Nolavin'i Qatar ny fanonerana ny mpiasa nanangana ireo fototrafitrasan'ny amboara erantany FIFA 2022

Image via Nepali Times. Used with permission.

Sary avy amin'ny Nepali Times. Nahazoana alalana.

[lahatsoratra iray volana lasa izay] Telo herinandro mialoha ny mondialy FIFA 2022, nolavin'ny minisitry ny asa ao Qatar ny antson'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona mba hanonerana ireo mpiasa mpifindramonina nandray anjara tamin'ny fananganana ny kianja sy ny fotodrafitrasa hafa.

Nisy ny fanentanana maneran-tany antsoina hoe #PayUpFIFA natomboky ny Human Rights Watch (HRW)  sy ireo vondrona mpikatroka hafa tamin'ny volana Mey, niantso ny filankevi-pitantanan'ny baolina kitra iraisampirenena FIFA mba hanome vahaolana sahaza sy hisorohana ny lova antsoin'izy ireo hoe “Mondialy Mahamenatra”. .”

Saingy nilaza ny minisitry ny Asa, Ali bin Samikh Al Marri fa “dokambarotra fandonana” izany, miampanga ireo mpitsikera an'i Qatar amin'ny “fanavakavaham-bolon-koditra”. Nilaza i Al-Marri fa efa nanome karama an-jatony tapitrisa dolara tamin'ny karama tsy voaloa ny fireneny.

Namaly ny HRW tamin'ny filazana fa, raha nanao fanavaozana misongadina ny manampahefana Qatari, dia tara kely foana ry zareo — indrindra fa taorian'ny taona 2018, rehefa vita ny ankamaroan'ny asa momba ny kianja. Nolazainy ihany koa fa tery (kely) ny voalaza amin'ny fanavaozana ary zara raha ampiharina, izay midika fa mpiasa maro izay nanampy tamin'ny fananganana fotodrafitrasan'ny fiadiana ny amboara eran-tany no tsy nisitraka tamin'ny fanavaozana efa misy sy ny rafitra fanonerana.

Labour Minister Ali bin Samikh Al-Marri claimed Qatar was already handing out hundreds of millions of dollars in unpaid wages.

Nanambara ny minisitry ny Asa Ali bin Samikh Al-Marri fa efa nanome karama tsy voaloa an-jatony tapitrisa dolara i Qatar. Sary avy amin'ny Nepali Times. Nampiasaina nahazoana alalana.

Ny loza lehibe indrindra, tsy voavaha izay niantraika loatra tamin'ny Nepaley nandritra ny folo taona farany dia ny fahafatesan'ny mpiasa. Araka ny Lalànan'ny Asa Qatariana, ny fianakavian'ny mpiasa maty noho ny asa, na ny mpiasa niharan'ny loza nandritra asa ka niteraka fahasembanana amin'ny ampahany na tanteraka, dia manan-jo hahazo tambin-karama avy amin'ny mpampiasa azy. Na izany aza, ny fahafatesana sy ny fahasembanana tsy heverina ho mifandray amin'ny asa dia tsy mahazo onitra.

Saingy noho ny antony tsy voazava ny ankabeazan'ny fahafatesan'ny Nepaley ao Qatar — araka ny notaterin'ny Nepali Times teo aloha, “Maty tao anatin'ny torimasony” (सुत्दा सुत्दै मर्यो) no lasa teny Nepaley mahazatra — ary ny ‘antony voajanahary no lazaina fa nahafaty olona .’ Amin'ny ankapobeny, tsy nisy zavatra voajanahary momba azy ireo; vokatry ny asa be loatra, ny hafanana tafahoatra ary ny tsy firaharahiana ofisialy izy ireo.’

Saingy nanontany ny minisitry ny asa ao Qatar, Al Marri tamin'io tafatafa io ihany hoe: “Aiza ireo niharam-boina, manana ny anaran'ireo niharam-boina ve ianareo, ahoana no nahazoanao ireo isa ireo?”

Manizingizina ny HRW fa misy ny angon-drakitra momba ny fahafatesan'ny mpiasa mpifindra monina, mampiseho ny fizotry ny fampodiana faty avy any Qatar mankany Nepal izay mitaky antontan-taratasy sarotra ao anatin'izany ny fahefan'ny mpisolovava na ny faneken'ny mpandova ara-dalàna, ny taratasy fanamarinana fahafatesana, ny tatitry ny polisy, ny tatitra momba ny fitsaboana, ny faktioran'ny zotra an'habakabaka, ny taratasy fanamarinana ny faty ary ny taratasy fanamarinana tsy misy fanoherana.

Fanampin'izay, misy ihany koa ny firaketana an-tsoratra miaraka amin'ny governemanta Nepal izay manome fanohanana ho an'ireo fianakaviana avy amin'ny Vola fanampiana ny Mpifindra monina mba hanaterana ny vatana mangatsiaka an'ireo mpiasa manana fahazoan-dàlana manan-kery avy any amin'ny seranam-piaramanidina Kathmandu ho any an-tranony. Noho izany i Nepal dia manana firaketana momba ny fanararaotana mpiasa mpifindra monina izay azo araraotina raha toa ka matotra amin'ny tambin-karama ny FIFA na ny Qatariana.

