Novonjena avy any an-dranomasina, nahoana ireo Rohingya mpitsoa-ponenana no niafara any anaty toby fihazonana ao Sri Lanka?

A boat carrying Rohingya migrants. Screenshot via YouTube channel Rohingya Vision. Fair use.

Sambo iray nitondra ireo Rohingya mpifindramonina. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube Rohingya Vision. Fampiasàna ara-drariny.

Ity lahatsoratr'i Ruki Fernando ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny Groundviews, tranonkalam-baovaon'olon-tsotra efa nahazo loka. Dika nasiana fanovàna no averina avoaka etoana ho ampahany amin'ny fifanekena hifampizara votoaty amin'ny Global Voices.

Tamin'ny 17 Desambra 2022, nampandrenesin'ireo  mpanjono avy ao amin'ny faritra avaratr'i Sri Lanka ny tafika an-dranomasina momba ny fisian'ny sambo iray mila vonjy mitopatopa eny an-dranomasina. Ny 18 Desambra, andian'olona 104 no navotan'ny tafika an-dranomasina avy ao amin'ilay sambo. Raha ny filazan'ny tafika an-dranomasina dia teratany avy any Myanmar izy ireo, fa raha ny fanambaràna avy amin'ny Kaomisarià ambony ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ireo Mpitsoa-ponenana (UNHCR) kosa milaza fa Rohingya izy ireo. Olona tsy manana firenena niaviana ireo Miozolmàna Rohingya ary marobe no nandositra sy manohy mandositra ny fanenjehana azy ao Myanmar. Marobe ihany koa ireo Rohingya mpialokaloka no voalaza fa nandao ireo toby tao Bangladesh noho ny fahamaroana tafahoatra any sy ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa. Tamin'ny Desambra, nisy tatitra nanaitra momba ny fahafatesana an-dranomasina nanjo ireo Rohingya mpitsoa-ponenana na efa nisy aza ny antso momba ny tokony hamonjena azy ireny efa nalefa nialoha, isan'izany ny avy amin'ny Firenena Mikambana, ho an'ireo firenena manodidina.

Avy eo , natolotra ny pôlisy ireo olona novonjena, nalefa niatrika ny mpitsara tao Mallakam (distrikan'i Jaffna ) ary notànana ao amin'ny fonjan'i Jaffna ho toy ny “olona mampiahiahy”. Tsy mazava ny vesatra ara-pitsaràna itànana azy ireo , na izay heloka bevava iahiahiana an-dry zareo (isan'ireny ireo ankizy madinika), indrindra fa hoe tsy niditra tamin'ny fomba tsy ara-dalàna na nanadrana niditra tao Sri Lanka ry zareo, fa ny olon'ny tafika an-dranomasina namonjy azy ireo avy any anaty sambo iray tra-pahasahiranana no nitondra azy ireo. Voalaza fa nisy mpitondratenin'ny tafika an-dranomasina nilaza fa “tsy misy fihetsika toy ny heloka bevava.”

Nolazain'ny UNHCR fa nanome tohana ho an'ireo manampahefana srilankey izy ho an'ireo filàna maikan'ireo olona ireo. Ny Mannar Social Economic Development Organization (MSEDO) nanome ireo fitaovana fototra ilaina avy hatrany, toy ny akanjo, akanjo anatiny, hijabs, ny salakam-behivavy, ny tatin-jaza, lamba firakotra, lamba famaohana, savony, feta fiborosiana naify, borosy nify, kapa, kilalao sy harona fitondra mivahiny fony ilay vondrona mbola tao amin'ny fonjan'i Jaffna.

Lehilahy 29, vehivavy 26 ary ankizy 49 no hita ao anatin'ilay andiany, herintaona ka hatramin'ny 70 ny taonan-dry zareo.

Ivontoerana fitazonana ireo mpifindramonina

Ny 22 Desambra, nentina nankany Colombo ry zareo ary notànana ao amin'ireo toby fitazonana mpifindramonina ao Mirihana sy Welisara.

