Pradesh. Image by BJP via WIkipedia. CC BY-SA 2.0.

Mpanohana ny Antoko Bharatiya Janata nandritra ny famoriam-bahoaka nataon'ny Praiminisitra Narendra Modi tamin'ny fifidianana tao amin'ny tanànan'i Amethi Lok Sabha ao Uttar Pradesh. Sary avy amin'ny Antoko Bharatiya Janata tao amin'ny Wikipedia. CC BY-SA 2.0.

Ampahany amin'ny Fanadihadian'ny Civic Media Observatory momba ny rohivoarin'ny media indiana ity tantara ity. Raha te hahalala bebe kokoa momba ity tetikasa ity sy ny fomba fiasany, tsindrio eto.

Ny 5 Jona 2022,  nampiatoan'ny antokon’ny fitondrana Bharatiya Janata (BJP) ao India ny mpitondratenin'izy ireo Nupur Sharma ary noroahiny i Naveen Kumar Jindal lehiben'ny fampahalalam-baovaony ao Delhi  noho ny fanamarihan'izy ireo momba ny Mpaminany Muhammad izay nivoaka tamin’ny lohatenim-baovao tany India sy tany ivelany.

Ny alin'ny 26 Mey, nolazaina fa nanao fanamarihana manivaiva ny Mpaminany Mohammed i Sharma nandritra ny fandaharana momba ny fifandirana eo amin’ny moske Gyanvapi sy ny tempoly Kashi Vishwanath tao amin'ny Times Now, fahitalavitra mpilaza vaovao tsy miankina. Ny 28 Mey, Raza Academy, fikambanan'ny Miozolomana Sunni Indiana, dia nanao Fitoriana Voalohany (FIR) an'i Sharma araka ny Andininy 295A (lalàna natao hanentanana ny fihetseham-po ara-pivavahana), 153A (fandrisihana fifandrafiana eo amin’ny vondrona samihafa) ary 505B (fandikan-dalàna amin’ny Fanjakana na fanakorontana ny fandriampahalemana) ao amin’ny Fehezan-dalàna famaizana Indiana. Tamin'ny 30 May no napetraka ny FIR faharoa.

Nielipatrana ny fanamelohana an'i Sharma tao India, ary maro ihany koa no niaro azy. Nisioka ilay Indiana mpila ravinahitra Shafi Burfat hoe:

Manan-jo haneho ny heviny sy ny toerany eo anatrehan'izao tontolo izao tsy misy fisalasalana i Nupur Sharma. Afaka tsy mitovy hevitra amin'ny fomba fijeriny izay tsy mitovy hevitra aminy saingy tsy mety ny fihetsika mandrahona azy. Miaraka amin'i Nupur Sharma hatrany izahay.

Hoy ilay mpisera Twitter @AryanKaushik149:

Manohana an'i nupur sharma aho amin'ny asa feno herim-po toy izany. Mipao-tsatroka.

Ny 3 Jona, nipoaka ny herisetra tao an-tanànan'i Kanpur ao amin'ny fanjakana avaratr'i Uttar Pradesh rehefa nanohitra ny fanamarihana nataony ny vondrona sasany. Olona am-polony no naratra ary olona maherin'ny 800 no nosamborin'ny polisy noho ny herisetra. Vetivety dia tafiditra tao anaty fifandirana ara-diplaomatika tamin'ny firenena manana Miozolomana maro an'isa any Afovoany Atsinanana, izay nanameloka ny fanamarihana manivaiva ny Mpaminany Mohammed i India. Misy Indiana mpifindra monina maherin'ny 6,5 tapitrisa any Afovoany Atsinanana.

Nilaza ny kaonty Twitter ofisialin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Arabia Saodita fa:

#Fanambarana | Manameloka sy miampanga ny fanambarana nataon’ny mpitondratenin’ny Antoko Bharatiya Janata (#BJP) ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny izay manevateva ny Mpaminany Mohammed, fiadanana ho azy.

Qatar, Koety ary firenena Miozolomana maromaro hafa no nampiantso ny ambasadaoro indiana tany amin'ny firenena misy azy ireo avy ary nanao fihetsiketsehana ofisialy manohitra an'i India. Nalaza tao amin'ny Twitter ny tenirohy Ataovy_ankivy_ny_vokatra_Indiana, ary nanala ny vokatra indiana tao amin'ny talantalana ny toeram-pivarotana iray any Koety.

