Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Avrily, 2017
Nanakana Sehatra Media Sosialy Miisa 22 Tao Kashmir Ny Governemanta Indiana

"Amin'ny fanehoana ny lafiny hafa amin'ny tantara ao Kashmir, afaka naneho nandritra ny fotoana kely ny hasarotry ny tantara sy ny fifandirana tena sarotra ao Kashmir ny mponina ao an-toerana ."
Te Hiditra Mora Foana Amin'ny Tahirin'ny Fihaonan'Olon-droa Antserasera Ny Manampahefana Rosiana

Manantena hahita fitiavana ao Rosia ve ianao? Raha eny, ary mikasa hampiasa aterineto mba hihaonana amin'ny olona ve ianao, tsy dia an-takonana araka ny antenainao angamba ny tohiny.
Manome Topi-maso Momba Ny Firotsahan'ny Miaramila Amerikana An-tsehatra Tao Azia Atsimo Atsinanana Ny Mozea Antseraseran'ny CIA
Azia Atsimo Atsinanana dia faritra nisian'ny firotsahana an-tsehatry ny Amerikana tamin'ny Ady tao Vietnam, izay nitarika ny fihitaran'ny hetsiky ny milisin'ny CIA tany Laos sy Kambodza.
Lalao An-dahatsary Manome Topimaso Kely Somary Hafa Momba Ny Revolitiona 1979 Iraniana

Tantara an-dahatsary iray nataonà Iraniana no mahavita zavatra tsy fahita firy hanomezana fitantarana azon'ny rehetra raisina sy tena marina momba ny tantaran'i Iràna tsy nasiana marimaritra iraisana, na ny votoaty, na ny asa famoronana tao anatiny.
Tetikasa Fametrahana an-Tsarintany Ifarimbonana ireo Toerana Marefo Indrindra Hanatsarana ny Vonjy Voina

Mampiaraka ny asan'ny mpirotsaka an-tsitrapo mandray anjara any lavitra any, ireo mpitarika ny fiarahamonina eny ifotony ary ireo fikambanana mpamonjy tra-boina ny Tetikasa Miising Maps
Rosia: Sambany Misy Fampiharana Vahiny Natao Fampitàn-kafatra Nampidiriny Ho Ao Anatin'ny Firaiketana Federaly

Sambany hatramin'izay, no nampidiran'ny Roskomnadzor, ilay mpanivana federaly ao Rosia, fampiharana fampitàn-kafatra avy any ivelany ao amin'ny aterineto ho ao amin'ny " firaketana ireo fandrindràna sy fandefasana vaovaony", ny orinasa Soisa Threema.
Namoaka Boky Mirakitra ny Tantaran'ny Wikipedia Amin'ny Teny Arabo Ny Wikimedia Am-piposahan'ny Masoandro
Nivoaka ny boky voalohany mitantara ny tantaran'ny Wikipédia, iray amin'ireo boky vitsy an'isa eto amin'izao tontolo izao mirakitra ny rakipahalalana.
Netizen Report: Mitombo Ny Sivana Ao Venezoela’

Miatrika fandrahonana hatrany ao anatin'ny fihetsiketsehana ireo mpanao gazety Venezoeliana, sakanan'i Rosia ny Zello, ary mampiasa fandrahonana ny "vaovao faikany" ireo mpanao lalàna ao Azia Atsimo Atsinanana mba hanamarinana ny sivana.
Fisamborana Sy Fandrahonana Ireo Mpitantana Ny Telegram Sy Mpanao Gazety Mialoha Ny Fifidianana No Hitan'ny Iraniana

Niezaka ny hametra ny fahalalahan'ny Telegram milaza ny vaovao mahakasika ny fisamborana noho ny votoaty ratsy na vetaveta ny Mpiambina Revolisionera. Ity no fotoana voalohany nifantohan'ny famoretana amin'ny firehana ara-politika.