· Novambra, 2017

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Novambra, 2017

Maraoka: Nogadraina Ilay Mpankafy Barça Raha Nanoratra Hoe “Andriamanitra, Tanindrazana, Barça”

Maro ireo bilaogera no gaga raha nahafantatra fa voaheloka higadra 18 volana  ny tanora Marokana iray noho ny heloka madinika. Ilay zatovolahy, mpankafy Barça, dia voalaza fa nanoratra hoe "Andriamanitra, Tanindrazana, Barça" teo amin'ny solaitrabe tao an-dakilasiny . Ny teny filamatra ao Maraoka dia hoe "Andriamanitra, Tanindrazana, Mpanjaka".

27 Novambra 2017

Egypta : 89 Isanjaton'ny Tanora No Manohana ny Sivana an'Aterineto

Sivy amby valopolo isanjaton'ny tanora Egyptiana, ankizivavy na ankizilahy no milaza fa manohana ny sivana amin'ny aterineto, araka ny fanadihadiana vao haingana. Mizara ireo tarehimarika ireo ny Bloggers Times izay nalaina  tao amin'ny Vavahadin-tseraseran'ny Ivontoerana Egyptiana momba ny Fampahalalam-baovao sy ny Fanampiana amin'ny Fanapahan-kevitry ny Governemanta, sampan-draharaha ofisialin'ny Fanjakana Egyptiana

25 Novambra 2017

Kenya: Zava-Baovao

Nikaroka irony atao hoe kit mains libres amin'ny finday irony ho an'ny fiarany ao Nairobi i Kikuyumoja’s realm ary nahita fitaovana hafa tena mahaliana ho an'ny vokatra ara-barotra .

14 Novambra 2017