Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Mey, 2014
Ry Mpiserasera Rosiana, Manara-maso Ny Karatra Nomerika Solom-bolanao i Putin

Nosavain'ny Komity mpanao famotorana ny biraon'ny Yandex.Money, fitaovana malaza solom-bola miara-miasa amina orinasan'ny mili-pikarohana goavana ao Rosia,
Manindry Mafy ny WeChat Sy ny Fampihatra Hafa Fizarana Hafatra Eo Noho Eo i Shina
Manenjika ireo sehatra fandefasan-kafatra tonga eo noho eo i Shina mialoha ny tsingerintaona faha-25 ny fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia notontosaina teo amin'ny kianjan'i Tiananmen.
Ady An'Habakabak'i Rosia, Ety An-Tany

Na dia tsy misy atahorana aza ny GPS amin'izao fotoana izao, mampiseho ny tsy fahampian'ny fitokisan'ny Rosiana ny mpitondra azy ireo intsony io tranga io.
Minitra Farany Hiainan'ny Twitter Ao Rosia

Nandrahona tale lefitry ny sampan-draharaha voalohany misahana ny sivana ao Rosia, Roscomnadzor, fa azon'ny governemanta sakanana manontolo ao anatin'ny minitra vitsivitsy ny Twitter na ny Facebook.
Mpikatroka Roa Nosamborina Nandritra Ny Famoretana Fihetsiketsehana Tao Alzeria
Tanora mpikatroka teratany Alzeriana i Mohand Kadi ary teratany Toniziana kosa i Moez Benncir. Nosamborina izy ireo raha niara-nisotro kafe teny amin'ny terasy tao afovoan-tanànan'ny renivotr'i Alzeria nandritra ny fihetsiketseham-panoherana milamina «Barakat !» andro iray alohan'ny fifidianana filoham-pirenena.
Pakistane Bilaogera Tsy Afa-Mamindra Saingy Manaitra Fanahy Ny Hafa Mba Hihazakazaka
Tsy navelan'i Sarmad Tariq velively hanakana azy tsy hivezivezy manerana izao tontolo izao ny fahalemena nanjo azy, haka ny toeran'ny mpikabary mampihetsi-po sy atleta mpamporisika. Nodimandry teo amin'ny faha-38 taonany izy ny 30 Aprily teo tao Pakistana.
Mihazakazaka Mankany Pyongyang Ny Aterineto Rosiana

Manomboka amin'ny 1 Aogositra 2014, takiana amin'ireo mpamatsy votoaty antserasera rehetra ny hitehirizana ny tahirin'ireo mpiserasera Rosiana nandritra ny enim-bolana.
Tsy i Igor Sechin Tsy i Dick Cheney: Ny Fiafaran'ny Tantaran'ilay “Zuckerberg Rosiana”

Tantaran'ny any Eoropa Atsinanana izay mety ho tsy fandrentsika loatra nefa raha Tandrefana ilay olona, dia efa be no nahalala azy ity!