Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Aogositra, 2018
Ejypta: Bilaogera hafa nosamborina
Mbola mahita famoretana bebe kokoa ataon'ny Fiarovam-panjakana amin'ireo bilaogera noho ny antony samihafa ny sehatry ny tontolon'ny bilaogy Ejypsiana. Ny tranga vao haingana indrindra tamin'ity herinandro ity dia ny fisamborana ilay bilaogera Ejypsiana Omar El Sharkawy.
Japana : Topimaso Kely Amin'ny Teknolojia Ekolojika Japoney
Nanangana drafitra fanentanana ho fampiroboroboana ny fangatahana kojakojan-tokantrano mandeha amin'ny herinaratra mitsitsy angovo ny governemanta japoney noho ilay rafitra 'éco-point'. Ny tanjona dia ny hamerenana indray ny sarin'i Japana, foiben'ny protocole de Kyoto, ho tahaka ny firenena mampiasa teknolojia manaja ny tontolo iainana.
Maraoka: Voaroba ny fiainan'i Fouad Mourtada
Azo antoka fa mety tsy tsikaritr'i Fouad Mourtada fa ho lasa anarana malaza izy. Nosamborina tamin'ny 5 Febroary izy ary voaheloka ny 22 febroary 2008 higadra telo taona an-tranomaizina (sady mandoa onitra 1000 dolara) noho ny famoronana profil Facebook maka tahaka ny Printsy Moulay Rachid.
Fandinihantena Sy Fikarohana Ny Antom-pisiana Ao Anaty Tontolom-bolongana Oganda
Manana olana ara-pisiana miseho amin'ny endrika isankarazany ireo blaogera Ogandey. Nanomboka tamin'ny volana janoary ny fandinihantena eny anivon'ireo Blogren, raha toa izy ireo nanomboka nifampiantso, rehefa injay marobe ireo blaogera nanohitra ny famoronana ny Ora Mamalifaly (Happy Hours) ho an'ireo Blaogera ao Oganda sy ireo Loka ho an'ny Bilaogy Tsara Indrindra ao Ogandà.
Netizen Report: Voaloton'ny herisetra goavana sy ny fanakatonana aterineto ny fifidianana ao Mali

Ny Advox Netizen Report dia manome topi-maso iraisam-pirenena momba ireo fanamby, fandresena sy vaovao malaza amin'ny aterineto manerantany.
Hazakazaka Madinika Manerana ny kianjan'i Tiananmen : Inona No Mitranga Rehefa Mifanehatra Amin'ny Fitondràna Mpanao Jadona Shinoa Ny Facebook ?

"Nihosina ny ràn'ireo mpianatra niady ho an'ny demokrasia io tany hitsahan'ny tongotrao io. Kanefa, ankafizo ny hazakazakao ao Shina, Mark a!
Ny tosika ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Saodiana
Navotsotra i Mohsen Al-Awaji rehefa nogadraina nandritra ny 11 andro, ary mieritreritra i Aya fa ity hetsika nataon'ny governemanta ity dia lesona azo tsoahina ho an'ny Saodiana: "Sahy manakiana ny governemanta ve ianao satria afaka manao izany amin'ny fotoana rehetra, sa esorina aminao ny fahafahanao sy ny fahamendrehanao. "
India : Zava-misy Sy Isa Mahaliana Momba ny Fifidianana
Andiany faha-15 izao no nisian'ny fifidianana ho solombavambahoaka tao India taorian'ny nahazoany fahaleovantena tamin'ny 1947.
Shina: Miloa-bava ireo mpisera MSN voakatona
Niharatsy hatrany ho an'ireo mpisera any Shina ny tolotra MSN satria nanova ny kaonty Passport ho Live.com ny Microsoft vao haingana. Taorian'ny nanoratan'i Frank Dai, bilaogera ao amin'ny Global Voices Online lahatsoratra momba io olana io, tapa-bolana lasa izay, nanomboka nampiaka-peo ireo mpampiasa MSN Messenger, Hotmail sy MSN Spaces.
Korea Atsimo: Blaogy, Blaogera Ary Marika
Na misy aza ny tambajotra izay azo handrafetana ny fisakaizana ho mafy orina, dia tsara kokoa ny tena fihaonana hita maso mba hifankahalalana betsaka kokoa.