Netizen Report: Voaloton'ny herisetra goavana sy ny fanakatonana aterineto ny fifidianana ao Mali

Boatim-pifidianana. Sary avy amin'i Sheila Rouge, azo ampiasaina indray.

Ny Advox Netizen Report dia manome topi-maso iraisam-pirenena momba ireo fanamby, fandresena sy vaovao malaza amin'ny aterineto manerantany.

Ny alina talohan'ny nahavoafidy indray ny filoha am-perinasa ao Mali, Ibrahim Boubacar Keita tamin'ny fihodinana faharoa, sarotra nidirana ny aterineto. Nitatitra ireo mpampiasa aterineto sasany ao amin'ireo tanàn-dehibe ao Bamako sy Gao fa tsy afaka niditra aterineto mihitsy izy ireo, raha nilaza kosa ny andrana ara-teknika fa voasakana ny tambajotra sosialy lehibe.

Nanambara ny mpanao gazety avy ao amin'ny Agence-France Presse, herinandro taty aoriana, fa nanjary tsy azo nidirana intsony ny tambajotra an-tserasera, taloha kelin'ny fanambaràna ofisialy ny fandresen'i Keita.

Mametraka fitarainana amin'ny fahafahan'ny olom-pirenena hifandray sy hiditra amin'ny fampahalalam-baovao – izay tena zava-dehibe indrindra mandritra ny fifidianana- ny fahatapahan'ny aterineto tahaka izany. Ambonin'izany, birao fandatsaham-bato 500 teo ho eo no nakatona tamin'ny fifidianana fihodinana faharoa tamin'ny 12 Aogositra, noho ny fandrahonana sy herisetra goavana nihatra tamin'reo mpifidy sy mpikarakara ny fifidianana tany amin'ny faritra avaratry ny firenena Afrikana Andrefana ity. Amin'ny ankapobeny, 34% monja tamin'ireo mpifidy ao Mali no nandatsa-bato.

Raha nitatitra ireo mpanaramaso ny fifidianana iraisam-pirenena fa tsy misy porofo momba ny hosoka tamin'ny fifidianana, dia tsy isalasalana fa nitarika ny fihenan'ny taham-pandraisana anjara hifidy ny voka-dratsin'ny herisetra tany avaratra. Tsara koa ny manamarika fa tsy ny mandritra ny fifidianana ihany no zava-dehibe amin'ny fidirana aterineto (indrindra amin'ny tambajotra finday), fa koa amin'ny fotoanan'ny ady izay tena manahirana indrindra ny resaka fiarovana. Afaka manakana ny fidiran'ny mpiserasera amin'ny tolo-pifandraisana amin'ny fotoana izay tena ilain'izy ireo indrindra ny vaovao hiantohana ny fiarovana azy ireo ny fanakatonana ny tambajotra.

Manindry ny bokotra fanombohana indray (reset) any Ejypta ny RSF

Efa herintaona izay no nandidian'ny governemanta Ejiptiana ireo mpamatsy tolotra aterineto mba hanomboka hanakana tranokalam-baovao vahiny sy ny tsy miankina eo an-toerana, anisan'izany ny Al Jazeera, ny Huffington Post Arabic, ny Medium sy ny Mada Masr, miaraka amin'ireo media sy FTMF misahana zon'olombelona isan-karazany, ny Reporters sans frontières (RSF). Tamin'ny 10 aogositra 2018, nanambara ny fanombohan'ny tranonkala “fitaratra” ahafahan'ny mpiserasera any Ejypta miditra amin'ny tranonkala indray ny RSF, tsy mila mampiasa fitaovana fandinganana sivana.

Nangina ireo mpianatra Bangladeshita noho ny polisy manenjika ireo kaonty antserasera

Vokatry ny hetsi-panoheran'ny mpianatra nokarakaraina haingana tany Bangladesh, izay mitaky ny fampiharana henjana ny lalàna momba ny fifamoivoizana, nitety media sosialy ny polisy Metropolitana ao Dhaka mba hamantatra izay kaonty nolazain'ny polisy manampahefana fa “nitarika ny mpianatra amin'ny fampielezana fanentanana” ao amin'ny media sosialy.

