Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Jona, 2014
Mondialy : Mody Ny Rosiana
Mampionon-tena ho ekipa mampalahelo amin'ny zava-bitany ny Rosiana.
Mifanditra Amin'ny Zo Handefa Mondialy Ny Fantsona Fahitalavitra Eto Afrika
Noho ny ady ara-pitsarana sy ny fanapahan-kevitry ny tambajotram-pahitalavitra, dia mety hisy ny mpanaraka ny fiadiana ny amboara manerantany eto Afrika no hosahirana amin'ny fanarahana azy.
Ataovy Google Fotsiny? Tsy Ao Shina Anefa Satria Mbola Mikatona Ny Google Ao
Google, Gmail sy ny tolotra hafa ao amin'ny aterineto goavana no nanjary tsy azo idirana nanomboka tamin'ny 30 mey, saingy azo hidirana ao amin'ny tambajotra virtoaly mahaleotena (VPN) sy ny habaka fanitarana ao Shina kosa ireo.
Mampahafantatra Momba Ireo Mpilatsaka An-tsitrapo Mamelona Ny Wikipedia Ity Kaonty Twitter Ity
Miezaka mampahafantatra ny asan'ireo "Wikipediana" ny fisantaran'andraikitra iray. Tetikasa tsy ofisialy mamondrona mpamoaka lahatsoratra isan-karazany isa-kerinandro ny WeAreWikipedia mba hanasongadina vaovao mikasika ireo pejy Wikipedia ankafizin'izy ireo indrindra ary misioka izany amin'ny alalan'ny fampiasana ny marika @WeAreWikipedia.
Eo Amin'ny Làlan'ny Vola Ireo Mpijirika Informatika
Nisy ny Sabotsy 7 Jona ny hetsika " Làlan'ny Vola", andron'ny fijirihana informatika isam-paritra, nokarakarain'ny Hacks/Hackers, mba hanarahana ny topan'ireo volam-bahoaka manerana an'i Amerika Latina.
Fanazavana Sasantsasany Mikasika Ny Fitsipika Vaovao Mifehy Ny Bilaogera Rosiana
Namoaka tahirin-kevitra milaza antsipirihany mikasika ny fomba fampiharana ny lalàna mifehy ny bilaogy izay hanan-kery amin'ity fahavaratra ity farafahatarany ny sampan-draharaha Rosiana misahana ny fandaminana ny aterineto, Roskomnadzor.
Terra Incognita Hoan'ireo Mpisera Google Chrome
Diso fanantenana amin'ireo fantim-baovao mikasika ny toerana sy ny olona izay anisan'ny vaovao mafana ve ianao? Raha izany, mila mametraka ity fanitarana (extension) chrome ity ianao?
Inona no Malaza Amin'ny Aterineto Ao Okraina Atsinanana
Manohy amin'ny fampiasana ny tambajotran-tserasera ireo milisy roa mifanandrina ho fampitàna ny fizotran'ny hetsika (fanentanana) ara-miaramila ataon-dry zareo
Tovolahy Mpianatra Teratany Zambiana Nahazo Sertifika Avy Amin'ny Microsoft
Nahababo ny fon'ny tontolon'ny teknolojia vaovao (TIC) ilay zatovolahy Zambiana fiaviana rehefa tafiditra ho Microsoft Technology Associates (MTA) tanora indrindra tao Eoropa.
Fomba 3 Kasain'ny Governemanta Rosiana Handaminana Ny Web
Maro ireo sampan-draharaham-panjakana ao Rosia amin'izao fotoana izao no eo am-pandrafetana ny naotim-panjakana hamaritana ny fomba hampiharan'ny manampahefana tokoa ity lalàna vaovao mampiady hevitra momba ny aterineto ity.