Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Novambra, 2011
Resadresaka Niarahana Tamin'i Izumi Mihashi Avy Amin'ny GV Lingua Japoney
Ny momba an'i Izumi, ny fahombiazany amin'ny fitarihany ny fakàna mpikambana vaovao sy ny fanangànana ny ekipa misahana ny Lingua Japoney, ny dingany manaraka, sy ireo eritreritra mikasika ny manodidina ny Aterineto any Japana.
Polonina: Ny “Open Government Data Camp 2011″ Sy Ny Ho Avin'ny “Open Data”
Tao Varsovie ny "Open Government Data Camp" tamin'ity taona ity, Afaka miresaka amin'ireo" techies" ianao, ireo mpikambana avy aminà ONG mpandàla ny mangarahara, ireo mpanao gazety, ireo mafàna fo ara-tsôsialy, ireo tompon'andraikitra avy aminà governemanta, ireo solontenan'ny Kaomisionan'ny Vondrona Eoropeana sy ny sisa. Jakub Górnicki no nanao tatitra.
Ejipta: Sambory ny Sisa Tao Amin'ny Fitondrana Teo Aloha
Tamin'ny volana Aprily lasa teo, nandidy ny fandravana ny antoko politika nitondra ny firenena nandridra ny taona am-polony maro ny Fitsaràna Ejiptiana. Na izany aza dia mbola mijoro ireo mpikambana tao, ary nanolo-tena ho ao anatin'ny lisitr'ireo kandidà ho an'ny fifidianana parlemanta amin'ny volana Novambra. Jereo fa nifandray tànana ireo mpampiasa aterineto mba hampisehoana izany.
Tonizia: Fenointsika Ny Valantserasera!
Nisesisesy ny lahatsoratra nameno ny valantserasera maneran-tany raha nanapa-kevitra hibosesika ao amin'ny Facebook sy Twitter ny mpiserasera Toniziana amin'ny fanehoan-kevitra ataony. Nanomboka izany rehetra izany ilay mpiserasera naneho firaisankina sy fanohanana...