Namaly ny Masoivoho Indiana ao Qatar hoe:

Ny valinteninay tamin'ny fanontanian'ny media mikasika ny fanambarana navoakan'i Qatar MOFA momba ny sioka manafintohina tany India:

Vao mainka niteraka adihevitra bebe kokoa ny valintenin'ny governemanta indiana fa tsy an’ny Governemantan'India izany fomba fijery izany fa an’ireo olona hafahafa fijery. Maro ny mpanohana ny BJP no tezitra tamin'ny fanapahan-kevitra hanesorana an'i Sharma sy Jindal ary nampiseho ny fanohanany azy roa ireo, raha ny hafa nanohana ny fihetsika nataon’ny BJP.

Nanameloka ny fanamarihan'i Sharma ny Fikambanam-Piarahamiasa Islamika (OIC), nilaza fa “mampirongatra ny tontolon'ny ny fankahalana sy ny fanararaotana ny Miozolomana ao India” izany, izay nolavin'ny mpitondratenin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Indiana ary nantsoina hoe “fahateren-tsaina”.

Nitombo ny herisetra manohitra ny Miozolomana any India, amin'ny fanafihana-tohanan'ny fanjakana ireo Miozolomana amin'ny alalan'ny fanentanana stratejika sy ny fanaparitahana vaovao diso ary ny propagandy amin'ny sehatra media sosialy sy ny fantsom-baovao amin’ny ora be mpanaraka.

Vakio bebe kokoa: Decoding the role of mainstream and social media in the recent anti-Muslim violence in India

“Nampandamoka ny haindò ny BJP” asehon'ny torohay CMO ny fironam-pitantarana

Tenirohy nalaza tao amin'ny Twitter ny #ShameOnBJP [henatra_hoan'ny_BJP], #ModiShamesIndia [Modi_Mahamenatra_an'India], ary #ShameOnBJPGOVT [henatra_hoan'ny_govt_BJP] taorian'ny fihetsika nataon’ny BJP tamin’i Nupur Sharma sy Naveen Jindal. Tsy ela ny Indiana dia nahatsapa fa tsy avy amin'ny fahatsapana fanamelohana na fanenenana tampoka noho ireo fanamarihana no nahatonga ny fanapahan-kevitra, satria hita ara-tantara fa milefitra amin'ny kabary fankahalana Miozolomana ny mpikambana ao amin'ny BJP, fa noho ny setrin’ny faneren’ny firenena avy any Afovoany Atsinanana ihany no nahatonga izany. Midìka izany ho an'ireo mpanohana ny BJP fa nanaiky resy ny antoko nasionalista Haindò manoloana ny fandrahonana sy fanamelohana avy amin'ireo firenena Islamo. Ho an'ny praiminisitra izay nanangana ny endriny tamin'ny media ho mpitarika Haindò tena lehilahy mahery, dia toy ny fanevatevana, mariky ny Haindò miankohoka amin'ny miozolomana ny fihetsika miondrika eo anatrehan'ny firenena Islamika. Nandresy lahatra Indiana ny milina fampielezan-kevitra BJP fa nampitombo ny herin'i India sy ny lazany teo amin'ny sehatra manerantany samirery i Narendra Modi. Nihevitra ny Indiana fa tsy azo resena sy mahery i India an'i Modi. Noho izany, toa nanimba io fiheverana io sy ny endrik'i Modi ho toy ny Vishwaguru mahery (mpitondra an'izao tontolo izao) ny fanapahan-kevitr'i Modi hiala tsiny sy handray fepetra amin'ireo mpikambana ao amin'ny antokony. Nanimba ny endrik'i India milaza ny tenany ho manana fahefana eo amin'ny sehatra manerantany izany.

Niantso an'i Modi hoe mpitondra mampahaleho anakay ny kisarisary mahatsikaiky sasany, olona mamela ny vahoakany ao anatin'ny krizy mba hamonjeny ny tenany fotsiny. Nisioka ilay mpisera Twitter सत्य वचन (tena marina) hoe:

Andriamatoa @narendramodi @PMOIndia, tokony ho menatra ianao fa mahatonga anay ho menatra. Tena mahamenatra. Mpitondra mampalahelo anakay eo amin'ny fifandraisana any ivelany.

