Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Marsa, 2020
Bar antserasera iray natsangan'ny orinasa ao St Petersburg ho an'ireo Rosiana naniboka ny tenany
Mihamitombo ny isan'ny olona tratran'ny coronavirus ao Rosia, nisy ainganasa iray ao St Petersburg namoaka "bar virtoaly" izay ahafahan'ireo Rosiana nanoka-tena manangana finamanana sy tsy hahatsapa loatra hoe manirery.
Atahorana ho lany tamingana ny hazo maitsoririnina hitsaboana homamiadana any Nepal
Atahorana ho lany tamingana any Nepal ny hazo Taxus mairei. Mila dingana mivaingana i Nepal mba hiarovana ireo hazo ireo ary mila mampiasa rafitra maharitra amin'ny fitangosana ny ravina.
Fanina amin'ny fandikan-teny: Nahoana ny Google Translate matetika no mandiso amin'ny fiteny Yorùbá sy ny fiteny hafa
Tonga ny adihevitra sy ny olana raha miha-maro ny orinasan'ny teknolojia mikasa ny hanome fandikan-teny sy fahafaha-miditra amin'ny fiteny samihafa amin'ny aterineto, indrindra rehefa miresaka ny fahamarinan'ny fandikanteny sy ny fiovana ara-kolontsaina izany.
Faly ny vondrona media ao Filipina fa nilaza ny hiaro ny fahalalahan-gazety ny orinasan-teknolojia voampanga ho nanao fanafihana an-tserasera
"Fandresena kely izao ao amin'ny tolona ataonay ho amin'ny fahalalahan'ny gazety. Miantso ny orinasan-teknolojia rehetra izahay tsy hamela ny fotodrafitrasany ho ampiasain'ny fahavalon'ny fahamarinana."
Fanakatonana ny Aterineto taona 2019: Mbola mijanona ho lohalaharana amin'ny lisitr'ireo ratsy indrindra i India
Tamin'ny taona 2019, tao India fotsiny no nahitana ny fanapatapahana ny fidirana amin'ny aterineto in-121, hoy ny tatitra vaovao avy amin'ny Access Now.