Fanamarinana ny zavamisy misoko amin'ny toedraharaha sôsialy sy pôlitika ao India: ny raharaha Zubair

Sary avy amin'ny antso nalefan'ny Amnesty International ho famotsorana an'i Mohammed Zubair. Nampiasàna ny lisansa CC BY-NC-ND 4.0 .

Tamin'ny Desambra 2019, nitatra nanerana an'i India ireo hetsipanoherana nanoherana ilay volavolam-panitsiana ny Citizenship Amendment Act (CAA) – lalàna momba ny zom-pirenena – ary nifanehatra tamin'ireo fanapahana ny aterineto sy valinkafatra feno herisetra avy avy amin'ny fanjakàna. Ilay CAA dia vao mainka namelona ny tahotra hisian'ny fankahalàna silamo bebe kokoa ao amin'ny firenena izay mampiantrano vahoaka miozolmàna fahatelo lehibe indrindra eto an-tany. Telo taona taty aoriana, tena nizarazara be mihitsy ny kabary sôsialy sy pôlitika, arakaraky ny tsipika ara-pinoana, ary matetika dia ireo miozolmàna no lasibatra.

Ndao horaisintsika ny tranga nahazo an'i Mohammed Zubair, mpiara-nanorina ny Alt News, ilay tranonkala ao India natao ho fanamarinana ny zavamisy. Ny Jona 2022,  nosamborina izy noho ny bitsika iray efa tany amin'ny telo taona lasa izay lazaina fa nandratra ny toepo ara-pinoana. Herinandro vitsy taorian'izay, napetraky ny pôlisy koa ireo vesatra fanampiny anenjehana azy ho miray tsikombakomba amina heloka bevava, nanao izay hampanjavonana porofo, ary fanitsakitsahana ireo fepetra momba ny famatsiambola avy any ivelany;  nisy FIR iray ihany koa napetraka noho ny votoaty iray navoakan'i  Zubair, ary mbola anaovana fanadihadiana ireo raharaha tany aloha. Ny 19 Jolay 2022, noho ny votoatin'ireo FIR “mitovitovy” daholo, rehefa nandinika ny raharaha ny Fitsarana Ambony dia naneho ny ahiahiny momba ny fisiana “kiboribory vetaveta” raha omena fahafahana arahana fandoavana onitra izy amina raharaha iray hafa, ka dia nanapaka hevitra ny hanambatra ireo fanenjehana rehetra. Andro iray taty aoriana, ho an'ireo raharaha rehetra dia nomen'ny fitsaràna azy ny fahafahana arahana fandoavana onitra, nolavin'ny fitsaràna koa ny fangatahan'ny governemantam-panjakana ao Uttar Pradesh ho fanakanana azy tsy hahazo hibitsika, ary nafindra ho any New Delhi renivohitra ireo raharaha rehetra nanenjehana azy tany amin'ny fanjakàn'i Uttar Pradesh

Nahasarika ny sain'ny tao an-toerana sy ny iraisampirenena ilay fisamborana, nahatonga fametrahana fanontaniana tena ilàna valiny momba ny maha-ara-dalàna ny dingana natao, ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ny toeran'ny fahalalahana maneho hevitra, ny finoana, ary ny kabarim-pankahalàna ao amin'ny firenena. Raha nampiasa angondrakitra avy ao amin'ny Unfreedom Monitor, ity lahatsoratra ity dia mamakafaka ny fomba mahatonga ny raharaha Zubair ho maneho ny sasany amin'ireo zavamisy manandanja misoko ao India ankehitriny:

