Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Novambra, 2012
Tetikasa Anaty Aterineto Hanaraha-maso Ny Toetry Ny Làlana Any Rosia

Fomba fanaraha-maso ny toetry ny làlana sy ny fampanaraham-penitra azy amin’ireo lamina farany napetraky ny governemanta ny tetikasa "RosYama". Na iza na iza mahita làlana tsy manaraka ireo fenitra ireo dia afaka mampiasa ny tolotra RosYama.
Manohitra Ny Kolikoly Ny Tanora Ao Amerika Latina
Mizara lahatsary iray i Andrea Arzaba izay hanadihadiany ireo tetikasa tarihan’ireo tanoran’i Amerika Latina ho amin’ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra. Nandray anjara tamin’ilay Sehatra Fiadian-kevitry ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly Andiany Fahatelo,nokarakarain’ny Tambajotran’ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly (GYAC) any Brasilia, Brezila ny 5 sy 6 Novambra teo.
Hackathon Ho an'ny Daholobe: Ahoana ny Fanomanana Hackathon?
Amin'ity lahatsoratra manaraka ity, ny vahiny, J.J. Merelo, Dokotera amin'ny Fizika sady Profesora ao amin'ny Anjerimanontolon'i Granada, Espaina, no miresaka amintsika ny zavaniainany tamin'ny fanomanana hackathon ara-panabeazana ho fanazavana ny Hackathon rezionaly Fampandrosoana an'i Amerika Latina 2012 [en] izay hotontosaina amin'ny volana ambony amin'ny Desambra
Vahoaka Maleziana Manohitra Ny Fanadiovana ‘Terre Rare’ / Vovo-tany Tsy Fahita Firy
Voalaza fa hanangana ny toeram-panadiovana lehibe indrindra manerantany amin'ny resaka Vovo-tany Tsy Fahita Firy i Malezia taorian'ny nandàvan'ny fitsarana ireo fanangonan-sonia hanafoanana ny fahazoan-dàlana nomen'ny governemanta ho an'io tetikasa voalaza io. Setrin'izay, vondrana maro samihafa mpiahy ny tontolo iainana, mponina sy olom-pirenena velon'ahiahy no nanao dingana niroso tamin'ny hetsi-panoherana ilay fotodrafitrasa. Ireo mankasitraka dia milaza fa hitondra tombontsoa ho an'ny toekarena ao Malezia ilay tetikasa saingy marobe ireo vondrona miasa loha amin'ny lafy ratsy entin'izy io ho an'ny tontolo iainana sy ny fahasalamana.
Inona Marina Ny Hackathon? Ary Inona Ny Angon-Drakitra Misokatra?
Efa nambaranay tany aloha ny hackathon manaraka ho an'ny faritra Amerika Latina : Fampandrosoana an'i Amerika Latina 2012. Saingy mety tsy fantatry ny mpamaky maro ny dikan'ny hackaton na ny antony ilàna azy. Eto izahay dia manandrana mamaly ireny fanontaniana ireny amin'ny famaritana, ohatra, ary lahatsary resadresaka roa miaraka amin'i Mariano Crowe, teratany Arzantina, hacker.
Rosia: Manintona Ireo Mpandray Anjara Any Amin'ny Faritra Ny Valan-dresaka Mikasika Ny Fitorahana Bilaogy

Nifamory tany amin'ilay valan-dresaka izay nokarakarainà masoivoho fanaovan-gazetim-panjakana tao Môskoa ireo mpitoraka bilaogy avy any amin'ny faritra,. Fanokafana nikendrena ny media vaovao fotsiny ve izany, sa ezaka hampiharana ny fanaraha-maso ny aterineto?
Ireo Mpitoraka Bitsika Politika Malaza Indrindra Any Afrika? Ndeha Hahitsy Ny Lisitry Ny The Guardian
Ny 30 Oktobra 2012, namoaka ny 'Africa's top tweeters: political pioneers in the digital debate' (Ireo Mpitoraka Bitsika malaza indrindra ao Afrika : ireo mpisava làlana politika ao anatin'ny adihevitra dizitaly) ny The Guardian. Haingana loatra tamin'ny fanaovana tsoakevitra ve i David Smith ao amin'ny The Guardian? Eny, izany no hevitr'ireo Afrikana Sub-Saharana mpitoraka bilaogy ao amin'ny Global Voices.
Saint Lucia : Akondro Loharanon'Angovo Azo Havaozina Hoe?
Lahatsoratra iray tanaty blaogy tamin'ny 2011 mikasika ny fampiasàna ny akondro amin'ny famoronana solika avy amin'ny zava-maniry no nanome aingam-panahy an'i Dane Gibson hametraka fanontaniana vitsivitsy mikasika ny sehatry ny angovo azo havaozina ao amin'ny firenena kelin'i Santa Lucia ao Karaiba
Misokatra Ao Kambodza ny BlogFest Asia 2012
Mampiatrano ny BlogFest Asia 2012 i Kambodza izay antenaina hahazo olona manodidina ny 200 avy amin'ny firenena Aziatika maro. Ny hetsika izay hotontosaina ny 1-5 Novambra 2012 dia horaisin'ny tanàna mana-tantaran'i...
Italia: Ho an'ireo Tanora Tsy An'asa, na “miseho ho sarotiny” na manao sesitany ny tena?
Ny fanambaràna vao haingana nataon'ny minisitry ny asa dia niteraka resabe sy nanainga adihevitra be momba ny tsy fananana asa sy ny zara fa asa ho an'ny tanora, izay mametraka koa ny olana hoe "Hanova ny firenena mba tsy hiovàna firenena”.