Mety tsy maniry amin'ny hazo ny vola, fa maniry eny amin'ny kirihitra kosa izy any Nepal

 

Manual labours process Himalayan bush Argeli (Edgeworthia gardneri). Photo by Lakpa Sherpa Via Nepali Times. Used with permission.

Fikarakarana amin'ny tanana ny kirihitra Himalayan Argeli (Edgeworthia gardneri). Sary avy amin'i Lhakpa Sherpa tao amin'ny Nepali Times. Nahazoana alalana.

Ity lahatsoratr'i Maheshwar Acharya ity dia nivoaka voalohany tamin'ny teny Nepali tao amin'ny Himalkhabar ary nadikan'i Aria Prasai tamin'ny teny anglisy tao amin'ny Nepali Times. Navoaka indray ato amin'ny Global Voices ity lahatsoratra manaraka nasiam-panovana ity ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Manome fambolena mampidi-bola isankarazany ho an'ny firenena ny fahasamihafan'ny tahirin-javaboary miavaka sy ny taosarintany ao Nepal, saingy fambolena iray ihany no mivadika ho vola ara-bakiteny. Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, nitombo be ny fanondranana hoditra kirihitra Himalayas, Edgeworthia gardneri, izay sarobidy any Japana mba hanaovana fanontana vola taratasy, pasipaoro, valopy, hajia paositra, ary karazan-taratasy hafa.

Matetika hita any amin'ny haabo mirefy 1,500–3,000 metatra ao Himalaya, fantatra amin'ny anarana mahazatra hoe Argeli ilay zavamaniry, ary nanomboka namboly azy mba hamidy ireo tantsaha ao Sindhupalchok, Dolakha, Taplejung, Ilam, Baglung, Myagdi, ary ny distrika hafa rehefa nisy ny fitomboan’ny tinady.

“Ny Argeli no hany fanondranana avy aty amin'ny faritra misy anay,” hoy ny fanazavan'i Lhakpa Sherpa, mpamboly kirihitra fanaovana taratasy any Dolakha. “Nitondra fidiram-bola mitentina 2 tapitrisa Rs Nepali (15.405 dolara amerikana) izany tao amin'ny kaominina misy anay.”

Araka ilay bokin'i Narayan Manandhar “Ny Zavamaniry sy ny Vahoaka ao Nepal,” noheverina fa nampidirina tany Nepal tamin'ny taonjato faha-14 avy any Shina ny teknika fanaovana taratasy natao tanana. Nampiasa ny hoditry ny zavamaniry Lokta ny vondrom-piarahamonina Tamang ao Rasuwa sy Dolakha, ilay taratasy natao tànana malaza indrindra avy any Nepal, nandritra ny 700 taona farafahakeliny.

Nanomboka nanondrana ilay kirihitra fanamboarana taratasy i Nepal nankany Japana folo taona lasa izay, ary efa natao solon'ny Mitsumata, izay nampiasaina nentim-paharazana hanaovana taratasy Japoney, izany. Hoy i Kiran Kumar Dangol avy ao amin'ny Fikambanan'ny Mpanao Taratasy Vita Tanana any Nepal hoe:

While Japanese paper is considered the best in the world, Nepali paper is seen as stronger and better quality than most paper abroad, which has led to its high demand.

Raha ny taratasy japoney no heverina ho tsara indrindra eran-tany dia hita ho manana kalitao matanjaka sy tsara kokoa noho ny ankamaroan'ny taratasy any ivelany ny taratasy Nepali, izay nahatonga azy ho be mpitady.

Amin'izao fotoana izao, ambolena any amin'ny distrika miisa 55 any Nepal ny Argeli. Hazo madinika maitso maniry any amin'ny faritra maina sy be alokaloka izy io, misy tahony mena somary mivolontsôkôlà, lava taho ary voniny mavo, ary afaka mifamindra vovobony. Antsoina koa hoe Arili, Arkaale, Tinhaange Lokta, Pachyaar ao Gurung, Warpadi ao Tamang, ary Dhyarpati amin'ny fiteny Sherpa, mety hahatratra hatrany amin'ny 3 metatra ity zavamaniry ity arakaraka ny toetry ny tany. Mitana anjara toerana lehibe izy amin'ny fisorohana ny hain-tany sy ny tany kaohan’ny riaka ary ny fampitomboana ny zava-maitso any amin'ny faritra be tendrombohitra Himalayana.

A 1000 Japanese yen (US$ 7.74) note. Photo by Nepali Times. Used with permission.

1000 yen japoney (7,74 dolara amerikana). Sary avy amin'ny Nepali Times. Nampiasaina nahazoana alalana.

