Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Jolay, 2009
Afrika: Miteraka adihevitra ny fahatongavan’ny tambajotra Seacom
Miteraka adihevitra sy fahalinana teo amin’ny tontolon’ny fitoraham-blaogy Afrikana ny fahatongavana tambajotra ambany ranomasina izay hampiakatra ny fatran'onja [bandwidth] sy hampidina ny sandan’ny fahazoana Aterineto manerana an’i Afrika. Nalefa nivantana tamin’ny Alakamisy i Seacom, izay mampifandray an’I Afrika atsimo, Tanzania, Kenia, Oganda ary Mozambique amin’i Eoropa sy Azia, ka hampiditra an’I Afrika Atsinanana sy Atsimo ho ao anatin'ny tambajotra manana fatran'onja midadasika.
Malezia: “Aiza ny demokrasia?”
Roa herinandro lasa izay no nankalazan'ny 100th day niasany ny Praiminisitry ny Malezia Najib Abdul Razak. Nefa maro tamin'ireo mpifidy azy no nifidy ny hanamarika ilay fotoana amin'ny fanontaniana hoe “Aiza ny demokrasia? Noforonina ilay blaogy 711whereisdemocracy mba hampaherezana ireo vahoaka Maleziana hanohana ny hetsika fanoherana.
Azerbaijana:Tweet farany talohan'ny fisamborana
Emin Milli, iray amin'ireo tanora roa sady mafana fo avy amin'ny firaisamonin'olon-tsotra voadaroka mafy sy notanana an-trano maizina roa volana noho ny hooliganism tany Baku tamin'ny herinandro lasa teo, no nandefa hafatra tamin'ny alalan'ny tweet tamin'ny 24 Jona. Tsy vitan'ny hoe ity no hafatra farany nalefany talohan'ny nisamborana azy, fa sady mbola manohina ny fo ihany koa.
Madagasikara: resaka tati-baovao mandritra ny krizy!
Koa satria moa mbola mitarazoka ny krizy politika eto Madagasikara saingy efa tsy dia liana amin'ny toe-draharaha loatra intsony ny iraisam-pirenena dia nihaona hiresaka momba ny fanangonana sy ny fitateram-baovao...
Shina: Noana ny mpiserasera, tsy misy resa-bary intsony!
Nahantona hatramin'ny faha-8 jolay lasa teo ny Fanfou izay shinoa mpifaninana amin'ny Twitter. Hatramin'izao fotoana ny hany nolazain'i Wang Xing mpanangana ny Fanfou dia hoe noho ny antony “fikojakojana” io...