BBC Bangla: nandefa ny fandaharany farany taorian'ny 81 taona niasàny

BBC Bangla Radio will no longer be heard. Image via Flickr by BBC World Service. CC BY-NC 2.0

Tsy ho alefa intsony ny Radio BBC Bangla. Sary tao amin'ny Flickr an'ny BBC World Service. CC BY-NC 2.0

Nangidy ny Taombaovao tamin'ity taona ity ho an'ireo Bengali marobe mpankafy ny onjampeo, rehefa nahalala ireo mpihaino fa hitsahatra tsy handefa intsony ny BBC Bangla Radio ny  31 Desambra 2022, taorian'ny 81 taona niasàny. Nandritra ireo taona maro talohan'ny nikatonany, andiam-pandaharana roa naharitra antsasak'adiny no nalefa isanandro tamin'ny onjampeo fohy sy FM, maraina sy hariva. Vantany vao vita ny fandaharana tamin'io andro farany io dia naiditra ho arsiva ny pejy tranonkalany, nanakatona ny toko ho an'ilay rantsana malazan'ny Fantsona BBC.

Anatin'ny ezaka ho fampihenàna ny fandaniana sy ho fanarahana ny fironan'ireo haino-vaky-jery, hitodika any amin'ireo tolotra nomerika tsy mitsaha-mitombo ny BBC World Service, izay hitarika azy ireo hanakatona ny fandefasana onjampeo amin'ny fitenim-pirenena marobe. Hitohy ny BBC Bangla saingy amin'ny endrika fantsona “multimedia” nomerika sy amin'ny fahafaha-manao voafetra ihany.

Ny Bangla (Bengali) no fiteny fahafito ifampiresahana be indrindra ho an'ireo mpiteny rehetra erantany mitambatra. Olona manodidina ny 261 tapitrisa manerana izao tontolo izao no mampiasa azy, izy no fiteny voalohany indrindra ao amin'ny faritra Bengal, misy an'i Bangladesh (61 isanjato amin'ireo mpiteny) sy ny fanjakana Indiàna ao Bengal Andrefana (37 isanjato amin'ireo mpiteny).

Ny 11 Oktôbra 1941 ny BBC Wordl Service no nanomboka nandray ny fiteny Bengali ho fitenim-pirenena vahiny, ka fandaharana iray isankerinandro naharitra 15 minitra. Tamin'ny 1965, nanomboka nandefa vaovao tsy tapaka ny BBC Bangla, izay vetivety dia lasa fandaharana nankafizin'ny mpihaino. Nandritra ny ady fanafahana an'i Bangladesh tamin'ny 1971, nahazo ny fitokisan'ny vahoaka izy noho ireo fandrakofana vaovao tsy nitanila nataony.

Ao anatin'ity lahatsary Youtube manaraka ity, an'ny BBC Bangla, azonao atao ny mandre ny fanolorana ny vaovao voalohany  momba ny fandresen'i Bangladesh sy ny fibabohan'ireo miaramila Pakistaney — nalefa tamin'ny 16 Desambra 1971.

Tamin'izany vanim-potoana izany, niantehitra tamin'ny  BBC Bengali ny vahoaka mba hahazo fandrakofana vaovao tsy miandany satria ny governemanta Pakistaney dia nampihatra fanampenambava ny media nanerana ny firenena sy nandrahona ireo mpanao gazety. Vahoaka marobe no tonga nitangorona teny an-tsenan'ny vohitra mba hihaino ireo fandaharan'ny BBC Bangla, satria zara raha mbola nisy vata fandraisampeo. Noho ireny fitangoronana ireny, ny tsena iray tao Paksey, Pabna, dia novàna anarana ho BBC Bazar.

Mbola nitohy hatrany ny fisian'ny BBC nandritra ireo krizy hoavy, toy ilay farany tamin'ny 1980s nandritra ilay  nanoherana ny jadona tao Bangladesh.

Fahatsiarovana sy fihetsehampo

Tato anatin'ny taompolo farany, nihena ny isan'ireo mpihaino onjampeo manerana izao tontolo izao. Araka ny fanadihadiana iray nataon'ny BBC, aleon'ny olona misafidy ny fahitalavitra sy ireo media nomerika toy izay ny onjampeo mba ho afa-po amin'ny filàn-dry zareo vaovao.

Marobe ireo Bangladeshis no mizara ny tsiarony sy ny fihetsehampon-dry zareo momba ny onjampeo BBC Bangla. Alamgir Kabir, matianina amin'ny IT avy any Khulna, nampahatsiahy ny momba ny BBC Bangla sy ny fahazazàny tao amin'ny Facebook:

মনটা খারাপ হয়ে গেলো।
বিবিসি বাংলা রেডিও ঘিরে অনেক স্মৃতি, অনেক আবেগ রয়েছে।
ছোটবেলায় দেখতাম উঠানে রেডিও নিয়ে সবাই বিবিসি শুনতো। কিছুক্ষণ পর পর রেডিও উঁচু করে এদিকে ওদিকে ঘুরিয়ে ঠিকঠাক শোনার প্রক্রিয়া।
খুব মনোযোগ দিয়ে সবাই শুনতো [..] সংবাদ।
শতভাগ নিরপেক্ষতা ছিল বিবিসির।

Tena sosotra be aho. Misy fahatsiarovana marobe, ary fihetsehampo marobe manodidina ny Onjampeo BBC Bangla.

