
Toeram-ponenana mampidi-doza any antsefantsefan'ny làlana mankao Joshimath, Uttarakhand. Sary tao amin'ny Flickr an'i Kumara Sastry. CC BY-NC-SA 2.0.
Miatrika olan'ny trano fonenana i Joshimath, tanàna iray ambony havoana ao amin'ny distrikan'i Chamoli ao Uttarakhand, India, manana haavo 6.150 feet (1.875 m), noho ny olana amin'ny filetsen'ny tany miteraka fitriaran'ny trano sy fiforonana fepetram-piainana mampididoza, manery ireo mponina manobe handao azy. Tamin'ny 17 Janoary 2023, trano nihoatra ny 800 no voakasika, ary an-jatony ireo mponina no nafindra ho amina toby fialofana noho ny fihetsehan'ny tany, izay nofaritan'ny mponina ho “filentehan'i Joshimath.”
Nadeem Naqvi, mpikatroka sôsialy, nibitsika hoe:
Scientists have found that a large part of #Joshimath, which is facing land sinking issues, has become hollow. “So far, cracks ranging from 40 to 50 meters deep have been found inside the ground at about 460 places.”#Joshimathcrisis https://t.co/lxUsqIl67i
— Nadeem Naqvi ندیم نقوی नदीम नक़वी (@NadeemNaqviNNg) January 27, 2023
Hitan'ireo mpahay siansa fa ampahany be amin'i #Joshimath, izay miatrika olan'ny filentehan'ny tany, no lasa lavaka. “Hatreto, fitriarana mirefy 40 hatramin'ny 50 metatra ny halaliny no hita any anatin'ny tany tamina toerana 460 samihafa.”#Joshimathcrisis https://t.co/lxUsqIl67i
— Nadeem Naqvi ندیم نقوی नदीम नक़वी (@NadeemNaqviNNg) 27 Janoary 2023
Olana iray an-dalam-piforonana
Tatitra iray avy amin'ny fanjakàna tamin'ny Septambra 2022 no nanamafy fa ny filetsen'nytany any amin'ireo faritra sasantsasany amin'ilay tehezan-tendrombohitra avy amin'i Joshimath no nitarika ny fitriaran'ireo tranoabe sy ny filentehan'ny lalàna maro. Tamin'ny faran'ny taona 2022, efa tsikaritr'ireo mponina sahady ny olana miotrika, ary vao mainka niharatsy ny toedraharaha tamin'ny Janoary 2023.
Nandritra ny herinandro voalohany ho an'ny Janoary, olona 600 no nafindran'ny governemantan'i Uttarakhand taorian'ny nirodanan'ny tempoly iray sy nanambaràna fa tsy azo antoka ireo fotodrafitrasa hafa. Nefa tsy nambaran'ireo manampahefana ho faritra misy tany mihotsaka sy miletsy i Joshimath, raha tsy efa taorian'ireo fivoarana ratsy tsikaritra tamin'ny Janoary, efa ela ilay tanàna no niatrika olana. Ny filetsen'ny tany dia ilazàna ireo fifatraran'ny tany tsikelikely na filentehany tampoka.
Tsy mazava ny anton'ilay filetsena, ary singa marobe no mety ho ho niteraka izany, saingy ireo tatitry ny media dia mihevitra fa ny tsy firaharahian'ireo manampahefana no mety vao mainka naharatsy kokoa ny toedraharaha no sady tsy noraisina haingana araka izay tokony ho izy ny fepetra hisorohana izany.
