Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Janoary, 2010

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Janoary, 2010

28 Janoary 2010

Avatar: Momba sa manohitra ny zon'ireo Indizena?

Miresaka momba ny lohahevitra ao anatin'ilay sarimihetsika Avatar niaka-daza maneran-tany, novokarin'i James Cameron ny mpitoraka blaogy maro. Manavakavaka ve izy ity amin'ny fomba famaritany ny foko indizena iray avy any ivelan'ny tany?

17 Janoary 2010

Mpanoratra misongadina: Hisham

Amin’ny maha dokoterra monia sy miasa any Frantsa azy, i “Hisham” (Hisham Khribchi) dia iray amin’ireo mpikambana mpanorina ny vohikala Talk Morocco, izay miezaka ny ho seha-pifanakalozana handrisihana ny fifampiresahana avo lenta, misokatra ary mendri-kaja momba ny olana mahakasika an’I Maraoka sy ny Diaspora

16 Janoary 2010

Karaiba: Jeritodika isam-paritra 2009

Amin'izao fankalazan'ny Global Voices ny faha-dimy taonany izao, dia izao no fotoana hanararaotina hanazavàna ny antony anaovantsika izay ataontsika sy izay fiovana vitan'ny asantsika.  Araka ny namintinan'ny mpiara-miasa amiko Jillian York azy hoe, “Mampiely tantara isika. Mampiely teny.”  Miezaka ny ho amin'izany tokoa izahay noho ireo olona marobe miketrika amin'ny...

06 Janoary 2010

Sakanan'i Tunisia sy Bahrain ireo takelaka manokan'ny olona ao amin'ny Twitter i

GV Mpisolovava

Voalohany indrindra, nisy ny   governemanta nanakana ny Blogspot. Avy eo  dia nosakanan'izy ireo ny Facebook, vita izay dia ny Twitter. Ary vao nanomboka nampiaka-peo ireo mpanjifa ny vokatra teknolojika eran-tany, dia nisy governemanta roa naneho fahendrena kely ka nanova ny fomba fanivanany ireo media ara-tsosialy ka, naleony nisakana manokana...

Jeritodika RSF 2009: Maherin'ny 100 ireo mpitoraka blaogy sy “mazan-dohan'ny aterineto [cyber-dissidents]” nofonjàna

Ny ‘Reporters Without Borders’, na ‘Reporters sans frontières’  dia namoaka angom-baovao ho an'ny faran'ny taona 2009 tamin'ny 30 Desambra 2009. Mpitoraka blaogy 151 sy “mazan-dohan'ny aterineto  [cyber-dissidents]” no nosamborina, 61 no nanaovana herisetra ara-batana ary iray no maty tany am-ponja tamin'ny 2009. Raha ampitahaina amin'ny 2008, tafakatra hatramin'ny 155% ny...

05 Janoary 2010

Emirà Arabo Mitambatra : Miara-misokatra amin'ny anjomaran'ny Twitter ny Burj Dubai

Burj Dubai avy amin'i Joi Ito – arovan'ny Creative Commons Nasandratr'i Dobayy avokoa ny fiatoana rehetra hanamarihany ny fisokafan'ny tilikambo avo indrindra manerantany dia i Burj Dubai. Tamin'ny alalan'ny feon'anjomara no nanokafana ilay mpanaka-danitra avo dia avo mahatratra 828 metatra (2717 pieds) any Dubai, Emirà Arabo Mitambatra, na dia aza...

02 Janoary 2010

Japana: Aelezo ny hafatra, adikao

Tafatafa an-tsary [en] niarahana tamin'i   Kyo Kageura, lehiben'ny tetikasa Minna no Honyaku (みんなの翻訳, fandikan-teny ho an'ny rehetra, Translation for all) [ja], sehatra iray ho fandikana teny hanampy  ireo  ONG [Fikambanana tsy miankina] sy NPO amin'ny fanapariahana ny hafatra fisaorany an'ireo mpandika teny an-tsitrapo. Ny Global Voices any  Japana dia nanontany...

01 Janoary 2010

Tamberina 2009 Azia Atsimo

Nivalona hatreo ny taona 2009 ary izao no fotoana hitodihana izay nitranga tany Azia atsimo. Ao anatin'ny tamberina misy fizarana roa no ijerentsika ireo fotoan-dehibe nanamarika io taona io ho an'ny firenena atsimon'i Azia amin'ny alalan'ny mason'olo-tsotra tia mampita vaovao. Isaorana manokana ireo mpanoratry ny Global Voices ho an'i Azia...