Niampanga an'i Modi ho Miozolomana ny hafa ary nankatoa ny Miozolomana fa tsy ny Haindò. Nambaran'izy ireo fa nasehon'i Modi ny tena sary hamantarana azy rehefa nanilika ny fotokeviny Hindutva izy mba hiandany amin'ny Miozolomana. Nisioka ilay mpisera Twitter Maurya Ji hoe:

Fanantenana. Zava-misy [Avereno i_Nupur_sy_Jindal]

Nisioka ilay mpisera The Jaipur Dialogues:

Lasa vesatra [trosa-fatotra] ho an'ny Haindò ankehitriny ny BJP sy RSS.

Araka ny fanadihadian’ny CMO, nilaza ny fitantarana nipoitra fa lasa vesatra ho an’ny Haindò ny BJP.  Nanamafy tamim-pahatezerana ireo mpanohana ny antoko fa tsy niraharaha ny Haindò intsony ny BJP ary nanohitra ny fampanantenany Hindutva ankehitriny.

Nisioka i Anand Ranganathan, toniandahatsoratra sady mpanoratra matoandahatsoratra:

Fihetsika kanosa nataon'ny BJP ny fampiatoana an’i @NupurSharmaBJP. Nanipy azy ho any am-bavan’ny amboadia ny antoko.

Nupur, tianay ho fantatrao fa: eo am-pelatanan’ny vahoakany ny herin'ity firenena ity, fa tsy an’ny antoko, ary Izahay vahoaka dia miara-mijoro aminao, mandrakariva, amin’ny dingana rehetra, isa-tsegondra.

Nohazavain'izy ireo fa tsy afaka manatanteraka ny tombontsoan'ny Haindò intsony ny BJP, noho izany, tsara kokoa ny manolo ny BJP amin'ny antoko Haindò tena izy. Nivazivazy ilay mpisera Rajesh Verma:

Lasa sarotra leferina ny BJP ankehitriny, angatahina ny fikambanana Haindoa rehetra hanangana ny antoko politikany manokana ary hanala ny BJP eo amin'ny fitondrana.

Nisioka i Nitin Reddy avy ao Mumbai hoe:

Efa nitranga androany izany fa tsy tokony hitranga amin'ny hoavy, tokony handinika ny mpitarika ny BJP.

Those who used to say, we will never let India bow down. Their hateful speeches have shamed India in front of the world.

Ireo izay niteny taloha hoe, tsy hamela an'i India hiankohoka mihitsy izahay. Nanala baraka an'i India teo imason'izao tontolo izao ny kabary feno fankahalana nataon'izy ireo.

Na dia niorim-paka tao amin'ny firehan-kevitra nasionalista Haindò aza ireo tohan-kevitra rehetra manohitra ny BJP ireo, dia niafara tamin'ny fanomezan-tsehatra fanakianana saropady sy mitombina momba ny antoko sy ny politikany Hindutva mampisara-bazana ihany koa ity tranga ity. Tamin’ny fitondran’ny BJP, nifintina tanteraka ny sehatra fitsikerana sy tsy itovian-kevitra, amin'ny famoretana ataon'ny tafi-panjakana amin'ireo mpanao gazety, mpikatroka, manam-pahaizana ary eny fa na dia ny olom-pirenena tsotra aza noho ny fahasahiany nanohitra ny politikan'ny antoko. Asehon'ny fanadihadian'ny CMO fa nahatsangana sehatra tena ilain'ny fifampiresahana sy ny tsy fitovian-kevitra manohitra ny antoko io hatezerana amin'ny media sosialy io, izay miorim-paka amin'ny hevitra demaokratika sy laika. Olona maro no nanome tsiny tsy ny fampiatoan’ny NJP an'i Nupur Sharma, fany politika iraisan'izy ireo amin'ny fanimbana ny endrik'India eo amin'ny sehatra manerantany. Nambaran’izy ireo fa ny fihetsiky ny antoko mamely ny vitsy an’isa sy ny nasionalisma Haindò no nampiofo ny lamba laika an'India nohajaina fatratra sady nanimba ny endriky ny firenena eo amin'ny sehatra maneran-tany.

Ho hita eo raha ho fironana maharitra na ho fanehoan-kevitra vetivety ny fanakianana mitosaka be amin'ny BJP.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.