Tsaroako fa nandritra ny fahazazàko, fomba nahazatra ny fianakaviako ny nitangorona teo an-tokontaninay sy nihaino ny BBC Bangla. Tsaroako ilay sary manainga matetika ny vata fandraisampeo mba hahazoana feo tsara sy mba hihainoana azy tsy mitapatapaka.

Nihaino tamim-pahalinana ny vaovao ny rehetra [..]. 100 isanjato tsy nitanila ny fandrakofana vaovao nalefan'ny BBC.

Pikantsary iray tamin'ny fandaharana farany nalefan'ny onjampeo  BBC Bengal. Nalaina tao amin'ny fantsona YouTube an'ny BBC Bangla. Fampiasàna ara-drariny.

Mpanao gazety no asan'i Akbar Hossain tao amin'ny BBC Bangla. Nandefa sarin'ny efitrano fiasàna ao amin'ny onjampeo izy tao amin'ny Facebook sady nanambara ny fikatonany. Mpanjohy iray antsoina hoe Momen Sarkar no nanoratra tao anatin'ny faritra fanehoana hevitra hoe:

কি বলেন বিবিসিবাংলা বন্ধ হয়ে গেল? সেই ছোটকাল থেকেই সেই বিবিসি অনুষ্ঠানের শুরুতেই বাশির মেঠো সুরের সাথে পরিচিতি ছিলাম।

Inona ity nolazainao — nitsahatra tsy nandefa intsony hoe ny onjampeo BBC Bangla? Hatramin'ny fahazazàko, nahazatra ahy ny feonkira fanokafana onjampeo — sombin-tsodina iray — eo am-piandohan'ny fandaharana tsirairay natolotry ny BBC.

Mahmud Hasan Parvez, mpanao gazety ao amin'ny fahitalavitra, nidera ny fahamendrehan'ireo fandrakofana vaovao ary nanoratra tao amin'ny Facebook hoe:

যখন কিছুই বুঝতাম না, তখন থেকেই বিবিসি বাংলার সঙ্গে বন্ধন। বাংলাদেশে একেবারে প্রান্তিক পর্যায়ে আর কোন গণমাধ্যম গ্রহণযোগ্যভাবে পৌঁছাতে পারেনি এবং ভবিষ্যতে ২য় কেউ পারবেও না। [..] খুব বাজেভাবে মিস করবো প্রভাতী, প্রত্যুষা, প্রবাহ, পরিক্রমা অধিবেশন।

Hatrany amin'ny fahazazàko aho no nanana fifandraisana tamin'ny BBC Bangla. Tsy nisy fampahalalam-baovao hafa afaka nanakaiky tamim-pahatokiana ny mpihaino, eny fa na dia ireo natao an-jorom-bàla aza, teto Bangladesh, tsy hisy haino-vaky-jery afaka hanao izany amin'ny hoavy. Tena halahelo mafy ireo fandaharana Prabhati, Pratyusha, Prabaho, sy Parikroma aho.

Na izany aza, Reza Ghatak, mpanoratra, dia mitanisa ny fihenan'ny kalitao, na dia ny fihenan'ireo mpihaino aza no  nambara ho anton'ny fanakatonana:

বিবিসি রেডিওর বাংলা শ্রোতা কমে যাওয়ার আসল কারণ বিবিসি অনুসন্ধান করে নাই। আমার পর্যবেক্ষণে বিগত ২০ বছর মার্কিন পলিসির আদলে বাংলাদেশে ভোল পাল্টিয়ে নিজেদের বিশ্বাস যোগ্যতা নষ্ট করেছে বিবিসি। বিবিসি র একসময় যে নিরপেক্ষ সংবাদ পরিবেশন ছিল মুখ্য, সেই জায়গা থেকে বিবিসি সড়ে গেছে। যে কারণে রেডিও শ্রোতারাও মুখ ফিরিয়ে নিয়েছে। [..] সাংবাদিকতায় যে চরমভাবে অনিয়ম ও অপচর্চা চালু হয়েছে, বিবিসি শেষের দিকে সেই সুরে সুর মিলিয়ে শেষে বন্ধ করতেই বাধ্য হলো। শেষ হলো ৮১ বছরের বিবিসি বাংলা রেডিওর সোনালি ইতিহাস!

Tsy nohadihadian'ny BBC ny antony tena nampihena ny isan'ireo Bengali mpihaino ny onjampeo BBC. Raha ny fahitàko azy, tato anatin'ny roampolo taona farany, very ny fahatokisan'ny olona ny BBC tamin'ny nanovàny ny politikany tao Bangladesh ka nakàny tàhaka ny an'i Etazonia. Nialàn'ny BBC ny tsy fitanilàna izay tena fon'ny fitaterana vaovao tsy miandany. Izany no antony nahatonga ireo mpihaino ilay onjampeo hitodi-damosina taminy. [..]

Nandoto ny asa fanaovana gazety teto amin'ity firenena ity ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fiangàrana, ary tsy vitan'ny BBC ny nanaraka izany ka voatery nikatom-baravarana izy nony farany. Tapitra ireo tantara volamenan'ny 81 taona nisian'ny Onjampeo BBC Bangla!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.