Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Oktobra, 2016
Asehon'ny Tatitra Ny Fomba Ampiasain'Ireo Politisiana Ao Ghana Ny Media Sosialy Mialoha ny Fifidianana
Manombana sy mandahatra ny fidirana an-tsehatry ny antoko politika, ny mpitarika ny antoko politika ary ny sampa-draharaha fitantanana ny fifidianana manan-danja ao Ghana tao amin'ny media sosialy ny andiany faharoa amin'ny Fampilaharana ny Fitantanana ny Media Sosialy.
Netizen Report : Manjavona ireo Somaiso Mampifanolana any Kiobà

Mitombo ny famoretana ny mpanao gazety any Kiobà, sakanan'i Arabia Saodita ny LINE, ary gadrain'ny manam-ahefana Rosiana ny mpilalao satria manohintohina ny fivavahan'ny olona, Pokemon-style.
Madagasikara: Tsy Mbola Tara Izao Hianarana Aterineto
Nizara ny traikefany momba ny fanabeazana ireo zokiolona amin'ny Aterineto i Rijaniaina ,bilaogera monina eto Madagasikara, mpamolavola tetikasa sy fampiasa amin'ny solosaina izay maniry ny hanetsika izao tontolo izao avy amin'ny bilaoginy gasikara.mondoblog.org . Raisiko indray ny penina mba hanoratako ilay lahatsoratra izay manana endrika fampianaran-tena amin'ny solosaina "ho an'ireo vendrana". Zaraiko aminareo
Ny Vaovao Asongadin'ny Sampam-baovao Voasoratra Anarana Ara-panjakana Ihany Sisa No Havoakan'ilay Milim-pikarohana Rosiana Ho Lohalaharana

Niharan'ny teritery ny Yandex fa tsy maintsy misoratra anarana any amin'ny Roskomnadzor, sampam-baovaom-panjakana izay mifehy ny fampahalalam-baovao Rosiana.
Mila Ny Vaovao Farany Momba Ny Tondradrano Any Jakarta ? Misy Ny Fampiasa Ho An'Izany.
Manampy ny mponina any Jakarta amin'ny fanatsaràna ny vahaolan'ny governemanta amin'ny tondradrano matetika ilay fampiasan'ny haino aman-jery sosialy ao amin'ilay "labaoratoara velon'ny loza voajanahary".
Ny Manjò ny Zambian Watchdog: Nakatona Ny Tranonkalam-baovao Mpanohitra Mahery Vaika

Ny fanakatonana vao haingana dia mety nisy fifandraisany tamin'ny fitateram-baovaon'ny Watchdog amin'ny fifidianana ankapobeny 2016. Nanohana ny mpanao politika mpanohitra lehibe indrindra, Hakainde Hichilema, avy ao amin'ny Antoko Mitambatra ho an'ny Fampandrosoana ny Firenena (UPND) ny tranonkala.
Olona An-tapitrisany Maro No Milalao Amin'ny Findainy Ny Adin'i Duterte Filohan'i Filipina Manohitra ny Zava-mahadomelina
Nameno ny tontolo virtoaly tao tamina fampiharana amin'ny finday niparitaka be ny ''Ady amin'ny asan-jiolahy'' an'ny Filohan'ny Filipina Rodrigo Roa Duterte.
Nakaton'ny Manampahefana Etiopiana Ny Tolotra Aterineto Finday sy ny Tranonkala Media Sosialy Lehibe

Manahy ireo manaraka akaiky ny toe-draharaha fa mety fanombohan'ny dingana vaovao mampidi-doza izao (fanakatonana ny tolotra aterineto finday) izao taorian'ny herintaonan'ny fihetsiketsehana.
Manao Volavolan-dalàna Vaovao Amin'ny Fandrahonana Atao Amin'ny Alàlan'ny Aterineto i Indonezia, Fa Milaza Kosa Ireo Mpikatroka Fa Izy Ireo No Kendrena Amin'izany

"Ampiasaina sahala amin'ny fitaovana mahomby hanaparitahana tahotra amin'ireo feo te-hiampànga ny tsy rariny eo amin'ity firenena ity ilay lalànan'ny Aterineto."
Vao 6 Taona Monja, Saingy Efa Manana Mpankafy Manerana Ny Tany i Sefo Kicha Avy Ao India
"Kicha, mahafatifaty ianao ao anatin'ilay fandaharana. Ho an-jaza iray enina taona, miaka-tsehatra amin'ny fandaharan'i Ellen, fatratra izany ary dia nahavitra asa goavana ise. Tena fahombiazana"