Michael Page, tale lefitra ao amin'ny Human Rights Watch any Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra nisioka hoe:

Nolavin'i #Qatar mahamenatra ny antso miely patrana avy amin'ireo mpankafy, ONG-FTMF ary mpilalao baolina kitra ho an'ny tahirim-bola fanonerana ny mpiasa mpifindra monina. Tokony hanangana ny tahirim-bolany manokana ny @FIFAcom raha te hahazo lova tsara ho an'ity @FIFAWorldCup voaloton'ny fanararaotana ity. Valiny 🧵

Tamin'ny fanambaran'izy ireo farany, manery ny FIFA ireo fikambanana iraisam-pirenena mpiaro ny zon'olombelona mba hihetsika na inona na inona valin-tenin'i Qatar satria sady manana ny andraikitra sy ny loharanon-karena amin'izany izy. Amin'ny fanomezana ny amboara eran-tany 2022 tsy misy fametrahana fepetra hisorohana ny fanitsakitsahana ny zon'ny mpiasa efa tsapa mialoha sy ny tsy fanatanterahana ny fepetra fisorohana ara-potoana sy mahomby, voampanga ho nandray anjara tamin'ny fihoaram-pahefana miely patrana nihatra tamin'ireo mpiasa mpifindra monina tamin'ny tetikasa mifandraika amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany taorian'izay ny FIFA .

Mbola tsy azo antoka ny valin-tenin'ny FIFA momba ny vola fanampiana. Nandritra ny fihainoan'ny Filan-kevitr'i Eoropa ny zon'ny mpiasa tany Qatar tamin'ny 13 Oktobra, nilaza ny sekretera jeneralin'ny FIFA Alasdair Bell hoe: “Ny tambin-karama dia azo antoka fa zavatra mahaliana antsika eo ampirosoana.” Efa im-betsaka natao teo aloha ny fanambarana toy izany, tsy misy fanoloran-tena mivaingana.

Tsy tahaka ny Qatariana, tsy nandà an-kitsirano ny tambin-karama ny FIFA  ary iharan'ny tsindry mitombo avy amin'ny mpiray ombon'antoka satria manakaiky ny fifaninanana. Tompon'andraikitra amin'ny fikambanan'ny baolina kitra, mpanohana, mpanao politika ary mpankafy mitaky hetsika ny FIFA .

Tamin'ny herinandro lasa teo, nanohana mafy ny antso hisian'ny vahaolana ny ekipam-pirenena Aostraliana amin'ny baolina kitra tamin'ny lahatsary iray, izay notohanan'ny ekipam-pirenena fito hafa handray anjara amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany ihany koa. Mpanohana efatra (ABInBev/Budweiser, Adidas, Coca-Cola ary McDonald's) no nanohana ny fanonerana ara-bola.

Mampiseho ny fitsapan-kevitra eran-tany vao haingana nataon'ny Amnesty International fa ny 67 isanjaton'ireo namaly miisa 17.477 any amin'ny firenena 15 dia mitovy hevitra ihany koa fa ny fikambanan'izy ireo baolina kitra nasionaly dia tokony hiteny ampahibemaso momba ny olan'ny zon'olombelona mifandraika amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany ao Qatar, anisan'izany ny fitakiana fanonerana ho an'ireo mpiasa mpifindra monina. .

Notohanan'ny mpikambana 15 ao amin'ny Kongresin'i Etazonia, parlemantera Frantsay 120 ary mpilalao baolina kitra teo aloha toa an'i Craig Foster avy any Aostralia ny famatsiam-bola izay manome ny volany amin'ny fandefasana ny amboara eran-tany ho an'ny fianakavian'ny mpiasa mpifindra monina. Na teo aza ny tsindry, tsy namaly miabo ny FIFA.

Manoritra ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona Human Rights Watch fa efa ela ny FIFA no nandray anjara tamin'ny “famatsiam-bola lova” ho an'ny fiadiana ny amboara eran-tany mba hanohanana ireo tetikasa aorian'ny hetsika. Teo aloha ny FIFA dia nanome farafahakeliny 260 tapitrisa dolara ho an'ny lova Amboara Eran-tany, anisan'izany ny mpampiantrano teo aloha to an'i Afrika Atsimo (100 tapitrisa dolara), Brezila (100 tapitrisa dolara) ary Rosia (60 tapitrisa dolara). Manizingizina izy ireo fa tokony handinika toy izany koa ny FIFA ho an'i Qatar noho ny fanararaotana voarakitra momba ireo mpiasa sy ny tsy fisian'ny fanonerana ho an'ireo niharam-boina.

 

Image via Nepali Times. Used with permission.

Sary avy amin'ny Nepali Times. Nampiasaina nahazoana alalana.

“Misy ny filàna mazava ho an'ny FIFA mba hanangana tahirim-bola tambin-karama hanavotana ny lovan'ny Amboara Eran-tany tsy ho ela, izay efa tena voaloton'ny fihoaram-pefy”, hoy i Minky Worden ao amin'ny Human Rights Watch. “Tsy tokony hanohitra i Qatar fa hanampy amin'ny fiantohana ny fahombiazan'ny famatsiam-bola toy izany. Ny olana amin’ny fametrahana tahirim-bola fanonerana dia tsy resaka angon-drakitra velively, fa finiavana ara-politika”.

Hanomboka amin’ny 20 Novambra any Doha ny fiadiana ny amboara eran-tany, ary tsy azo inoana fa ho tanteraka alohan’izay ilay vola fanampiana. Saingy ny fanoloran-tenan'ny FIFA amin'ny famatsiam-bola no mety hisy vokany lehibe ho an'ny fianakavian'ireo mpiasa mpifindra monina Nepaley izay namoy ny ainy hampisy ny fifaninanana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.