Hatreto, milaza izy ireo fa olona 12 no voasambotra ary nanadihady kaonty maherin'ny 1500. Milaza ireo manam-pahaizana ao an-toerana fa toa nanaparitaka tsaho momba ny fihoara-pefin'ny polisy ny sasany tamin'ireo voasambotra, raha nanentana fotsiny sy nanampy tamin'ny fikarakarana ny fihetsiketsehana kosa ny hafa. Mpianatra maro nandray anjara tamin'ny hetsi-panoherana nandritra izany fotoana izany no nanaisotra ny lahatsoratr'izy ireo mifandraika amin'ny hetsi-panoherana, noho ny tahotra sazin'ny polisy.

Manana lalàna vaovao momba ny fiarovana angon-drakitra i Brezila, saingy misy fepetra sasany

Rehefa nitaredretra tamin'ny dingana momba ny lalàna nandritra ny enin-taona mahery, nankatoa lalàna momba ny fiarovana angon-drakitra ihany i Brezila nony farany, nanaraka ny dian'i GDPR Vondrona Eoropeana sy ny lalàna mitovy amin'izany ao Arquitan sy Orogoay. Mitaky amin'ireo orinasa mba hampahafantatra amin'ny mpiserasera ny fotoana sy ny fomba nanangonana ny vaovaon'izy ireo ny fitsipika vaovao, izay hanan-kery afaka 18 volana, hamafa izany araka ny fangatahan'ny mpiserasera na aorian'ny fiafaran'ny fifandraisana misy eo amin'ny roa tonta, ary mandoa lamandy rehefa tsy mety manaja izany izy ireo. Na dia izany aza, zavatra maro tamin'ny lahatsoratra tany am-piandohana no nesorin'ny filoha Michel Temer, anisan'izany ny fananganana mpanara-maso ny governemanta sy ny adidin'ny sampam-panjakana hampahafantarana isaky ny mizara ny vaovaon'ny mpiserasera eo aminy izy ireo.

Nanakarama Accenture ny Facebook mba hametra ny kabarim-pankahalana ao Myanmar

Lohahevitra nifantohana tamin'ny fijoroana vavolombelona nataon'ny tale mpamorona ny Facebook, Mark Zuckerberg teo anoloan'ny Kongresy Amerikana tamin'ny volana aprily lasa teo ny hafatra momba ny fankahalana sy ny fandrahonana herisetra amin'ny Facebook, nilaza ohatra tao Myanmar ireo mpikambana tao amin'ny Kongresy tamin'izany fa tafahoatra ny kabarim-pankahalana sy fandrahonana herisetra amin'ireo Miozolomana Rohingya tamin'ny fararano 2017. Nampanantena hanarama mpiteny Birmana hijery izay votoaty tafahoatra ao amin'ny tranonkala ny orinasa taoriana kelin'izay.

Nampiseho ny fanadihadiana vao haingana nataon'ny Reuters fa vao haingana ny Facebook no nanondrana ny asany sasany tany amin'ny orinasa Amerikana miompana amin'ny fakàn-kevitra sy paikady Accenture, izay nanakarama ekipa mpandrindra mpiteny Birmana (tamin'ny ekipanà tetikasa antsoina hoe “Honey Badger”) izay miasa any Kuala Lumpur, Malayzia. “Nanasonia fifanarahan'asa maharitra iray taona ireo mpiasan'ny Honey Badger ary manaiky tsy hamoaka fa Facebook no mpanjifany,” hoy i Steve Stecklow ao amin'ny Reuters.

Mandritra izany, nitatitra ny VICE News fa nokaramain'ny Facebook ny Business for Social Responsibility, FTMF (ONG) iray any Etazonia, mba hitantana ny  fanombanana raha nahafahana nampiditra ny herisetra ara-poko sy ny kabarim-pankahalana mihatra amin'ny Miozolomana Rohingya ao Myanmar ny sehatra Facebook. Ny fotoana no hilaza raha hanao tahaka izany any amin'ny firenen-kafa ny Facebook (tahaka ny any India sy Bangladesh), izay ampiasaina hikarakarana sy hampielezana herisetra ny fitaovany.

Fikarohana vaovao

 

 

Misorata anarana ao amin'ny Netizen Report

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.