Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Jolay, 2014
Niverenana Nodinihana Tampoka Ilay Didy Manome 4 Tapitrisa Robla Natao Hamahàna Ny Tor Ao Rosia

Naverin'ny Ministeran'ny Atitany ao Rosia nodinihana ny fomba fiteny ao anatin'ny didy iray manolotra 3,9 tapitrisa robla (manodidina ny 100.000 dolara amerikana) ho an'ny famokarana fomba hamakiana ny angon-drakitry ny mpampiasa aterineto ao anatn'ilay tambajotra tsy fitononana anarana Tor
Manome 4 Tapitrisa Robla Ho An'izay Mahavaha Ny Tor i Rosia

Na dia toa tsy dia hotanteraka loatra aza, raha tafita io tetikasa famahàna kasain'i Rosia hatao io, dia ho tandindonin-doza ireo olona an-tapitrisa mpisera amin'ny aterineto izay tsy ratsy velively ny safidiny hiditra amin'ny tsy fitononana anarana ety anaty aterineto.
SARIPIKA : Herintaona ny tetikasan'ny Rising Voices “Mapping for Niger”

Mankalaza ny fahaherintaonany miaraka amin'ireo mpandray anjara rehetra ao aminy ny tetikasa Mapping for Niger.
Fijery Tokana No Atolotry ny Boky Taridalana Amin'ny Fizahantany Ho Anao. Fa Itantaran'ny Mponina Ny Fijeriny Manokana Kosa Ity Fampiharana Vaovao Ity

Ahafahanao mihaino ireo tantara manokana momba ny toerana hotsidihanao ny Voicemap. Tsy ho hitanao any amin'ny tari-dalana mahazatra amin'ny fizahan-tany izany.
Malaza Noho i Messi Ity Tovovavy Mpilalao Football Ity Any Amin'ny Tanàna Kely Lavitra Andriana Misy Azy ao Nepal
Sunakali no nitondra ny ekipany ho any amin'ny fandresena tamin'ny fifaninanam-pirenena amin'ny football vehivavy. Rehefa tonga an-tanindrazana ry zareo dia notsenain'ny tao an-tanàna tao amin'ny fitodian'ny fiaramanidina tamin'ny hiaka hoe, "Sunakali, tahaka an'i Messi!"
Ahoana No Hanivahana Amin'ny Fanarahamaso Ataon'ny Governemanta Ejipsiana Amin'ny Aterineto

Manolotra tari-dalana hanakanana ny Fanarahamaso ny Aterineto ataon'ny Minisiteran'ny Atitany i Tarek Amr.
Ny Tsenam-barotry Ny Fifandraisan-davitra: Novain'ny Fitambaran'ny SFR-Numericable?
[...] Efa an-taonany vitsivitsy izao no misy fanavaozan-drafitra ara-teknika eo amin'ny tsenam-barotra noho ny finiavana misongan'ireo mpandraharaha hanamafy ny fisiany na eo amin'ny tsenam-barotry ny antso an-tariby, na ny finday. Noho izany fomba fijery izany indrindra no hitambaran'ny SFR sy ny Numericable, mba hamaliana ireo hetahetan'ny mpanjifa eo amin'ny lafiny sandany sy hamoràny.[...]
Fantaro i Xiaobing, Ilay Raboto (Mampiala-voly? Mahasosotra? Manorisory?) Mifehy Ny Sina Weibo
Tafaverina i Xiaobing. Raboto (robot) novolavolain'ny Microsoft ho toy ny zazavavy 16 taona izay nahasarika mpanjohy maherin'ny 400 000 ao amin'ny Sina Weibo, ilay mitovy amin'ny Twitter, hatramin'ny nitsanganany ho velona indray iray volana teo ho eo izay rehefa nakatona tao amin'ny fampiharana fandefasan-kafatra WeChat.
Ankoatra Ny Lohatenin'ny Mondialy: Tsy Manana Fisainan'Ekipa i Iran, Fa Feno Izany Kosa Ny Avela Ao Brezila
Tsy maintsy mahafantatra zavatra bebe kokoa noho ny football fotsiny ianao raha te-hahatakatra ny fandehan'ny fiadiana ny amboara manerantany. Manolotra ny mahazava-dehibe ny resaka fahalalaham-pitenenana sy ny zon'olombelona manodidina ny lalao i Deji Olukotun.
Misavoana Avo Ny Lazan'ny Tor Ao Rosia

Hatramin'ny tapaky ny volana aogositra 2013 no mankaty, nitombo avy efatra heny ny isan'ny Rosiana mpisera nampiasa ny tambajotram-piafenana anarana antsoina hoe Tor, rindrambaiko maimaim-poana ahafahana tsy mampiseho ny misy anao sy ny momba anao (fiafenana) sady mahasedra ny sivana