· Marsa, 2009

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Marsa, 2009

Meksika: Notsongaina handray anjara amin’ny mozika Orkestra YouTube ny mpitendry anankiroa.

Notsongaina hilalao ao amin'ny Mozika Orkestra Iraisam-pirenena ireo mitendry Meksikana roa, tetika fiaraha-miasa ampiasaina ny gazety ara-tsosialy amin’ny alalan’ny haino an-tsofinan’ny horonantsary YouTube. Samy nampiditra horonantsary mampiseho ny talentany eo amin'ny mozika i Manuel Zogbi avy amin'ny saltillo sy ny mpikirakiran'ny YouTube Intisamente ao veracruz mba hiavaka ao anatin'ny fifaninana.

08 Marsa 2009

Bolivia: Nandrakotra ny Twitter ny Fitsampan-kevi-bahoaka

Raha vao nikatona ny fifidiana nananerana ny Bolivia izay nentina nanaovana fitsampan-kevi-bahoaka ho fanovana ny lalampanorenana , betsaka tamin’ireo firenena isankarazany izay mpampiasa ny twitter no niasa mafy nandefa ny hafatr’izy ireo momba ny traikefa hananan’izy ireo avy amin’ny toerana misy azy ireo.Araka ny fandaminana mba ahafahana mametraka eo ampivoany ny vaovao avy amin’izy ireo dia mampiasa ny famantarana #referendum.

05 Marsa 2009