Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2017

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Aogositra, 2017

23 Aogositra 2017

Amerika Latina: “Reporting On”, Twitter Vaovao Ho An'ny Mpanao Gazety

Nisy vokany lehibe teo amin'ny vohikalam-baovao maro naniry haka tahaka ny fahombiazan'ny Twitter : hafatra fohy nalefa avy amin'ny fitaovana maro (solosaina, finday, hafatra eo noho eo) ho an'ny mpisera voafetra. Iray amin'ireo tranonkala nandika ny raikipohy ny Reporting On, karazana Twitter ho an'ny mpanao gazety...

22 Aogositra 2017

Maraoka: Ary Ny mpandresy Dia…..

Natao tao Casablanca tamin'ny 31 Janoary ny andiany faharoa tamin'ny Maroc Blog Awards (Fifaninanana Bilaogy). Natao ho an'ireo bilaogy Maraokana tsara indrindra (sy ho an'ireo bilaogera manoratra manokana momba an'i Maraoka ihany koa) izay nosokajiana ao anatin'ny loka miisa telo ambin'ny folo. Indro ny lisitry ny mpandresy:

Shina: Maninona Ireo Bilaogera No Mangina Manoloana Ny Loza Voajanahary?

Nikaroka ihany ny mpanomponareo saingy niala maina.. Aiza ary no misy ny olana raha izany?

Manaisotra ny VPN Ao Amin'ny Tranombarotra ao Shina ny Apple

GV Mpisolovava

"izao no dingana lehibe indrindra nataon'ny governemanta shinoa hanakanana ny fampiasana ny VPN hatramin'izay, ary talanjona izahay mahita ny Apple manome vahana ny ezaka fanivanana shinoa."

Tsinkafona, Manimba ny Farihy Midadasika Indrindra Ao Etiopia no Sady Loza Mitatao Ho An'ny Asa Fivelomana

Lasa mariky ny toedraharaha mahakivy mikasika ireo harena voajanahary ao Etiopia amin'ny fotoana izay ilàna zavatra bebe kokoa ho an'ny vahoaka haingam-pitomboana ao amin'ny firenena.

21 Aogositra 2017

Rindrambaiko Iray Vaovao Manampy Ny Jamba “Hahita” Ny Fanakòna-Masoandro

"Tsy misy ny voafaritra raha tsy hitan'ny maso. Ary manaporofo izany indray [ity]".

20 Aogositra 2017

Arabia Saodita: Ary Raha Toa Ka Efa Hatrizay I Olive Riley No Namahana Bilaogy?

Maty teo amin'ny faha 108 taonany ilay bilaogera Aostraliana zokiny indrindra eto amin'izao tontolo izao, Olive Riley. Raha nisaona ny fahafatesany i Mohammed Al Shehri , any Arabia Saodita dia nanontany tena hoe inona ny lova navelan'i Riley raha nisy ny Aterineto ary raha hatrizay no nisy ny famahanana bilaogy.

Crisis Camp Italia: Mampiasa Web 2.0 Hiatrehina Ny Vonjy Taitra

Fametrahana ho anaty sarintany, fanarahandia, fanaovana gazetim-bahoaka; fitantanana tahirin-kevitra: ireo no anisan'ny lohahevitra nodinihana tao amin'ilay fihaonambe sambany natao tao Italia momba ny fiarahana mirotsaka mandray anjara.

17 Aogositra 2017

Sivana : Herdict Web, Fitaovana Vaovao Hilazàna Ireo Tranonkala Tsy Mety Hidirana

GV Mpisolovava

Mirehareha ny Global Voices Advocacy (sampan'ny Global Voices ho fiarovana ny fahalalaham-pitenenana ato amin'ny Aterineto) manambara ny fijoroan'ny Herdict Web.

15 Aogositra 2017

Fitsidihana Ireo Bilaogy Libiana

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2007) Mitohy indray ny adihevitra tamin'ny herinandro lasa teo tao amin'ny AngloLibyan izay nitondra ny lohahevitra mikasika ireo ankizy Libiana voan'ny SIDA toy ny sampan'ilay adihevitra tamin'ny herinandro lasa nikasika ireo ankizy Libiana voan'ny SIDA. Tamin'ity indray mitoraka ity, nasongadin'ny Anglo Libyan ny fisianà fepetra mitanila sy ny mety hisian'ny fahadisoan'ny fitsaràna avy...