Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Desambra, 2015
Taorian'ny 525 Andro Nitànana Azy Ireo Am-ponja , Miaro Ny Tenany Eo Anoloan'ny Fitsaràna Ireo Etiopiana Mpisera Amin'ny Aterineto
Navela hiaro ny tenany teny amin'ny fitsaràna, nolàvin'ireo Etiopiana mpisera amin'ny aterineto ny vesatra hoe manao hetsika manakorotana fanjakana ary notantarainy ny fampijaliana sy ny fanavakavahana ara-poko tany am-ponja.
Namoaka ny rafitra fanaraha-maso ny media an-tserasera mandeha ho azy hitadiavana ireo votoaty eksitiremista ny Rosiana mpiandraikitra ny sivana
Tany alohaloha tany ny Roscomnadzor efa naminavina hanara-maso ny aterineto rosiana iray manontolo ijerena votoaty eksitiremista saingy tsy nahefa noho ny tsy fahampiam-bola ka dia ny seha-baovao an-tserasera ihany no hifantohana
Aterineto ambany fikoriana, fanantenana ambony nirariana: Fandraisana anjara nomerika tamin'ny fifidianana tao Venezoelà
Na dia ambany fikorisa aza ny aterineto ary voamarika tany amin'ny toerana sasantsasany ny fahatapahan'ny aterineto miverimberina, dia voaporofo fa mitana anjara toerana lehibe amin'ny resaka ifanaovana amin'ny vahoaka sy ny fivezivezen'ny vaovao momba ny kandidà, indrindra ireo avy amin'ny fanoherana ny tranonkalan-tserasera.
Netizen Report: Tsy Nampidirin'ny Manampahefan'ny Firenena Mikambana Tamin'ny Dinika Momba ny Aterineto Manerantany Ao Brezila Ny Mpanohitra
Manome topi-maso iraisampirenena momba ny fanamby, fandresena, vaovao malaza mikasika ny zo an'aterineto manerantany ny Netizen Report an'ny Global Voices Advocacy.
Mpiserasera Ao Taiwan No Ankamaroan'ireo Shinoa Mpampiasa Aterineto Manao Tsidi-Pahitra Ny Facebook
Tsai Ing-wen, ilay tsara toerana ho lasa filoham-pirenena manaraka ao Taiwan, vao haingana no nahita ny pejy Facebook rakotry ny hafatra tsy mamokatra. Sahala amin'ny toa hafatra nosoratan'ireo Shinoa mpisera mpomba ny governemanta izay afaka niditra tampotampoka teo tamin'ilay sehatra media sosialy, izay nosakanana nanerana an'i Shina nanomboka ny taona 2009. Raha tokony ho nofafàna.
Ao Amin'ny Tatitra Momba Ny Fahalalahan'ny Aterineto Any Afrika, Tena Ratsy Ny Isa Azon'i Gambia
Gambia, ilay fanjakana kely any Afrika Andrefana, no faharoa amin'ny ratsy indrindra rehefa miresaka ny fahalalahan'ny Aterineto any Afrika atsimon'i Saharà.
Mitondra Ny Fifanarahana Nokleary Iraniana Hanakaiky Kokoa Ny Tena Zavamisy Ny Tatitry Ny Masoivohon'ny Firenena Mikambana Momba Ny Atomika
Nambaran'ny tatitra fa nitsahatra tamin'ny 2009 ireo ezak'i Iràna hamorona fitaovam-piadiana nokleary. Ny sasany indray nahita azy io ho toy ny fanamafisana fa poakaty sy tsy misy ilàna azy ireo sazy, izay ny betsaka taminy dia napetraka taorian'ny 2010.
Mihevitra ny hanamafy kokoa ny famerana fividianana karatra SIM amin'ny finday i Rosia
Efa mila pasipaoro ianao raha hividy karatra SIM vidina mialoha ny fahana mialoha ny ampiasana azy ao Rosia, saingy tian'ny mpanao lalàna hoferana bebe kokoa ny fivarotana karatra SIM, ka ny antony ara-piarovana "fandrahonan'ny mpampihorohoro" no voalohan-daharana amin'izany.