“Tsy toy ny ankamaroan'ny zavamaniry, tsy tratran’ny aretina izy io ary tsy tian’ny bibikely sy ny biby fiompy,” hoy i Sherpa nanampy. Saingy mitaky fitandremana amin'ny antsipiriany ny fambolena azy – ho simba ilay zavamaniry raha tsy maina tsara amin'ny volana mangatsiaka.

Jinjaina dimy taona aorian'ny nambolena azy ny kirihitra, matetika ny volana Oktobra ka hatramin'ny Febroary, izay fotsy miavaka ny lokony amin’io fotoana io. Tsy heverina fa mety na tsara kalitao ny argeli be rano miloko maitso.

Ampiasaina amin'ny fanaovana taratasy ny tsiratsiraka mifono anatiny amin'ny tahony ary hanaovana tady ny hodiny ivelany, fa mampiasa ny fakany hanasitranana ny lagaly ihany any amin’ny toerana sasany. Misy karazany miisa telo samihafa ny Argeli — A, B, ary C — miaraka amin'ny vidiny tsirairay manomboka amin'ny NPR 100 (0.77 USD) ka hatramin'ny NPR 575 (4.43 USD) isaky ny kilao.

“Loharanom-bola tsara ho an'ny vondrom-piarahamonina any amin'ny faritra be havoana sy Himalayana ny Agreli,” hoy i Benu Das Shrestha ao amin'ny Orinasa Fanamboarana Taratasy Nepali Jugal ao Sindhupalchok. “Tsy mila fanondrahana ilay zavamaniry ary mora ambolena.

Araka ny filazan'i Chet Bahadur Sherpa, mpamboly iray avy any Dolakha mampiasa olona miisa 40 amin'ny fihariany, miasa mandritra ny roa volana ny tantsaha amin'ny taham-pamokarana NPR 1,000 (7.70 USD) isan'andro, raha toa ka karamaina 20 NPR (0.15 USD) isa-kilao ireo mpiasa vehivavy manodina ilay zavamaniry voalohany.

Manombatombana ny Foibem-pikarohana sy Fanofanana Momba ny Ala fa maherin'ny 100.481 taonina ny kirihitr'ala fanamboarana taratasy Nepali no vokarina isan-taona amin'ny 2.091.000 hekitara ao amin'ny firenena. Mahavita taratasy Nepali 400 grama ny hodi-kazo vao avy notazana sy matoy iray kilao. Tamin'ny taona ara-bola 2015/16, hodi-kazo Argeli 60.000 kilao mitentina 36 tapitrisa NPR (277.263 USD) eo ho eo no naondrana tany Japana. Tamin'ny taon-dasa, tafakatra 95.000 kg ny fanondranana, ary nahatratra 100 tapitrisa NPR (770.177 USD) mahery ny tombony tamin’ny taona.

Nanamafy i Vijay Suvedi, mpikaroka fanafody ao amin'ny Foibem-pikarohana momba ny Siansa sy Teknolojia ao amin'ny Oniversiten'i Tribhuvan fa misy ny fanantenana lehibe ho an’ny fambolena maharitra ahazoana tombontsoa avy amin’ny Argeli, indrindra any Nepal Atsinanana.

Photo by Lhakpa Sherpa Via Nepali Times. Used with permission.

Sary avy amin'i Lhakpa Sherpa tao amin'ny Nepali Times. Nampiasaina nahazoana alalana.

“Amin'izao fotoana izao, vita amin'ny tanana ny asa rehetra, izay mitaky ezaka be,” hoy izy. “Ilainay ny mampiasa milina amin’ny fambolena sy ny fijinjana mba hahatonga azy hamokatra hatrany sy ho azo antoka ara-toekarena.”

Mety ho iray amin'ireo fanondranana malaza indrindra ao Nepal ny kirihitra fanaovana taratasy Nepali, miaraka amin'ny Pashmina, karipetra ary akanjo. Azo amidy ahazoam-bola ihany koa ny raviny sy ny tahony ary ny fakan’ity zavamaniry ity ankoatra ny fanaovana taratasy.

Manao fiofanana sy atrikasa miaraka amin'ireo mpandray anjara sy mpamorona eo an-toerana ny Fikambanana Mpanao Taratasy ao Nepal amin'izao fotoana izao mba hampitomboana ny tinady hodi-kazo Argeli sy taratasy vita tanana. Hoy i Kiran Dangol:

We have the next generation of designers who are really good. By tapping into local employment, we can increase the demand for Nepali paper locally and globally.

Manana taranaka mpamorona tena mahay isika. Amin'ny alàlan'ny fampiasana mpiasa eo an-toerana, afaka mampitombo ny fangatahana taratasy Nepali eto an-toerana sy maneran-tany isika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.