Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Novambra, 2014
Herin'ny Masoandro Isan-Tokantrano Mamarana ny ‘Fanavakavahana Ara-Kerinaratra’ ao Bangladesh
Tsy mba manana herinjiro ny 45%-n'ny ao Bangladesh—izay monina any ambanivohitra ny ankamaroany. Nampiova izany fitongilanan'ny mizana izany ny Tetikasa Masoandro Isam-Baravarana.
Tsy Mety Mahita Ronono Na Entana Fototra Hafa Any Venezoelà Noho Ny Tsy fahampian-tsakafo? Afaka Manampy Anao Ity Rindrambaiko Ity
Ny Abastéceme dia mamantatra ny toerana misy ireo entana toy ny ronono, lafarinina ary mofo any Venezuolà, toerana izay sarotra ahitàna ireo entana fototra indraindray.
Taorian'ny 25 taona, Nahatsapa Ho Niaina Tao Anatin'ny Demôkrasia Ihany Ve Nony Farany Ry Zareo Hongroa?
Tsy zava-baovao mihitsy ny nahatonga an'i Hongria ho 'firenena tsy malalaka'. Dimy ambiroapolo taona taorian'ny nirodanan'ny Rindrin'i Berlin, mitsangana ireo Hongroa mba hangataka ny tena demôkrasia marina.
Hitan'ny Mpikatroka ny Mahareniranontay Ny Reniranon'i St. Petersburg
Tamin'ny fikarohana nomen'izy ireo anarana hoe “Zotran-Diky", dia nametraka fitaovana - famantarana GPS sivy nohakelezina sy tsy mety lena ao anaty tranom-pivoahana tamin'ny fonenana iray ireo mpikatroka ary nanomboka nandrakitra an-tsarintany ny marika napetraky ny fitaovana.
Nanangana Hetsika Diezy Twitter Hanoherana Ny Orinasam-pifandraisana Goavana Iray Ny Ogandey
Nimenomenona nandritra ny taona maro noho ny tolotra mahatsiravina omen'ny MTN an'ireo mpanjifany ny Ogandey, ka nanapa-kevitra hanambatra ny heriny ireo Ogandey ary nanangana ny hetsika diezy Twitter manohitra ny MTN.
Google Bus Mitondra Fahaizana Aterineto Hoan'ireo Mpianatra Antsasa-Tapitrisa Ao Bangladesh
"Mahafinaritra fotsiny izy :) zava-baovao amiko ilay izy saingy tena faly tanteraka aho. Mino aho fa hiparitaka atsy ho atsy sy halaza ao Bangladesh izany…hoy ny mpisera Twitter iray miresaka ny tetikasa google bus.
Maninona i Madagasikara No Tafalatsaka Indray Anatin'ny Haizina?
Ireo fandisoam-panantenan'ny orinasa mpamokatra herinaratra any Madagasikara araka ny fahitan'ireo Malagasy mpampiasa aterineto.