Ny 26 Desambra, rehefa tonga nitsidika ilay ivontoerana fitazonana mpifindramonina ao Mirihana izaho sy mpitari-pivavahana vitsivitsy, tamim-panajàna no nampahalalàn'ireo mpitantana sy ireo pôlisy amperinasa tao anay fa voaràra ny fitsidihan'olona hafa, ary ireo manampahefana misahana ny fifindramonina irery ihany no afaka manapaka hevitra. Saingy nantsoin-dry zareo ilay manampahefana miandraikitra ny fifindramonina ary  niresaka an-telefaona taminay. Nolazainy fa tsy dia mamporisika loatra ireo mpitsidika ry zareo, saingy nilazàny izahay hiverina ny ampitso amin'ny fotoana maha-ao azy. Izay no nataonay ary dia nahazo alàlana izahay hizara sakafo sy kilalao. Afaka nitafa fohy tamina mpifindramonina vitsivitsy izahay teo amin'ny fefy iray mihid sy misy tariby maranitra ary vavahady iray anatina toejavatra voafepetra. Sakana lehibe ny fiteny satria olona iray ihany no nahay ny fiteny anglisy, saingy voafetra ho izay tena fototra ihany. Nolazaina taminay fa nandositra ny tobin'ny mpitsoaponenana ao Bangladesh ilay andiany ary niondrana an-tsambo ny 3 Desambra, ary teny an-dranomasina mandra-pamonjy azy ireo. Samy nahazo sertifikà milaza ny maha-mpitsoaponenana azy daholo izy rehetra, nomen'ny UNHCR fony ry zareo mbola tao an-toby fialokalofana saingy very nandritra ny kalverin-dry zareo teny an-dranomasina ny an'ny sasany.

Nanaovan'ny UNHCR tafatafa ny tsirairay rehefa nitsidika ny tao Welisara izahay ny 27 Desambra. Tao ihany koa ireo mpisan'ny ICRC tamin'izay fotoana izay. Pretra roa ihany no nahazo alàlana hiresaka tamina vehivavy 20 mpitsoaponenana tao. Diso fanantenana ireo Rohingya roa mpitsoaponenana avy any Panadura ao andrefan'i Sri Lanka tonga hiresaka tamin'ireo vao tonga. Tsy nazava raha izany mihitsy no fitsipika ankapobeny na vokatry ny nandehanany tao tamin'ny fotoana nanaovan'ny UNHCR ireo tafatafa lalina.

Na izany aza, nanome toerana ho anay ireo mpiambina teo amin'ny toerana fandraisana, mba hiresahana malalaka tamin'ireo Pakistaney mpitsoaponenana (izay efa nihaona tamiko taloha kelin'izay) tao amin'io ivon-toerana fitazonana io ihany. Renay fa misy mpitsoaponenana vitsivitsy avy any Pakistana ao Welisara, anisan'izany ny fianakaviana iray misy olona efatra izay efa tao Sri Lanka hatramin'ny 2006.

Nahafinaritra ireo tomponandraikitra tao amin'ireo ivontoerana roa fitazonana mpitsoaponenana ireo; nandray anay ry zareo ary nanamora ny asa fanampiana noho ny maha-olona. Taty aoriana dia niantso ahy ny mpiasa iray tao mba hangataka fanampiana ho an'ny filàna manokan'ny marary iray tao amin'ny hôpitaly, saingy tsy dia mampaharisika an-dry zareo loatra ny hanome alàlana ny fifaneraserana ary kivian-dry zareo ireo mpitsidika, na dia nomen-dry zareo alàlana ihany aza izahay hanatanteraka fifaneraserana faran'izay kely. Mahagaga ihany satria ireo Srilankey lazaina fa ahiahiana ho nanao heloka bevava aza dia afaka mandray mpitsidika, enina andro anatin'ny herinandro.

Hetaheta sy fanamby

Mendri-piderana ny fanapahankevitra sy ny fihetsiky ny tafika an-dranomasina hamonjy sy hampakatra an-tanety ireo olona nila vonjy, indrindra raha ampitahaina amin'ny fisalasalan'ireo firenena aziatika hafa tsy nirotsaka an-tsehatra nandritra ny andro sy herinandro maro. Na izany aza, raha feperana ny fahafahan'ireo mpitsidika miditra ao, ary raha mitohy ny fitazonana ireo Rohingyas mpitsoaponenana, dia mety hisinda ilay fankasitrahana azon'i Sri Lanka ka ho lasa fanehoana ahiahy mahazatra sy fanamelohana.

Hetsika fanehoana firaisankina amin'ny vondrom-piarahamonina iray mila vonjy ireo ezaka nataon'ny MSEDO sy ny hafa mba hitondràna avy hatrany ny fanampiana noho ny maha-olombelona. Ankizy srilankey roa no nanome betsaka tamin'ny kilalaon-dry zareo ho an'ireo ankizy mpitsoa-ponenana. Fa ny tena nanainga fanahy sy nampihetsi-po indrindra dia rehefa ilay izaho nihaona tamin'ireo Rohingyas mpitsoaponenana vitsivitsy efa tao Sri Lanka nahita ny vaovao, izaho nahita ilay ivon-toerana fitazonana ao Marihana taorian'ireo ezaka marobe ary ny nahafahako nitsidika ireo mpifindramonina vao tonga niaraka tamina vatsy vitsivitsy. Rehefa nangatahana izy ireo mba hiverina ny ampiton'io, dia nanao izany tokoa. Rehefa henon-dry zareo fa mitsidika ireo vehivavy sy ankizivavy Rohingya izahay tao Welisara, dia naniry ny hanaraka anay izy ireo.

