· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Avrily, 2019

Venezoela: Blogstock faharoa

  29 Avrily 2019

Nandritra ny roa andro, nivory faharoa izay fanao isan-taona ny tontolon'ny bilaogy Venezoeliana [ES] tao amin'ny toerana iray lavitry ny renivohitra mba hanao fety miaraka amin'ny tarika mozika sy ny toaka.  Blogstock no anaran'ny "fety". Tsy misy ny famelabelaran-kevitra na symposioma fa fetibe ao anatin'ny fiarahan'ireo mpinamana nomerika fotsiny izany.

Shina: Lany andro ny bilaogy?

  25 Avrily 2019

Tamin'ny volana jolay, nanambara i Maitian, bilaogera mavitrika fa lany daty ny fibilaogina ary nanapa-kevitra hivadika ao amin'ny tranonkala tambajotra sosialy izy mba hifandray amin'ny namany.

Sina: Voatohitohina Ilay Rindrinafo Goavana

  22 Avrily 2019

Naka nanaraka azy ilay filàna hanivan-tena mba hahatafavoahana velona ny fahataperan'ny Rivopanovàna Ara-kolontsaina tao Sina telopolo taona lasa izay. Raha toa ka efa afaka miresaka malalaka tsara ireo Sinoa —zo iray arovan'ny lalàmpanorenana Sinoa— mbola misy foana ireo andiam-pitsipika sy fenitra tsy voasoratra hamaritana ny fotoana sy ny tranga mahatafiditra ny mpanatrika.

Bilaogeran'ny herinandro: Salam Adil

Taorian'ny lahatsoratra 90 nivoaka ara-potoana ao amin'ny Global Voices, dia nanjary fantatry ny rehetra ny fiangavian'i Salam Adil: Raha tsy mamaky lahatsoratra hafa ianao amin'ity herinandro ity, dia vakio ity. Bilaogera nanomboka tamin'ny volana Mey 2005, nanatevin-daharana ny GV niaraka tamin'i Iràka i Salam tamin'ny fiandohan'ny taona 2006.