· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Oktobra, 2018

Neil Harbisson: Mihaino ireo Loko

  31 Oktobra 2018

Nanana areti-maso antsoina hoe akrômatopsia i Harbisson, izay mahatonga azy tsy hahay hanavaka ny loko ankoatra ny mainty sy fotsy. Namorona ny "Eyeborg" izy hanampy azy amin'ny fandraisana ireo maridrefy alefan'ny loko ka hamadika azy ireo ho feo misongadina izay reny amin'ny alàlan'ireo taolana ao anatin'ny sofiny.

Shina: ”Tsy Hivarotra Aho Na Dia Mamono Ahy Aza Izany”

  31 Oktobra 2018

Lasa adala amin'ny kapitalisman'ny petrabola isan-karazany i Shina—ara-bakiteny, tamin'ny trangan'ilay mpampiasa vola iray izay tsy afaka nijery ny petrabolany tanaty aterineto rehefa nidina ny lanjan'ny vola tamin'ny herinandro farany teo. Saingy matokisa ireo mpampiasa aterineto mba hahita hatsikana ihany ao anatin'izany rehetra izany.

Shina: Fanadihadiana Twitter mikasika ny fialan'ny Google

  31 Oktobra 2018

Raha toa ka miandry ny fanapahan-kevitry ny Google mikasika ny hoavin'ny asany ao Shina ireo Sinoa mpampiasa Aterineto, nanomboka nanontany ireo mitovy aminy mikasika ny zavatra tokony hataon'ny Google ny mpampiasa aterineto iray ary inona no fiantraikan'izany raha toa ka manapa-kevitra ny hiala ilay orinasa.