Ismat Ara, mpanao gazety, nibitsika hoe:
More than anything else, the story of Joshimath's sinking is the story of the state government's failure to pay heed to the residents’ complaints – which had been mounting much before the wide cracks started appearing. My story. https://t.co/W4BNbzRz8G
— Ismat Ara (@IsmatAraa) January 26, 2023
Mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, ny tantaran'ny filentehan'i Joshimath no tantaran'ny tsy fahombiazan'ny governemanta tamin'ny fandraisana an-tànana ny fitarainan'ny mponina – izay nivangongo talohan'ny nipoiran'ireo triatra lavabe. Ny tantarako. https://t.co/W4BNbzRz8G
Hatreto, vohitra efatra amin'ny sivy no voalara ho tsy azo honenana ary nafindra aho amina toeram-ponenana vonjimaika ireo mponina, toy ny hôtely, trano fivahinianana, tranom-panajakana, ary toby fialofana vonjy rano vaky. Nanambara drafitra hametrahana toeram-ponenana vonjimaika ny governemanta, sy hanomezana trano azo atambatambatra avy hatrany ho an'ireo fianakaviana tra-boina vitsivitsy. Nanao hetsipanoherana sy nanohitra ny hiala amin'ny toerany ny fianakaviana sasantsasany, tamin'ny filazàna fa azo nosorohana tsara ilay zavamisy raha toa ireo manampahefana ka nihetsika nalaky sy ara-potoana.
Nibitsika ny gazety tsy mainkina, Afternoon Voice, hoe:
Hundreds of affected people descended on the streets of subsidence-hit Joshimath on Friday to take part in a protest rally against the alleged slow pace of efforts to save the sinking town.#Joshimath #joshimathsinking pic.twitter.com/KQcaC2GgPw
— Afternoon Voice (@Afternoon_Voice) January 28, 2023
An-jatony ireo olona tra-boina nidina an-dalambe tamin'ny Zoma tao Joshimath tratr'ilay filentehan'ny tany, mba handray anjara tamina hetsipanoherana iray nanoherany ny voalaza ho fitavozavozan'ireo ezaka ho fanavotana ilay tanàna nilentika.#Joshimath #joshimathsinking pic.twitter.com/KQcaC2GgPw
Fanorenana tsy voafehy sy fizahantany tafahoatra
Miroina amina faritra mety hianjadiana fihetsehan'ny tany i Joshimath. Vavahady fidirana izy ho an'ireo fihanihana marobe an'i Himalaya sy ny fivahiniana masina — isan'izany ny mankao amin'ny toerana masina ho an'ireo Hindoa, Badrinath, sy ilay toerana fivavahana sy fanaovana fivahinianana masina Sikh ao Gurudwara Shri Hemkund Sahib. Satria mitombo isantanona y isan'ireo olona maniry ny hahita an'i Himalayas, lsa zavatra mahazatra ny mahita ireo fivahinianana, ny fitomboan'ireo fangatahana toerana hialàna sasatra. Ambaran'ireo mponina ao Joshimath ny fitomboan'ireo tranobem-barotra ho toy ny antony iray ao ambadik'izao zava-manahirana ankehitriny izao.
Ilay Indiàna mpandidy mpila ravinahitra any ivelany, Bramha Kamal, maneho hevitra amin'ilay bitsika nalefan'ny mpanao gazety Nikita Sareen:
“#Joshimath affected badly by tourism” would be more appropriate.
Heavy engineering in eco-fragile #Himalayas is not the only cause, it exacerbated the evolving disaster.
Look at the loss of soil-stabilising trees.
And the increasing weight of concrete on unstable slopes. https://t.co/uT1SQfudNk— Bramha Kamal (@BramhaKamal) January 29, 2023
“#Joshimath voadona mafy vokatry ny fizahantany” no mety kokoa.
Tsy ny fanajariana goavana ao amin'i #Himalayas marefo ara-tontolo iainana ihany no antony, vao mainka nanaratsy ny toedraharaha nisoko fotsiny izy.
Jereo ny fanjavonan'ireo hazo mpitazona ny tany.
