· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Aogositra, 2018

India : Fifidianana Solombavambahoaka Tamin'ny 2009, Fanentanana Tety Anaty Tambajotra

Misy sokajina tranonkala hafa manasa ny olompirenena ho aminà fifampiresahana sy fanaovana fanazarantena amin'ireo lohahevitra momba ny fanabeazana olompirenena; ny vondrom-piarahamonina an-tserasera no ampiasain-dry zareo mba ho mpitarika amin'ireo hetsika iraisana [...] Mihevitra aho hoe hevitra tsara ireo tranonkala sosialy momba ny fifidianana

31 Aogositra 2018

Any Shina, Miaritra Fandòrana Amin'ny Herinaratra Ireo Miankindoha Amin'ny Aterineto

GV Mpisolovava

Ahariharin'i Guo Jianloong, mpanao gazetin'ny 21st Century Business Herald, tao amin'ny lahatsorany ny fomba fanao tsy mifanaraka amin'ny maha-olona ampiharin'ny toeram-pitsaboana iray misahana manokana ny fitsaboana ireo miankindoha amin'ny aterineto any Shandong Lin-yi (臨沂 izay tarihin'i Yeung Yongxin. Nanetsika ireo ray aman-dreny hitory an'i Yeung i Guo rehefa nahita ilay lahatsoratra. Fa inona marina no zava-misy ao amin'io toeram-pitsaboana io ?

27 Aogositra 2018

Andron'ny Hetsika Ho An'ny Bilaogy 2008, Mitoraka Bilaogy Momba Ny Fahantrana Ny Afrikana

Andro natao hanokanan'ireo mpitoraka bilaogy maneran-tany tena ho aminà lohahevitra iray manokana amin'ny bilaoginy tsirairay avy ny BlogActionDay (Andron'ny Hetsika Ho an'ny bilaogy ; amin'ny teny anglisy). Ny fahantrana no lohahevitra amin'ity 2008 ity. Manoratra izay heveriny hampihenàna ny fahantrana aty Afrika ny mpitoraka bilaogy tsirairay.

25 Aogositra 2018

Afrika Atsimo : Ity no “Joule”, Fiara Afrikàna Voalohany Mandeha Amin'ny Herinaratra

Ny fitahirizana ny angovo no tena olana be ara-teknika no sady iray mibahana ny fanekena ireo fiara mandeha amin'ny herinaratra, manomboka amin'ny lanjan'ny vatoaratra, ny fotoana famahanana azy. Io olana io no ilain'ilay lasitra famarotana vahàna....Mampahatsiahy zavatra anareo ve izany? Eny, ny lasitra ara-toekarena ampiasain'ny telefona finday.

24 Aogositra 2018