Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Teknolojia tamin'ny Janoary, 2019

Arabia Saodita : Voasivana ny kaonty Twitter roa an’ireo mpikatroka

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanakana ny fidirana tamin’ny Aterineto tamin’ny kaonty Twitter anankiroa ny Vaomieran’ny Teknolojiam-baovao sy ny Fifandraisana ( CITC) ao Arabia Saodita dia ny an’ilay bilaogera @Mashi97 sy ny an’ilay mpikatroka @abualkhair . Niseho ity bahana amin’ny kaonty Twitter ity noho...

Tonizia : Fisamborana ilay mpikatroka fanta-daza iray tamin’ny famoahana tatitra an-dahatsary an-tserasera momba ny tontolo iainana

(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nosamborina noho ny famoahana tatitra an-dahatsary tao amin’ny aterineto momba ny fahalotoan’ny tontolo iainana ao Nabeul (Dar Chaabane EI Fehri), izay tanandehibe amorontsiraka Avaratra-Atsinananan’i Tonizia i Zouhaïr Makhlouf, mpikatroka mpiaro ny zon’olombelona sady mpitati-baovao ho an’ny tranonkala Assabil Online...

Mahatezitra ireo Malaoita ny Hevitry ny Bilaogera Iray momba ny “Nsima”

Niteraka adihevitra momba ny halehiben'ny fahafahana mety hananan'ny olona amin'ny fanehoany hevitra anaty bilaogy ny lahatsoratra iray momba ny "nsima", foto-tsakafon'i Malawi. Nasehon'ireo fanehoankevitra sasany fa ilaina ihany ny famerana ny tena, ny fandraisana andraikitra ary ny fahatsapan-tena, indrindra raha manoratra momba an-javatra iray raisin'ny hafa ho sarobidy aminy ianao.

Iràka: “Soa ihany fa tsy Baomba tanaty Fiara!”

Rehefa avy niala sasatra kely aho, tsy misy tsara mihoatra nóho ny fanomezako ireo mpamaky izay tena tiany ho vakiana -teny avy any an-dalamben'i Bagdad sy Mosul. Ary tsy misy fotoana tsara nóho ity satria niverina nanoratra bilaogy i Chikitita, mizara ny fahitàny an'i Bagdad, nilaozany nandritra ny volana maro.

Ekoadaoro : ny Barcamp farany natao tao amin’ny faritanin’i Santa Helena

Notontosaina tamin'ny 29 Aogositra 2009, lavitry ny tanandehibe, tany amin'ny faritanin'i Santa Elena, tao anaty fironana manokana momba ny teknolojian'ny fanabeazana sy ny fanorenan'asa ny BarCamp fahatelo natao tany Ekoadaoro.

Arabia Saodita: Tonga mamonjy manoloana ny todra-drano ny tanoran'i Jeddah

Taorian'ny  tondra-drano namely an'i Jeddah tamin'ny faran'ny volana Janoary, nampiasa tranonkala tambajotra sosialy ny tanora taranaka Saodiana mba hanampy amin'ny hetsika fanavotana amin'ny alàlan'ny fanomezana fanampiana, fialofana, sakafo na fitaterana ho an'ireo izay niharan'ny orana.

Kolombia: Mamoaka Olontsotra Mpanao Gazety Mampiasa Haino Amanjery Maro ny Fifaninana Iray

Fifaninanana natao ho an'ny rehetra, na inona na inona zompirenena zakainy, mba hanoratra, hampiseho sy hamorona votoaty milaza amin'izao tontolo izao ny momba anà toerana iray miavaka ao Kolombia tsy ho fantatry ny besinimaro amin'ny andavanandro. Hita anatin'ity lahatsoratra ity ireo ohatra avy ao Chocó sy Antioquia.

Brunei: Twestival Mampiray ny Mpiondana Aterineto

Nahavory ireo bilaogera sangany sy mpisehatra aterineto avy amin'ny lafivalon'ny firenena ilay Twestival Brunei voalohany ho fanohanana ny Ivontoerana Fampivoarana ny Ankizy, vondrona iray izay manome fanohanana ho an'ireo ankizy manana filàna manokana.

Miverina amin'ny Laoniny i Kenya

Ankehitriny, miray indray ireo mponin'i Nairobi, izay mpifahavalo sy nanahy momba ny fiaviany ara-poko teo aloha, mba hamely ny minisitry ny governemanta ao an-toerana noho ny fanovàna ny làlan'ireo fitateram-bahoaka sy ny fanerena ny olona handeha an-tongotra lavitra be.

Marobe ny fiarahabana ny mpanjakavavy Rania noho izy nahazo ny Loka “Visionary” Youtube

Miondrika manaja ny Mpanjakavavin'i Jordania, Rania, sy ny hetsika fanentanany ao amin'ny YouTube,  ireo bilaogera avy any Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra, taorian'ny nahazoany ny loka tamin'ny Loka Visionary YouTube noho ny fananganana fantsom-pifandraisana an-tserasera hiadiana amin'ny fitsarana an-tendrony sy ny hevi-diso mikasika ny Arabo sy silamo.