Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Janoary, 2016
Côte d'Ivoire: Ireo Fanamby sy Fotoana Fanararaotan'ireo NTIC
Misokatra ireo vodilanitra vaovao eo amin'ny sehatra maro ao Côte d'Ivoire, miaraka amin'ny fidirana haingan'ireo teknolojia vaovao an'ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana (NTIC). Hatramin'ny 2012, tetikasa maro no natomboka ka isan'ireo lehibe indrindra amin'izany ny fametrahana ny fibra optika 7.000 km manerana ny firenena iray manontolo.
Hojeren'i Okraina Indray Ny Fiarovana Antserasera Taorian'ny Fanafihan'ny Rosiana Ny Seranam-piaramanidina Lehibe
Nilaza ny mpitondra tenin'ny minisiteran'ny Fiarovana Okrainiana fa avy amin'ireo lohamilin'i Rosia ny fanafihana antserasera vao haingana tao amin'ny seranam-piaramanidina Boryspil.
Angkety Map Manasongadina Fitaovana Nomerika Hamelomana Indray Ny Teny Indizeny Ao Aostralia
Tati-baovao manasongadina ny fitaovana nomerika azo jeren'ny fiarahamonina indizeny ao Aostralia liana amin'ny fampiasana teknolojia ho fiarovana sy ny famelomana indray ny teny Angkety map.
Tranonkalam-Baovao 100+ No Bahanan'ny Okrainiana Mpisintaky ny ‘Repoblika Entim-Bahoakan'i Lugansk’
Tranonkalam-baovao maro no voatampim-bava ao amin'ny mpilaza tena ho "Repoblika Entim-Bahoakan'i Lugansk" noho ny finiavan'ny manampahefana mpisintaka hanakely araka izay tratra ny taratra "fanozongozonana" avy aminny fampitam-baovao Okrainiana.
Sehatra SMS Mampiaka-Danja ny Tantsaha Madinika ao Ogandà
"Wefarm no Wikipedia ho an'ny tantsaha, na araka ny famariparitan'ny mpanorina azy hoe, 'Aterineto ho an'ny olona tsy manana aterineto.'"
Rosiana Mpijirika No Tao Ambadiky Ny Fanapahana Herinaratra Tao Okraina, Hoy Ireo Mpikaroka
Heverina ho nataon'ireo Rosiana mpisovoka ilay voalaza fa fanafihana ny aterineto izay nitarika fahatapahan-jiro vonjimaika tamin'ny herinaratra Okraniana, araka ny filazan'ireo mpikaroka Amerikana.
Tanora Mpamorona Avy Ao Puntland, Somalia: Mamorona Ny Fiaran'ny Fanantenana.
" Mba hahaverivery dia azy, fanaoko ny nanome azy zavatra vita tamin'ny plastika ary miteny azy mba hanambatra azy ireny. Heveriko fa avy amin'izany no nanombohan'ireny asa famoronana mahafinaritra ireny."
‘Cloud’ Hanihany Maro Taorian'ny Niampangàna An'i Shina Tamin'ny Nijirihany Ny Biraon'ny Famantarana Ny Toetrandro Any Aostralia
Nitondra setriny haingana tokoa tao amin'ny Aterineto ireo fiampangana hoe nanafika ny Birao Famantarana ny toetrandro ao Aostralia i Shina.
Manohy Ny Fanakanana Ny Mediam-bahoaka i Bangladesh, Mandrahona Tetikady Vaovao Amin'ny Fanaraha-maso
Noho ny tsy fisian'ny fandraisana andraikitra nasehon'ny governemanta, mampiahiahy ho an'ny toeran'ny fahalalahana miteny ao amin'ny firenena ny fivoarana mankany amin'ny fanaraha-maso henjana ny Aterineto.
Mali: Mikononkonona Ankivy Amin'ny Orange, Orinasa Goaibe Marorantsan'ny Antso Amin'ny Finday, Ireo Mpanjifa Tezitra
Misavorovoro ny tontolon'ny bilaogy Maliana tato ho ato ! Ny antony ? tsy faly amin'ny tolotra omen'ny orinasa goaibe marorantsana frantsay Orange ny mpanjifa. Nanapa-kevitra ny hanao ankivy amin'ny tolotra omen'io orinasa misandrahaka any amin'ny firenena afrikana 16 io ireo mpanjifa tamin'ny voalohan'ny volana desambra 2015.