Ny fahitàna ireo maripamantarana ara-pinoana

Marobe ireo rantsana fikambanana mpamoaka vaovao eratany, toy ny Washington Post, BBC, sy ny New York Times, no nitatitra momba ilay fisamborana. Raha zohiana akaiky ny lohatenin'ny lahatsoratry ny  Washington Post  “Indiàna miozolmàna mpanao gazety, Modi mpanao tsikera, nosamborina noho ireo bitsika nataony” dia mampiseho fa nasongadina ny maripamantarana ara-pinoana an'i Zubair ho Miozolmàna. Ao anatin'ilay lahatsoratra, resahan'ny mpanoratra ny fomba nahatonga an'i Zubair ho lasibatra noho ny maripamantarana ara-pinoana ananany, Miozolmàna iray ao anatina firenena iray izay ny Hindo no maro an'isa, mifanindran-dàlana amin'ny andraikitra tànan'ireo mitàna ny fahefana ao amin'ny fanjakàna ao anatin'ny fitroboroboan'ny fihenjanana ara-pinoana. Ny hafa, isan'ireny i Zubair, dia nanao fanamarihana mitovitovy ihany. Ao anaty lahatsoratra iray ao amin'ny TIME, milaza i Zubair, “Raha Miozolmàna mpanao gazety ianao na Miozolmàna mpikatroka, na koa aza tsy miankina fa mpanao gazety, dia mety hosahirana.” Ireo mpanoratra ilay ampahan-tantara ao amin'ny TIME dia  manaiky an'io zotra fanohanan-kevitra io, tamin'ny fanomezana ireo ohatra momba ny fihenjanana ara-pinoana ao anatin'ny “governemanta nasiônalista hindo an'i Modi,” tamin'ny fanehoana fa ny sasany tamin'ireo lahatsoratra anaty media tondroina hatrizay ho “avy amin'ny ankavia” dia manilika ilay fisamborana an'i Zubair ho noho ny mari-pamantarana azy: Miozolmàna. Saingy, ho an'ny sasany, noho ny antony samihafa dia marim-pototra ny lanjan'ny maripamantarana ara-pinona tafiditra tao anatin'ilay adihevitra. Toherin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny Opindia, media nomerika avy amin'ny hery ankavanana, ireo filazàna nataon'ny BCC sy ny NYT ary notohizany tamin'ny filazàna ny NYT ho “mpankahàla an'i India” sy “Tsy tia Hindo” satria odian-dry zareo tsy hay ireo “lahatsoratra manafintohina mankahala Hindo nataon'i Zubair”

Ankoatra izay, taorian'ny nisamborana an'i Zubair, niraradraraka nameno ny habaky ny media sôsialy ireo ranty mankahala silamo,  satria lasa loharanona hadrohadro sy fankahalàna silamo ilay maha-Miozolmàna azy, fitaratry ny tsy firosoan'ny resaka sôsialy sy pôlitika ao amin'ny firenena. Ny sasany amin'ireo mpampiasa Twitter nanambara azy ho mifandray amin'i Ajmal Kasab, mpampihorohoro iray voasambotra sy novonoina noho ny fandraisany anjara tamin'ilay asa fampihorohoroana tamin'ny 26/11 tao Mumbai; ny hafa indray nanambara azy ho Miozolmàna Rohinga tafiditra tao India tamin'ny 2013. Ho setrin'ny fanapahankevitry ny Fitsaràna Ambony nanomezana azy ny onitra vonjimaika tamin'ireo raharaha rehetra, dia nandefa izao manaraka izao ireo mpampiasa Twitter @mysterious_tri miaraka amin'ny “Allergic with AAPtards, Pidis, Pseudo seculars, Woke, Fake Feminist” (matetika no antsoin'ireo mpanohana ny hery ankavanana amin'ireo fomba fiteny fanambaniana ireo ny liberaly sy ny avy amin'ny hery ankavia) :

Angovo mitovy, izy roa samy maneso ny Hindo daholo.

Ny rafitra mihitsy no tsy misy amintsika.#Zubair #MohammedZubair #NupurSharma #Ecosystem #ShariaCourtofIndia pic.twitter.com/Tvyu7N22uA

Fanoherana, fanamarinana zavamisy sy fandisoana vaovao

Ankoatra ny maripamantarana ara-pinoana an'i Zubair, teboka mampifanolana ihany koa ny momba ny fanekena ny fikambanany, miteraka fanontaniana mavesadanja mifantoka kokoa amin'ny atao hoe “marina” sy “fakom-baovao” ao anatin'ny tontolo mikorontan'ny media ao India. Amin'ny ankapobeny, ireny fanontaniana ireny dia azo itarafana ny asa loha manodidina ny fandisoana vaovao ao amin'ny firenena, amin'ny maha-toy ny toeram-panarahana maso azy.

Ny fanambaràn'ny Toniandahatsoratry ny  Guild of India, manameloka ilay fisamborana, dia nanamarika fa:

“Tena mampiahiahy tanteraka ity satria tato anatin'ireo taona vitsivitsy farany i Zubair sy ny tranonkalany dia nahavita asa mendrika ho entina mamantatra ireo fakom-baovao sy ny fanoherana ireo fanelezana vaovao diso, tamin'ny fomba tsy nitanila sy mifanaraka amin'ny zavamisy… [” Ankoatra izay,]  “… mibaribary fa ny fanairana nataon'ny AltNews dia tsapan'ireo izay mampiasa ny fanelezana vaovao diso ho toy ny fitaovana iray hampisaraham-bazana ny fiarahamonina sy handranitana ireo toepo nasiônalista.”