Ny fitsidihana nataon'ireo Rohingya mpitsoa-ponenana ao Sri Lanka, sy ireo mpitari-pivavahana ary ireo hafa dia tsy maintsy nitondra fampaherezana satria hitondra tohana ara-tsaina ho an'ireo mpialokaloka izy ireny, hiteraka fanampiana misimisy kokoa noho ny maha-olombelona ary hampiroborobo ny fitserana sy ny fahatsapàna eny anivon'ireo Srilankey.

Ato anatin'ny fotoana fohy, antenaiko fa hotohizan'ny fanjakana srilankey ny asa tsara natomboky ny tafika an-dranomasina ary, miaraka amin'ny fanampian'ireo olompirenena tsara sitrapo, hanome toeram-ponenana sahaza ho an'ireo olona ireo, izay efa niaritra ny mafy,  fa tsy ny fitazonana azy ireo toy ny olona ahiahiana ho mpanao heloka bevava. Raha tsy misy ny fampiantranoana, tsy hisy dikany ny famotsorana an-dry zareo satria tsy manana na aiza na aiza ho aleha ry zareo afa-tsy ny eny an'arabe. Mila omena sakafo sahaza ihany koa ry zareo, fitsaboana ara-tsaina sy ara-batana ary fiarovana. Ny antonon'ezaka, tokony horaisin'ny fanjakana ireo ankizy mpitsoaponenana sy ny Rohingya mba hiditra anaty valan'ny fanabeazana maimaimpoana ary tokony homeny fahafahana miditra amin'ny asa mahavelona ireo olondehibe. Ny lavitr'ezaka, tokony homen'ny fanjakana fahafahana hitoetra maharitra sy zom-pirenena ao Sri Lanka ireo izay liana te-hahazo izany. Rehefa nanontany Rohingya vitsivitsy hafa mpitsoa-ponenana izahay, izay efa tao Sri Lanka nandritra ny dimy taona nefa mbola tsy manana firenena niaviana foana, raha toa ka tian'izy ireny ny hipetraka maharitra ao Sri Lanka, avy hatrany dia ‘eny’ no navalin-dry zareo, nampiany fanehoankevitra hoe tsara fandray an-dry zareo ireo Srilankey.

Tamin'ny alàlan'ilay fifanarahana tamin'ny 2005, neken'ny governemanta ny hanamora ny fanatontosan'ny UNHCR ny fe-potoam-piasàny hanampiana ireo mpitsoa-ponenana. Ireo dingana arahana momba ny fanomezana sertifikà fialokalofana sy maha-mpitsoa-ponenana omen'ny UNHCR ao Sri Lanka ho an'ireo teratany vahiny mikatsaka sata maha-mpialokaloka ao Sri Lanka dia narafitra tamin'ny alàlan'ireo Fehezana taridàlana niarahan'ny governemanta sy ny UNHCR nanao sonia tamin'ny 2006. Matetika no tsy voasambotra sy voatàna ireo manana sertifikà milaza ny maha-mpialokaloka na mpitsoaponenana, raha tsy ohatra angaha ka hoe noahiahiana ho nanao heloka bevava izy ireny.

Ny ankamaroan'ireo mpitady fialokalofana dia miditra ao Sri Lanka mandalo amin'ireo toeram-panarahamaso ny mpifindramonina eny amin'ny seranam-piaramanidina. Nisy ihany koa tany aloha tany ny fotoana izay namonjena Rohingyas avy eny an-dranomasina sy nitondràn'ny tafika an-dranomasina azy ireny tao Sri Lanka ary avy eo noraisin'ny UNHCR an-tànana ny fikarakaràna ny fangatahan'izy ireny, taorian'izay marobe ireo lasa mandeha any amina firenena hafa mba hangataka fipetrahana maharitra. Nisy teo amin'ny 36 ireo Rohingya mpialokaloka ao Sri Lanka talohan'ny nahatongavan'ilay andiany farany, ary tamin'ny 2017 dia niharam-panafihana nataona jiolahimboto ny tranon'ny 31 tamin'izy ireo tany amin'ny faritra manodidina an'i Colombo, ka tsy maintsy nafindra toerana.

Raha mitady vaovao misimisy kokoa momba ireo mpitsoa-ponenana ao Sri Lanka, jereo ato sy ato.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.