Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Aogositra, 2019
Tsy nahomby taorian'ny valifatin'i doxxing ny fikasan'ny sehatra fifaneraserana mpomba an'i Shina izay nikendry ny hanenjika ireo mpanao fihetsiketsehana tany Hong Kong
Vetivety dia nanajanona ny tetikasan'izy ireo ny hitsongo dia ireo mpanao fihetsiketsehana hanoherana ny fanolorana olomeloka tao Hong Kong ireo mpikambana tao amin'ny sehatra fifaneraserana mpomba an'i Shina, taorian'ny nanabaribariana tao amin'ny Aterineto ny mombamomba azy manokana, izay ahitana ny laharan'ny karapanondro sy ny toebolan-dry zareo any amin'ny banky.
Palestina: miantso mifananihany amin'ny tafika israeliana
Miaraka amin'ny balafomanga sy baomba, andrarahana taratasy kely (flyer) ny Palestiniana ao Gaza, izay mangataka azy ireo mba hamono ireo mpikomy Hamas sy handositra ny tranon'izy ireo.
Taratasim-pifandraisana DigiGlot : mahita toerana any anatin'ireo sehatra tsy mitsahatra fandefasana mozika ny rock ao Galles
Ny taratasim-pifandraisan'ny DigiGlot avy amin'ny Rising Voices dia manome topimaso momba ireo hetsika santatra, adihevitra sy fivoaran'ny fifanenàn'ny fiteny sy ny teknolojia manerana izao tontolo izao
Mampifandray ireo mpampianatra 5.000 amin'ireo mpianatra ao anatin'ny sehatra antserasera vaovao ireo mpikaroka momba ny teknolojia ao Tanzania
Manova ny tontolon'ny fianarana any Tanzania ny Smartclass, sehatra antserasera vaovao mampifandray ireo mpampianatra amin'ny mpianatra amin'ny sokajin-taona rehetra.
Ejypta: Bilaogera miresaka momba ireo “Zanakalahin'ny Ziona”
Mety hoe nijanona tsy nianjera ny baomba tao Gaza, saingy mbola mitohy ny ady an-tserasera goavana, amin'ireo bilaogera amin'ny andaniny sy ankilany manetsiketsika ny vondrony mba 'hanongotra' ny fisian'ny hafa - farafaharatsiny ao amin'ny aterineto. Bilaogera Ejiptiana roapolo mahery no manambana ady amin'ny tafika bilaogera Israeliana.
Niseho niserana tao amin'ny tranonkala voajirika an'ny governemantan'i Trinité sy Tobago i Guy Fawkes
Tranonkalan'ny governemanta ao Trinité sy Tobago maherin'ny ampolony no nolotoina tamin'ny fitrandrahana piraty izay heverina ho ilay fijirihana informatika lehibe indrindra tsy manampaharoa mbola tsy fahita hatramin'izay tao amin'ny firenena.
Ekoadaoro : Mampiroborobo ny kolontsain'ny indizeny Saraguro
Mirehareha amin’ny maha mpikambana azy ao amin’ny kolontsain'ny indizeny Saraguro any Ekoadaoro i Angel Gualan. Nanao dingana izy hampiroboroboana ny kolontsainy, ny dihy sy ny sakafo amin’ny alalan’ny fampiasana ny bilaoginy, mba hahafan’ny hafa mahatakatra kokoa ity vondrona indizeny ity.