Mitovitovy amin'izay, ny Amnesty India nibitsika hoe:

Ny fanohizana ny fitànana an'i Mohammed Zubair dia fampahatsiahivana mampiahiahy hoe tsy manana alàlana ianao hilaza ny marina ao India. Tsy heloka bevava ny famborahana ireo fakom-baovao. Tokony hafahana avy hatrany tsy arahana fepetra i  @zoo_bear. #FreeZubair #ProtectDissent pic.twitter.com/l8lW29oKmf

Etsy ankilany, navoakan'ny lahatsoratra iray tao amin'ny Opindia, mpamoaka vaovao malaza avy amin'ny hery ankavanana, manamafy hoe manely fakom-baovao amin'ny anaran'ny lazainy fa fanamarinana zavamisy ireo mpiara-manorina ny AltNews :

Ankoatra ireo fironana mankahala Hindo, iray amin'ireo lova maharitr'ireo mpitantana ambony sy mpanorina ny Alt News, ilay tranonkala fampielezan'ny hery ankavia ny heviny, dia ny fitongilanan-dry zareo mankany amin'ny famafàzana fakom-baovao. Efa fotoana elaela izao, ny Alt News no mpisava làlan'ny fanelezana vaovao diso amin'ny alàlan'ny filazana fa manao fanamarinana ny zavamisy amin'ny fomba “tsy mitanila” sy “tsy momba ny atsy na ny aroa”, tsy miova mandrakariva fa feno fitsaratsarampoana sy fomba fijery manokana.

Tanaty raharaha hafa, miresaka momba ny ahiahy iray navoitra tao amin'ny antenimiera, momba ny fanamarinana zavamisy sy ny kabarim-pankahalàna, voalaza fa nanambara ny minisitra misahana ny filazambaovao sy ny fampielezampeo fa: “Zavadehibe ihany koa ny mahafantatra hoe iza no mpanamarina ny zavamisy ary iza no manandrana mamboly fifanenjanana ao anatin'ny fiarahamonina, afenina ao ambadiky ny hoe fanamarinana ny zavamisy.” Na dia tsy hay loatra aza hoe iza no tiany hotondroina , na dia hoe fanambaràna tsotra ilay izymahaliana ny hahita ny fiavahan'izay tiany hahatongavana.

Ireny tranga ireny dia milaza mazava tsara fa misy fomba fihevitra tsy mitovy momba ny dikan'ny atao hoe “fakom-baovao” sy ny “fanamarinana zavamisy”.

Famintinana

Maneho ny zavamisy misoko ao anatin'ny fiarahamonina indiàna ireo fanehoankevitra sy fampiasàna ankolaka ny fiteny sy fanosorana ataon'ny / na atao an'ireo mpisehatra samihafa ao anatin'ny rafi-piarahamonina indiàna. Asehon'izy ireny ihany koa ny fifaneraseran'ireo mpisehatra samihafa ao anatin'ny rafi-piarahamonina. Ohatra, araka ny voalaza ery ambony, niteraka fanakianana maro  avy amin'ireo fikambanana media avy amin'ny hery ankavanana ny fanadihadiana nataon'ireo media lazaina hatrizay ho “avy amin'ny hery ankavia”. Tsy zavatra natao ho an'ny raharahan'i Zubair  samirery ireo lohahevitra momba ny maripamantarana ara-pinoana, ny fanoherana, ny lanjan'ny andrimpanjakana, ny fankatoavana ny fandisoana vaovao. Ireo trano mpanonta gazety, lazaina hoe liberaly, dia nohosorana sy notsaraina ho tsy mendrika ny hiditra an-tsehatra amin'izany. Atao lasibatra  ireo Miozolmàna any anaty habaka an-sterasera na ivelan'ny tambajotra, indraindray mitarika mankany ami'ny herisetra. Tebiteby efa raikitampisaka ny momba ny fandisoana vaovao, saingy tsy misy hafa amin'izany ny fanasokajiana ireo olontsotra sy ireo fikambanana ho toy ny olona mampiahiahy rehefa mametra-panontaniana momba ny mpitondra ry zareo.

Azafady, tsidiho ny pejin'ny tetikasa mba hahazoana tantara misimisy kokoa avy amin'ny  Unfreedom Monitor.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.