Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Jolay, 2008
Arabia Saodita: Ifanavahana hatramin'ny rohy
Efa diso fantatry ny rehetra fa iainana andavanandro ny fifanavahana ny lahy sy ny vavy - fa mba manaoahaoana kosa ny aty an-tserasera? Moa afaka ampiarahana amin'ny vondron-drohy iray ve ny anaran-dahy sy ny anaram-bavy? Nivanivany tamin'ilay hevitra ny mpamaham-bolongana Saodiana iray.
Bahrein: Fanandratana ny vondrom-bolongana miteny arabo iray
Maro amin'ny mpamaham-bolongana any amin'ny tontolo Arabo no mampiasa ny tahalam-bolongana miteny arabo tahaka ny Jeeran sy ny Maktoob, hany ka nihoatra ny sisintanim-pirenena maro ny fivelaran'ny tontolony. Mpamaham-bolongana Bahrainita malaza iray, Shaima Al Watani, no mankalaza ny tsingerintaona voalohany nidirany tao amin'ny vondrom-piaraha-monin'ny mpamaham-bolongan’ i Jeeran. Shaima, izay manana ny bolongana antsoina hoe ‘Scattered...
Jordana : Nametraka hafatra tamin'ny vohikala i Abdallah mpanjakan'ny Jordana
Tamin'iny faran'ny herinandro lasa teo iny, dia nametraka hafatra roa tamin'ny vohikala i Abdallah faha-II mpanjakan'ny Jordana : tao amin'ny gazety Ad-Dustour (teny Arabo) any Jordana, sy ho valin'ny lahatsoratra napariaky Naseem Tarawnah tao amin'ny The Black Iris [Voamaso mainty]. Ireo hafatra ireo dia tohin'ny tafatafa malalaka vao nifanaovan'ny mpanjaka tamin'ny gazety tany an-toerana izay nanolorany...
Palestina : Nomena loka, avy eo nampijaliana ny mpanao gazety Mohammed Omer
I Mohammed Omer dia mpanao gazety mbola herotrerony avy o Rafah, any Gaza. Vao herinandro maromaro lasa izao dia nahazo ny loka “Martha Gellhorn Award” izy noho ny fanadihadiana nataony mikasika an'i Gaza, raha vao 24 taona monja. Tamin'ny fiverenany nefa dia notazomin'ny Shin Beit i Omer, ary tapak'andro taorian'io...
Shina : Finday ahafahana miblaogy omena maimaim-poana
Mety iharan'ny fandraràna ny fanaovana tatitra ara-blaogin-dahatsary [Vlogging] manodidina ny lalao Ôlaimpika (araky ny fiheveran-dry zareo), ary manantena ry zareo fa tsy hahakasika ny tolotry fringsters izany izay vao nametraka tolotra vaovao Finday ahafahana miblaogy omena maimaim-poana hoan'ireo rehetra izay mitatitra ara-blaogin-dahatsary ny lalao Ôlaimpika.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...