Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Oktobra, 2014
Hanome Hevitra Ireo Fitondrana Mpamoritra Hanitatra Ny Sivana Ve Ny Zo Hohadinoina?

“Haka tombony avy amin'ireny didim-pitondràna ireny ireo governemanta. Ho afaka hanakona ny hetsika tsy mendrika nataony mba hitahirzany ny lazany aty anaty Aterineto ireo olona manana fahefana," hoy i Dhouha Ben Youssef, ilay Toniziana mpiaro ny zo ao amin'ny Aterineto.
Ho Tapaka Tanteraka Ve Ny Aterineto Ao Hong-Kong?

Mety ho tratran'ny fahatapahan'ny tambajotra tanteraka ve i Hong Kong? Milaza ny manampahefana fa mety hitranga izany, saingy sarotra an.
#FreeSaeed: Enin-taona Tany Am-ponja Ilay Iraniana Mpikira Habaka

Voaheloka ho faty tahaka ny "mpanimba ny tany" noho ny rindrambaikony open source izay ampiasain'ny hafa hitrohana sary mamoafady i Saeed Malekpour tany am-boalohany.
Latsaky ny 10%-n'ny Tontolo Ambanivohitra Afrikana Atsimon'i Sahara No Mampiasa Herinaratra. Inona No Atao Mba Hanovàna Izany ?
Dimy ambinifolo isan-jaton'ny mponina maneran-tany no miaina aty Afrika nefa ny 3 isan-jaton'ny herinaratra ampiasain'izao tontolo izao ihany no jifainy. Maro ireo fikambanana mitondra karazana tetikasa mba hanazavàna io tanibe io.
Nahatery Ny Twitter Handrafitra Indray ny Rafitra Napetrany Ny Fiarahan'ny Japoney Misioka
Ny fahazaran'i Japana mandefa sioka ao anatin'ny fotoana indray miaraka amin'ny fotoana sasantsasany no nahatonga ny Twitter hihintsana teo alohaloha teo.
Inona no Tokony ho Fantatry ny Mpanao Fihetsiketsehana ao Hong Kong (sy ny any An-kafa) Momba ny FireChat

Manazava amin'ny mety hampidi-doza amin'ny fampiasana ny FireChat ny manampahaizana manokana roa momba ny fiarovana an-tserasera -- ary manolotra torohevitra tsotra vitsivitsy amin'ny fiarovantena nomerika rehefa ao anatin'ny tontolom-panoherana.
Manamafy Ny Fitaovam-pifandraisan'Izy Ireo Amin'ny Finday Ny Mpanao Fihetsiketsehana Ao Hong Kong Manoloana Ny Fandrahonana Ara-teknika

Miara-miasa ny mpikatroka sy ny manam-pahaizana momba ny fiaroana mba hamaritra izay fitaovam-pifandraisana afaka ampiasaina sy hanampy ireo mpanao fihetsikesehana -- sy izay tsy hampidi-doza azy ireo.