· Mey, 2017

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Mey, 2017

Brezila: Topimaso An-tsarin'ny Campus Party Tao Brezila

  30 Mey 2017

Nifarana ny Alahady teo ny Campus Party taona 2009 tao São Paulo. Mihoatra ny 6.500 ny olona nandray anjara tamin'ity andiany faharoa ity izay azo lazaina fa hetsika lehibe indrindra momba ny teknolojia sy ny kolontsaina nomerika ao Amerika Latina. Ho hitanao ato ny sasany amin'ireo sary mahaliana indrindra.

Tonizia: Ary Tratran'ny Sivana I Arabicca!

Nanapa-kevitra hanohy indray ny famahanana bilaogy tamin'ny herinandro lasa ilay bilaogera Toniziana Fatma Arabicca izay voasambotra roa volana lasa izay. Tonga ireo manampahefana nanakana ny lahatsoratra iray monja tao amin'ny bilaoginy vaovao . Naneho hevitra momba ny fandrarana sy ny fanasivanana ireo bilaogy hafa ihany koa ireo bilaogera Toniziana .

Azerbaijan: Tonga Ao Baku Ny DOTCOM

  27 Mey 2017

Tamin'ny alina farany teo, tonga tao Baku, Azerbaijan ireo mpandray anjara Amerikana ao amin'ny Departemantam-panjakana Amerikana izay manohana ara-bola ny tetikasa DOTCOM mba hamory miaraka ireo tanora Armeniana, Amerikana ary Azerbaijani amin'ny famoronana fampitam-baovao manaitra ara-tsosialy.