Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Febroary, 2016
Iza No Mbola Mila Elefanta Raha Afa-Milalao Polo Amim-Pandehanana Kodiaran-Telo Ianao? (Afa-Mihira Ihany Koa)
Nisy lalao vaovao noforonin'ny mpitazona efitrano fandriambahiny avo lenta iray lasa fotoana malaza fanao isan-taona ao Sri Lanka, fa miharomotra ny olona milalao Polo Tuk-Tuk.
Mitarika Ny Olona Hidina An-Dalambe Ny Fahalotoan'ny Rivotra Any Makedonia, Ary Misy Fampiharana iray Ho An'Izany
Nanampy hitarika fihetsiketsehana faobe ny fampiharana angon-drakitra misokatra "Ny Rivotro", ka nahatonga ny olom-pirenena Makedoniana hahafantatra ny vokatry ny fanarahamaso ny fahalotoan'ny rivotra. Dia tonga ny fanafihana DDoS sy ny faneren'ny governemanta.
Tsssss! Mpanolotsaina Vaovaon'i Putin Momba Ny Aterineto, Voasaringotra Aminà Fijirihana Ny Aterineto
Ny mpanolotsaina vaovaon'i Putin amin'ny resaka aterineto dia fantatra amin'ny hamafiny manohitra ireo loharanona tambajotra vahiny izay mandika ny lalàna Rosiana. Ankehitriny voafatotra amina torrent tracker maro mampiahiahy i German Klimenko.
Midika Hetra Vaovao Sy Fifehezan-kibo Ho An'ny Vahoaka Any Trinite Sy Tobago Ny Fahasahiranana Ara Toekarena
Nilaza ny Minisitry ny Vola, Imbert, fa ilaina ny fiovana mba hamonjena ny toekarena amin'izao endriny marefo izao, satria tsy mitsahatra mitotongana ny vidin-tsolika. Tsy nanampy, ihany koa, ny fandaniana be loatra nataon'ny fitondrana teo aloha.
Mibahana Ireo Fitaovana Ahafahana Midify i Shina, Miaraka Amin'ny Fanampian'ireo Mpamatsy Tolotra “Cloud”
Vinavinain'ireo manampahaizana ho 1% hatramin'ny 3% eo ireo mpampiasa Aterineto ao Shina no mampiasa fitaovana fihodivirana mba hitsidihana ireo vohikala any ivelany. Fa mety hiova io miaraka amin'ireo fepetra vaovao.
Tsy Momba Ny YouTube Ihany Ny Sivana Atao Amin'ny Aterineto Any Pakistàna
Mety ho tsy misy mihitsy, nifototra tamin'ny fanapahankevitra ad hoc izay noraisina tao anatin'ny tsy fisian'ny mangarahara sy ny tsy fandraisana andraikitra, ny fitsipika mifehy ny Aterineto any Pakistana.
Notorian'ny Orinasa Mpanolotra Aterineto Eny Amin'ny Fitsarana Noho Ny Fitsikilovana An'Aterineto I Kremlin
“Nahita mpanolotra aterineto roa vonona ny hiara-dia aminay amin'ny ady atao amin'ny SORM izahay,” hoy ny fanambaran'i Leonid Volkov, mpiara-manorina ny Fikambanana Fiarovana ny Aterineto.