Sy ny fitomboan'ny vesatr'ireo ‘beton’ eny amin'ireo tehezany tsy marin-toerana. https://t.co/uT1SQfudNk— Bramha Kamal (@BramhaKamal) 29 Janoary 2023
Polstrat, fikambanana iray mpanao fikarohana ara-pôlitika, nibitsika hoe:
#Joshimath is at risk of sinking due to large-scale construction projects, climate-induced flash #floods and extreme #rainfall.#Polstrat explores the public reaction and relief measures for the residents evacuated.#ClimateCrisis #naturaldisaster #india #disasteraid #evacuation pic.twitter.com/6egYFbtryr
— Polstrat (@teampolstrat) January 20, 2023,
Tandindonin'ny filetsena i #Joshimath vokatr'ireo tetikasam-panorenana lmidadasika be, sy ireo #tondradrano tampoka ateraky ny toetrandro sy ny #rotsakorana tafahoatra. #Polstrat dia mitrandraka ny fanehoankevitry ny vahoaka sy ireo fepetra vonjy voina natao ho an'ireo olona nafindra toerana.#OlanNyToetrandro #LozaVoajanahary #india #disasteraid #Fanavotana pic.twitter.com/6egYFbtryr
— Polstrat (@teampolstrat) 20 Janoary 2023
Tany am-piandohan'ny 1976, nisy kaomity nahitàna mpikambana 18 avy amin'ny governemanta nanambara an'i Joshimath ho faritra iray tandindonin'ireo fihetsehan'ny tany. Anisan'ireo tolokeviny tamin'izany, notsindrian'irlay kaomity mafy mihitsy ny tokony hametrahana fepetra henjana momba ireo asa fanorenana ao amin'ilay faritra. Kanefa, araka ny ambaran'ireo famoahambaovaoo sy ireo tatitra sasany, iainan'ilay faritra ny fanorenana tsy voafehy ary tsy raharahiana ny fampitandremana, manampy trotraka ny zavadoza efa zakain'ilay tanàna.
Former Garhwal Commissioner Mahesh Chandra Mishra, in his report in 1976, had clearly warned that any development in this area should be ‘heavily regulated’. Of course, that did not happen, writes @rahulpandita, #Joshimath https://t.co/DMFH3bvuiH pic.twitter.com/OMaJptARIy
— Open Magazine (@Openthemag) January 24, 2023
Mpikambana fahiny tao anatin'ny kaomity Garhwal i Mahesh Chandra Mishra, tao anatin'ny tatitra nataony tamin'ny 1976 izy dia efa nampitandrina nazava fa tokony “ho asiana fandrindrana henjana” izay rehetra asa fampandrosoana atao ao amin'io faritra io. Mazava ho azy, tsy nisy izany, hoy ny voasoratr'i @rahulpandita, #Joshimath https://t.co/DMFH3bvuiH pic.twitter.com/OMaJptARIy
— Open Magazine (@Openthemag) 24 Janoary 2023
Ho an'ireo manampahaizana manokana, ireo hetsika eny an-kianja no mitondra mankany amin'ny fitohan'ny fitsihifana natoralin'ny ranon'ilay rohivoary sy ny ny tsy fahampian'ny fanariana rano maloto araka ny tokony ho izy, izay niteraka ihany koa ny fikisahan'ny tany ao ambany ao, nanova ny firafitra sy ny fitomboan'ny tsy fahamarinan-toerana.
Ny zavadoza manjo ao Joshimath dian itarika ho amin'ireo fangatahana ny hanambaràna ny ao Himalayas ho toerana marefo, ary ny tokony hanarahana maso an'ireo hetsika “anthropogenic” rehetra, toy ny asa fanorenana.
Nibitsika ilay mpanao gazety, Gurbaksh Singh Chahal, hoe :
The resolution described the government's response to the current situation as “inadequate,” noting that while many people will be displaced as a result of Joshimath's sinking, the only way to solve the problem is by rehabilitating the affected citizens.
— Gurbaksh Singh Chahal (@gchahal) January 29, 2023
Ilay tsoakevitra dia nanondro ny valintenin'ny governemanta ho “tsy mifanaraka ” amin'ny toedraharaha misy amin'izao fotoana izao, tamin'ny fanamarihana fa raha hafindra toerana ireo olona marobe vokatry ny filentehan'i Joshimath, ny hany fomba tokana hamahàna ny olana dia ny fanomezana toeram-ponenana indray ho an'ireo olona tra-boina.
— Gurbaksh Singh Chahal (@gchahal) 29 Janoary 2023
Ho hita eo afaka volana vitsivitsy raha toa i Joshimath ka ho adinoina toy ny hoe tranga iray niavaka, na mba hitondra mankany amin'ny fandraisana fepetra ekôlôjika maikasy maharitra. Mandra-piandry izany, tra-boina aloha ilay faritra, ary ireo nanam-bintana mba tafavoaka velona ka zara fa niharam-pahavoazana, dia manontany tena sao ho ry zareo ireo indray no manaraka.