Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Desambra, 2014
Tantaran-drazan'ny Iñupiaq Nomena Aina Tamin'ny Alàlan'ny Lalao An-dahatsary
Tantara iray nentin-drazan'ireo Indiana teratany Alaskan, antsoina hoe "Kunuuksaayuka" no tonga lalao an-dahatsary noho ny fandraisana andraikitra niarahana niasa izay mikatsaka ny hitehirizana ny kolontsainy sy ny teniny.
‘Tsy Hanakana’ Navalny ao Rosia ny Facebook sy Twitter, Raha Manao izay Hanakanana Ny Fanononana ny Hetsi-panoherana i Kremlin
Nitatitra ny Tv Rain fa nanapa-kevitra ny tsy hanakana izay pejim-pihetsiketsehana Navalny intsony ny Facebook sy ny Twitter, ary mahafantatra ireo fa mety hampisy ny fanakanana ny tranonkala iray manontolo izany.
Tsy Maimaimpoana Ny Aterineto Rosiana. Mety Vao Mainka Hanaratsy Zavatra Ilay Hetra Vaovao.
Misaina ny hetra azy manokana izao ny governemanta Rosiana, ary tiany hampandoavina hetran'ny aterineto daholo ny Rosiana rehetra rehefa manjifa votoaty misy zon'ny mpamorona ety anaty aterineto.
Kiobà: Na Misy Na Tsia Fanavaozàm-panjakàna, Midika Teknolojia Bebe Kokoa Ny Vola Misimisy Kokoa
Inona no ho entin'ireny fiovàna tamin'ny Alarobia ireny ho an'ny fahafahana miditra aterineto sy ny telefôna finday ao Kiobà? Hatreto, kely ny finoana. Saingy misy zavatra vitsivitsy mba azontsika raisina avy amin'ny resak'ireo filoha roa ireo—sy ny tsy nolazainy—hatreto
Ny Media Sosialy No Nampandresy Ilay Kandida Tsy Miankina Tao Taiwan
Nandresy tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna tao andrenivohitri' Taiwan i Ko Wen-je noho ny fampiasany media sosialy.
Afaka Mijery Fahitalavitra Amin'ny Youtube Ny Rehetra Afa-tsy Ny Koreana Tatsimo
Noferan'ireo tambajotram-pahitalavitra Koreana gavana ny fahafahan'ireo mpampiasa aterineto ao amina'ny firenena mba tsy hahita ireo votoaty apetrany ao amin'ny Youtube, saingy afaka mankafy azy ireny kosa ireo olona erantany mpampiasa izany ka manana IP vahiny.