Korea Atsimo: Blaogy, Blaogera Ary Marika

(Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny volana martsa 2009)

Raha sahala amin'ny toa misy elanelana ireo samy blaogera, ny tena marina tsy dia izay loatra izy ireo. Manana ny blaoginy sy blaogera ankafiziny izy ireo, ary mamorona rohy miaraka amin'ireny ry zareo. Zarain-dry zareo miaraka amin'ireo vohikala hafa ireo lahatsoratra ankamamiany nosoratan'ireo blaogera hafa. Maneho ny heviny izy ireo momba ny lahatsoratr'ireo blaogera izay tsapany ho akaiky azy kokoa ary mifanakalo ny fomba fijeriny mikasika ireo olana politika sy sosialy.

Vehivavy blaogera iray no nitantara ny zavatra niainany niaraka tamina mpitarika orkesitra iray fantadaza erantany. Tamin'ny famoahany an'ireo resaka manokana nifanaovan'izy ireo, vitany ny namotika ny lazan'ity olo-malaza iray ity. Raha toa niely patrana haingana tamin'ireo vohikala hafa ny lahatsorany ary ireo blaogera hafa namerina naka izany indray ho ao amin'ny blaogi'izy ireo manokana, marobe ireo blaogera no nitsikera azy. Mifanohitra amin'izay, fandresen'ireo blaogy no hitan'ireo hafa tao anatin'izany.

Manontany tena ireo blaogera hoe hatraiza no tokony halehan'ireo blaogy amin'ny fizaràna ireo vaovao, hevitra ary traikefa. Blaogera iray no nandefa lahatsoratra iray mahaliana mikasika an'io lohahevitra io, “Blaogy, blaogera, marika ary ireo lesoka manasaraka azy” [amin'ny teny koreana].

블로그를 운영을 하면서 느끼는 것이지만 참 예의바른 분들이 많다는 것입니다. 물론 반대로 별별 찌질이 양아치들도 많지만 대체적으로 블로그를 운영하는 분들은 예의바르다고 생각합니다. 물.론. 그것이 블로거로서의 그들과 실존인물로서의 그들 사이의 간격을 생각하지 않고 하는 말입니다.

블로그라는 것은 자신을 나타내는 뭔가라고 생각합니다. 그래서 블로거라면 다들 자신의 블로그를 애지중지 금이야 옥이야 다독다독.. 생각합니다. 그리고 다들 ‘나만은’ 소통과 교류에 적극적이고 졸랭 오픈마인드라고 자신합니다. 그래서 다른 블로그에 가서 댓글을 남길 때도 뭔가 어젓한 모습을 보입니다. 디씨나 웃대, 개소문 죽돌이마냥 찌질이식의 글은 많지 않다는 것이죠.1

여기 두 명의 블로거가 있다고 가정합시다. 둘은 서로 상당히 친근한 사이라고 믿습니다. 그리고 서로의 블로그에 방문하며 댓글도 남기고 이런 저런 글들로 교류를 합니다. 그리고 약간의 농담도 합니다. 각자가 들고 있는 친근감의 정도는 같은 크기라고 생각하고 있었습니다.

멀리서 보니 당신과 나는 같은 크기의 친근감을 갖고 있습니다. 맞죠?

그리고 어느 날 A는 B에게 평소보다는 조금 심한 농담을 합니다. A의 입장에서는 자신이 가진 친근감의 정도와 B가 가진 친근감의 정도가 같은 크기라면 이 정도의 농담은 충분히 가능하다고 생각을 했습니다. 그런데 웬 일?!!

아뉘~!! 이 사람이 왜 갑자기 친한 척하시나요? 누구??
A가 생각한 친근감의 크기가 B의 것보다 x만큼 더 컸던겁니다. B는 A에게 말합니다. ‘어머! 누구? 얼마나 친하다고 그런 말씀하세요? 우리가 일면식이라도 있었나요? 직접 만나서 공기놀이라도 했었나요? 왜 갑자기 글케 친한 척 하시나욧!!’ 결국 둘 다 같은 크기의 친근감을 가지고 있다고 생각했지만 실제 그것을 재볼 기회가 되자 x만큼의 차이에 마음이 상해버린 것이죠.

현실에서도 이런 일은 허다하게 일어납니다. 그리고 오직 글로 만나는 블로거들 간에는 이런 오해는 더 자주 일어날 것 같지만 사실은 그렇지도 않습니다. 그 이유는 서로가 그런 일이 일어날 정도로 다가서질 않기 때문입니다. 그것이 블로거들 간의 예의입니다. 다가서지 않는다는 것.

사실 이런 일은 ‘좋은 관계'를 유지하고 있는 블로거들 사이에 더 빈번합니다. 서로에게 조금이라도 상처를 주지 않을까 극도로 조심하는 것이죠. 물론 이것은 상대방에 대한 존중이요 배려이고 필요한 것이지만 조금은 다가가야할 필요가 있습니다. 서로간의 간격을 좁힌다는 것. 그것은 서로간에 교집합을 만든다는 의미이기도 합니다.

Rehefa mikarakara ny blaogiko manokana aho, toa tsapako fa misy ireo olona mahalala fomba. Ekena, misy ihany koa ireo olona hafahafa. Saingy mihevitra aho fa mahalala fomba ireo blaogera amin'ny ankapobeny. Marina io raha toa tsy asiana ny fahasamihafàna eo amin'ny blaogera sy ilay tena olona hita maso.

Fomba iray hahafahan'ireo olona maneho hevitra ny blaogy. Izay no antony hitandreman'ireo blaogera ny blaoginy amin'ny fony rehetra. Resy lahatra ihany koa izy ireo fa mavitrika ao anatin'ny fiseraseràna amin'ireo hafa ary manana fisokafan-tsaina goavana. Rehefa maneho ny hevitr'izy ireo any anatin'ireo fanehoankevitra amin'ireo blaogy hafa ry zareo, mijanona ho mahalala fomba, tsy mamela lahatsoratra hafahafa na tsy misy ifandraisany.

Ndeha isika hieritreritra bilaogera roa. Mihevitra tsara izy ireo fa mifankahalala. Samy mitsidika ny blaogin'ny iray avy ny tsirairay ary mamela fanehoankevitra. Mifanakalo hevitra izy ireo. Manao vazivazy vitsivitsy. Mihevitra izy ireo fa mitovy ny tahan'ny fifankahazàran'izy roa tonta.

01Rehefa mifampitazana amin'io fomba fijery io izy ireo, mitovy ny fifamalian'ny fifankahazàrany.

Indray andro, nanao vazivazy somary vantambantana tamin'i B i A. Mihevitra i A fa azony atao ny karazana vazivazy sahala amin'io noho ny fifankahazàran'izy ireo. Saingy …

Ny valintenin'i B: Inona no mahatonga anao hihevitra hoe mifampizara fisakaizàna lalina tahaka izany isika?

Ny tahan'ny fisaikaizana lalina izay nomen'i A tamin'ny fifandraisan'izy ireo dia lehibe lavitra noho ny taha nomen'i B. Ary mamaly an'i A i B manao hoe: “Inona no mahatonga anao hihevitra hoe mifampizara fisakaizàna lalina tahaka izany isika?” Angaha isika efa nihaona vantana? Angaha isika efa nanana fotoana niarahana? Inona ity mahazo anao?”. Rehefa ampitahain'izy ireo ny tahan'ny fifanakaikezany, dia misy elanelana x.

Mateti-pitranga ny karazan-javatra sahala amin'io eo amin'ny tena fiainana. Sahala amin'ny toa misy ihany koa ny tsy fifankahazoan-kevitra eo amin'ireo blaogera roa izay tsy mihaona raha tsy amin'ny tambajotra. Ny antony dia ny tsy fanandraman'izy ireo mifanatona mba hialàna amin'ireny tsy fifankahazahoan-kevitra ireny. Manaraka ny fitsipiky ny fahalalam-pomba eo amin'ireo samy blaogera fotsiny izy ireo, tsy mitady fisakaizana lalina.

Mateti-pitranga io amin'ireo blaogera izay mikolokolo “fifandraisana tsara” io. Mitandrina tsara izy ireo mba tsy hanakorontanana ny fifandraisan'izy ireo. Ekena, manan-danja io raha toa maniry ny hitazona ny fifamaliana fifanajana sy fankasitrahana ny roa tonta. Nefa indraindray ilaina ny mametraka fifanakaikezana tena izy.

Mba hampihenana ny elanelana mampisaraka azy ireo. Midika izay fa manomboka izao dia misy teboka iray hifandraisana ny fifaneraseran'izy ety amin'ny tambajotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.